| Synaoda FPMA 2008: Hafatra |
| pasitera | |
|
HAFATRY NY SYNODA LEHIBE XXXII
31 Oktobra 2008, 01, 02 Novambra 2008
LES CYCLADES – 393, avenue de
Melgueil, 34280 LA GRANDE MOTTE
« Ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana nomeny . » (Efes.4:13)
Ny Synoda Lehibe faha-32 an’ny FPMA izay nivory teto amin’ny LES CYCLADES – 393, avenue de Melgueil, 34280 LA GRANDE MOTTE, ny 31 oktobra sy 01 ary 02 novambra 2008, mamangy ny Tafo 37 sy ny Fiaraha-mivavaka ary ny kristiana rehetra eto amin’ny FPMA. Hampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy, Tompo sady Lohan’ny Fiangonana. « Ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana nomeny . » Voalohany indrindra dia faly miarahaba antsika rehetra noho ny nahatratrarantsika ny Taon-Jobily sady fankalazana ny faha-50 taonan’ny FPMA. Ity Synoda Lehibe faha-32 ity dia nandray sy niezaka niaina ny teny fanevan’ny Taon-Jobily teo amin’ny asany nandritra ny telo andro. Koa ireo mpivory niisa ho 95 avy amin’ny Tafo sy Faritany, Sampana, Vaomiera ary Departemanta FPMA, rehefa nivory nandinika ny fiainan’ny FPMA, nijery ny lasa ary nibanjina ny ho avy, dia mandefa izao hafatra izao ho an’ny Fiangonana manontolo. « Ho olon-dehibe isika... » : miandrandra sy manantena olona matotra sy tompon’andraikitra, ho afaka hiara-miasa amin’ny fampiorenana Fiangonana afaka mampiseho ny fahafenoan’i Kristy Ilay Loha, ny Tompo Andriamanitsika. Noezahina ny hijery sy hifampizara ny fiainan’ny FPMA nandritra izay roa taona izay teo amin’ny sehatra rehetra. Ny Faritany, Sampana, Vaomiera ary Departemanta FPMA dia naneho teo amin’ny tatitra nataony ny ezaka ataon’ny ambaratonga rehetra ho fampandrosoana ny FPMA. Naseho tao anatin’izany koa ireo ezaka ho amin’ny ho avy sy ny fanantenana handroso sy hitombo eo amin’ny asa hanorenana Fiangonana miaina ny fahafenoan’i Kristy. “...mahatratra ny fahafenoan’i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny.” Ny taon-Jobily dia fotoana izay omen’Andriamanitra ny vahoakany mba hahatsiarovany ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fitondrany ny Fiangonany sy hampiorenany azy bebe kokoa amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny asa fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny olona. Koa natsangana ny Komity Nasionalin’ny Jobily izay tarihin’ny Mpitandrina Théodore RANDRIAMANANTENA, Filoha Mpanampin’ny FPMA ary misy ireo olona notendren’ny Komity Maharitra sy ireo solon-tena avy amin’ny Faritany sy ny Sampana Iraisana eto amin’ny FPMA. Entanina koa ny Faritany sy ny Tafo tsirairay mba handray anjara amin’izany fankalazana izany, ho voninahitr’Andriamanitra. Tsy Fiangonana miasa sy miaina irery ny FPMA, koa ny « Assemblée Générale »n’ny Fédération Protestante de France (FPF) izay nivory tamin’ny Martsa 2007 teo dia nandray ny FPMA ho mpikambana feno ao anatiny. Mitaky andraikitra sy fijoroana vavolombelona ho amin’ireo mpikambana miaraka amintsika ao anatin’izany fikambanana izany io fandraisana antsika io. Koa entanina ny Tafo rehetra sy ny ambaratonga hahay hijoro ho olon-dehibe henika ny fahafenoan’i Kristy, afaka mizara ny fahafenoana noraisiny amin’ny hafa. Vita ary nankatoavina ny fitantanam-bolan’ny FPMA taona 2007 sy 2008. Entanina ny Tafo mba hanaja ny fe-potoana handefasana ny adidy Foibe mba tsy hampiantona ny asa. Olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra ny kristiana, ary aoriny ho fiangonana mba hanao ny asany ety an-tany. Hahazoana manatanteraka izany dia namafisina tamin’ny ity Synoda ity ny tokony hananan’ny Tafo tsirairay avy na ny faritany Mpitandrina matihanina. Ankehitriny dia miisa ho dimy ireo tafo efa manana mpitandrina matihanina eto amin’ny FPMA (Paris, La Réunion, Grand-Champ, Marseille ary Toulouse). Ny VMMM (Vaomiera Mitrandraka ny momba ny Mpitandrina Matihanina) izay natsangana tamin’ny Synoda Lehibe faha-31 dia efa miasa ary vonona mandrakariva hanoro hevitra sy hanampy ny Tafo sy ny Faritany amin’ny fametrahana izany Mpitandrina Matihanina izany. Noho ny fandaminana vaovao eo amin’ny fe-potoana hisana eto amin’ny Foibe FPMA araka ny fanovana Fitsipika nolaniana dia nanapa-kevitra ny Synoda Lehibe fa halavaina herin-taona ny fe-potoana hiasan’ireo Birao Foibe sy ny Mpandini-bola ankehitriny, ary dia hasiana Synoda Lehibe tsy ara-potoana amin’ny taona 2009 hifidianana Birao Foibe mifanaraka amin’ny Fitsipika. 1. Birao Foibe : Filoha synodaly : Pasitera Andriamarohasina Ravalitera Jean Filoha mpanampy mpitandrina : Pasitera Théodore Randriamanantena Filoha mpanampy laika : Atoa Jean-Solo Rafidinarivo Mpitan-tsoratra : Atoa Tiana Radison Mpitahiry vola : Atoa Herintsoa Rasidimanana Mpandraharaha ny vola : Atoa François Ramialison Mpanolon-tsaina : Pasitera Seth Rasolondraibe 2. Mpandini-bola : Atoa Solo Rabarimanana Atoa Ramahatafandry Andrianavelasoa Koa rehefa avy namaritra ny làlan-kizorana ho amin’izao roa taona ho avy izao ny solon-tenanareo teto amin’ny Synoda dia manentana sy mampahery mba handalina sy hizotra ho amin’ny fahamatorana kristiana araka ny teny fanevan’ny faha-50 taona manao hoe: “Ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana nomeny”. Ary dia mitsodrano anareo mba hahefa be eo amin’ny asa fanompoana itaizana sy hampiorenana anareo ka “dia atsangana hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.” (1Pet.2:5) «Ary ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny mihoatra lavitra no izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amen. » Efesiana 3 :20-21. Dia manao veloma finaritra anareo izahay.
Amin’ny anaran’ny Synoda Lehibe faha-32 n’ny FPMA izay nivory teto amin’ny LES CYCLADES – 393, avenue de Melgueil - 34280 LA GRANDE MOTTE Alahady 02 novambra 2008 Amin’ny anaran’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Hafatra Pst Désiré ANDRIAMAMPIANINA |