| Aza matahotra |
| pasitera | |
|
aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. Lio 5:10b Na : aoka izay ny tahotra : manomboka izao dia
olona kosa no hosarihianao (Diem)
Raha ny taom-piangonana, anio dia alahady faha 5 manaraka ny Epifania na ny fampisehoana an’i Jesosy tamin’ireto Magy 3 lahy avy any antsinanana. Ireto jentilisa tahaka antsika koa. Epifania izay heverin’ny maro fa fetin’ny Mpanjaka (fête de roi) ka isian’ireo labojia isitonana izay ho mpanjaka. Ankalazaina miaraka amin’ny mofo mamy izany “ galette des rois”. Amin’ity anio ity isika dia mahazo teny 4 dia ny Isa (6.1-4), Sal.138, Ikor (15.1-11) ary ny Lioka (5.1-11). Fa inona moa no ifandraisan’ireo ? Ny antson’Andriamanitra : Isaia, Paoly ary Simona Petera Ny votoatin’izany Antso izany Ny fiainana ny Antson’Andriamanitra Ny antson’Andriamanitra Araka ny tantara ataon’i Lioka ao amin’ny filazantsara nosoratany dia hoy Jesosy Tompo tamin’i Simona : manomboka izao dia olona kosa no ho azonao. Raha ny Diem : dia lazainy fa “olona kosa no ho tarihinao” . Raha adika malalaka izany dia milaza hoe : mamoaka ilay olona amin’ny teorana sarotra izay misy azy. Mety ho ady izay toerana sarotra izany, mety ho ao antin’ny fahotana izany raha ny fanahy no jerena azy. Raha bangoana tsotra izany dia ny famoahana an’ilay olona amin’ny fahasarotana izay misy azy. Raha ny amin’ny Simona, satria mpanjono no asany , ny maka ny trondro avy tamin’ny toerana ivelomany dia ny ranomasina izany dia azo lazaina fa mamono an’ilay trondro mba ho lasa iveloman’ireo mpanjono aloha ary ho hanin’ireto mpividy indray rahefa avy eo. Kanefa kosa raha olona indray no esorina avy amin’ny ranomasina dia mazava ho azy fa famonjena ho azy izany. Izany no lazain’i Jesosy ho asan’i Simona manomboka izao : ny hanala ny olona amin’ny toerana izay tsy tokony hisy azy toy ny ranomasina, na ny fahotana izany. Ilay Simona, sasatra satria nikely aina nandritry ny alina kanefa tsy nahazo na inona na inona no itenenan’i Jesosy hoe : mandrosoa amin’ny lalina dia alatsaho ny haratonareo (tsy irery tokoa i Simona fa niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio) . Namaly i Simona hoe noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. Simona nahazo teny avy tamin’i Jesosy. Teo ny teny izay azony niaraka tamin’ireto vahoaka izay nifanizina (1) ka nahatonga an’i Jesosy handray ny sambokelin’i Simona ahazoany misitaka kely amin’ny tany . Jesosy mampiasa ny fitaovan’i Simona. Tsy voalaza eto ny ambetin’ny Tenin’andrimanitra izay nampianarin’i Jesosy ny vahoaka. Rehefa avy nampiasain’i Jesosy izany fitaovana izany dia asainy ampiasain’i Simona koa. Eto isika dia mahita an’i simona izay mankato an’i Jesosy; Anisan’ny dikan’ny teny hoe SIMONA na SIMEONA mantsy ry havana dia ny hoe “mandre, maheno ary manaja”. Nanaja an’i Jesosy i Simona dia nalatsany ny haratony ary dia hitany ny vokatr’izany fanajana izany. Teo i Simona va nahatsiaro tena fa olo-meloka izy. Vokatr’izany dia niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesosy izy (8). Toy izany koa ny nahazo an’i Isaia, mpaminany , Paoly apostoly izay nilaza fa izy no farany oindrindra amin’ny apostoly. Jesosy miantso olona hiasa ho azy. Olona izay tena nihaona taminy ary mahatsiaro tena fa mpanota ka tsy miendrika ny hihaona akory amin’ity mpiantso azy. Eo no ahitantsika ny hoe tahotra manoloana ny antso izay ataon’ny Tompo aminy. Ny votoatin’ny antso Raha ny amin’i Simona no resahina dia ny hoe “olona kosa no ho azonao” (’10). Ny an’i Isaia indray dia ny famaliana ny feon’ny Tompo hoe : Iza no hirahiko, Iza no ho irakay Is 6. 