Fijoroana vavolombelona
pasitera   

Amin'izao fankalazana ny faha 50 taona nitsanganan'ny FPMA izao dia mahafaly anay ny manolotra anao fijoroana vavolombelon'ny miaramila iray izay nandray anjara tamin'ny adilehibe faharoa tamin'ny taona 1943. Tamin'izany tokoa mantsy dia mbola niaraka ny mpianatra, ny mpiasa ary ny miaramila. Ny gazety atao hoe Ny Sakaizan'ny Miaramila laha. 17 no nakana izany lahatsoratra izany.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Nahoana hianao no protestanta ?

Fanotaniana mety ho tonga amintsika rehetra noho izao mahasaraka antsika amin’izy mianakavy any amin’ilay Nosy malalantsika izao.

Tsy menatra aho mamaly fa mitondra ny anarana hoe Protestanta izay nolovako tamin’ireo razako:

1. Satria ao amin’ny Baiboly fa tsy mba ao amin’ny tenin’olombelona no hahitako marina ny tena sitrapon’Andriamanitra.

2. Satria Ilay Mpamonjy tokana izay lazain’ny Baiboly tamiko dia I Jesosy Kristy fa tsy ny Virjina na olo-masina akory.

3. Satria ny zavatra tokana azoko ampiasaina mba hialako amin’ny ota sy hihavanako amin’andriamanitra, dia ny matoky tanteraka an’I Jesosy Kristy, izay nijaly teo ambon’ny hazo fijaliana noho ny fitiavany ahy.

4. Satria tian’Andriamanitra kokoa ny fahatsorana sy ny fahamarinana noho ny fahamaroam-pomba rehetra izay miseho eny ivelany

5. Satria sambatra aho fa an’ny fiangonana anankiray izay efa nijaly mafy tamin’ny fitokisana ny fampianarana nataon’I Jesosy Kristy ary ny Apostoliny.

Koa noho izany vonona aho, fa tsy hialako marina tokoa ny finoako. Ka tsy hataoko tsirambina na oviana na oviana, amin’izay rehetra ilaina azy, ny milaza marina fa kristiana protestant aho, ary hijanona mandrakizay amin’ny maha-protestant ahy.

Hikely aina mandrakariva aho, amin’izany, mba hanao azy am-piantrana , ary amim-panentren-tena

Amim-piantrana satria ny Katolika rehetra rehetra dia rahalahiko izay nandidian’andriamanitra ahy ho tiana.

Amim-panatren-tena satria ho an’andriamanitra tokana fa tsy ho reharehan’ny tenako no hanolorako azy ny levenam-bola, mihoa-bala noho ny fahfantarako ny Filazantsara, sady madio no tsy misy pentina

RATAVILAHY Simon, Adjudant

Emissions Coloniales, Marseilles
Ny sakaizan’ny miaramila n°17, juillet-Août 1943