8. Dia namaly i Isaia hoe : “Inty aho, iraho aho”. Ary hoy ny Tompo hoe : Mandena ka lazao amin’ity firenena ity (Isa.6.9). Ary i Paoly dia milaza fa ny fitoriana ny filazantsara no noraisiny (Iko.15.3) I Paoly dia manazava tsara fa izay noraisiny ihany no atolony (Ikor.15.3). Lazain’i Paoly apostoly fa ny voalohany indrindra dia Kristy maty nohon’ny fahotantsika, dia nalevina ary nitsangana tamin’ny maty ka niseho tamin’i Kefasy (i Simona Petera io). Izay arakin’ny Soratra ihany no lazainy. Io ilay lazain’ny reformasiona hoe sola scriptura (anisan’ny teny fanevan’ny protestanta izany). Io Soratra na boky lazainy eto io dia ny testamenta taloha fa tsy mbola voasoratra ny testamenta vaovao. Tantarain’i Paoly eto ireo vavolombelona samihafa izay nisehoan’izany Jesosy nitsangana tamin’ny maty izany ka niantso mpanompo maro ary dia izy dia ambany indrindra amin’ny apostoly ka tsy miendrika ny hatao hoe apostoly satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho . Fa ny fahasoavan’andriamnitra no naha toy izao ahy. Tsy misy tokoa olona mendrika hiasa ho an’i Jesosy fa samy mpanota avokoa. Hitantsika teo i Isaia, mpaminany, i Petera, mpanjono ary i Paoly, mpanejika ny fiangonana. Kanefa nohon’ny fahasoavan’andriamanitra dia nahazo ny antso izy ireo. Io fahasoavana io ihany tokoa mantsy no ahazoana ny famindrampon’Andriamanitra. Lazain’ny reformasiona na ny protestanta hoe (Sola gratia). Koa ny votoatin’ny antso dia ny hanambara an’i Kristy, mpamonjy izao tontolo izao . Kristy ihany ary tsy misy hafa no tokony hinoan’ny mino tsirairay avy (Sola Fide). Ka ahoana ary no hiainana an’izany antso izany ? Ny fiainana ny antso Hoy Jesosy tamin’i Simona “ aza matahotra fa olona kosa no ho azonao”. Ary nampiantsona ny sambokely izy, nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy (Lio 5.11). Misy toky izay omen’ny Tompo ho an’izay nahazo ny antso dia ny tokony tsy hatahorana. Betsaka tokoa no matahotra . Raha i Isaia dia nasehon’Andriamanitra taminy fa afaka tanteraka ny helony tamin’ny alalan’ny femetrahana an’ilay vainafo izay natehikin’ny serafima tamin’ny molotr’i Isaia mba ho marikin’ny famelakeloka ho ary. Izany no fomba fanao tamin’izany. I Paoly indray dia fantantsika fa nametrahan’i anaiasy tanana izy ary rehefa afaka izany dia nitory ny filazantsara izy tany Damaskosy. I simona Petera dia fantsika fa mpianatr’i Jesosy izy. Nofanin’i Jesosy nandritry ny telo taona vao nalefany hiasa koa. Koa ny antso dia, arahin’ny fiofanana aloha. Ireo izay nantsoin’ny tompo hiasa ho azy, mba ahazoany tsy hatahotra intsony dia nofaniny, niara-niasa taminy ary indrindra nomeny hery toy ny fanomezany ny Fanahy Masina ho an’ireto Apostoly ireto. Voakasik’izany koa i Saoly izay lasa Paoly taty aoriana. Nolazain’i Jesosy fa ho vavolombeloko ianareo hatreto Jerorsalema, Samaria ka hatrany amin’ny faran’ny tany. Mipetraka amintsika koa isika avy tany Dijon, Lons le Saunier sy ny hafa ,izany antso izany. Efa nihaona tamin’i Jesosy mivantana ve isika. Tsy mbola tara ny fotoana. Ny antony ahatongavantsika eto amin’ity an’ity dia nohon’ny hoe i Lons le Saunier dia tsy lavitra an’i Dijon fa toy ny Samaria raha miohatra amin’i Jerosalema. Tonga eto ny FPMA Dijon hanambara ny famonjen’i Jesosy Kristy arakin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika. Hampahery antsika koa ny amin’izany. Ny fahasoavan’ Andriamanitra no naha toy izao antsika. Anjarantsika izay nandray no manolotra izay noraisintsika tamin’ny Tompo. Koa raiso Jesosy Tompo dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay.Amen
|