A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga063.JPG

Firy

Il y a actuellement 26 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
90 taona, arahaba ry Ilay nosoavina... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ny gazety, Dinidiniky ny Mpinamana n°43 juillet-Août 1922, izay gazety voalohany nataon’ireo Malagasy miaramila izany na tsia tany Frantsa. Tamin’izany gazety izany no nahitana fa tamin’ny alahady 5 avril 1921 tao amin’ny Maison des missions, 102 boulevard Arago , Paris 14è no nivory ny fiaraha-mivavaka tao Paris sy ny tany Charenton ary ny avy any Vincennes izay tsy lavitra an’I Paris. Koa rehefa vita ny fanompoam-pivavahana izay notarihin’ Robinson, adjudant ary ny toriteny izay nentin’I M.Beaulieu, misionera miasa any Mahajanga

. Dia notapahin’nympiangona (karazan’ny ankatoky ny fandraisana izany) ny hevitra natolotr’i Ratsimba Rajaonary, dokotera, sy ny namany momba ny hanaovana fiangonana malagasy eto Paris sy Charenton. Dia nekena ny hikely aina mba hahavelona ireo fiangonana ireo. Nanatrika izany fotoana izany I Pasteur Bianquis, izay tonian’ny Maison des Missions tao amin’ny SMEP ( na ny MPF Mission protestante Française tany Madagasikara). Marihina fa ity Pasteur ity no mpiahy ireto Malagasy taty Frantsa tamin’izany fotoana izany.

Herintaona taty aoriana, izany hoe ny 8 janvier 1922, dia olona 7 no natao batisa voalohany tao  Paris, Chapelle ny SMEP, 102 boulevard Arago. Pasteur Bianquis no nantanterka izany .Ireto no anaran’izy ireo :

* Raberiaka,

* Rakoto Joseph,

* Manoël,

* Rabemolahy Armand,

* Ralama Daniel

* Rakotovao Georges

*  Marjoelina .

Koa isaorana ny Tompo Jesosy satria 90 taona lasa izay no efa niasany tamin’izany fiangonany izany. Marihina moa fa io no fototr’ireo fiangonana protestanta Malagasy rehetra ao Paris.

Miarahaba manokana ny FPMA Paris, ny FPMA Strasbourg ary ny FPMA Marseille izay nandova ny asan’izany Fiangonana izany mivantana.
Koa Arahaba r'ilay nosoavina ny TOmpo homba anareo. Mbola hitohy 90 taona vaovao ny nanirahan'ny Tompo anareo na dia maro aza ny sakana. Efa nomena maimaim-poana ianareo koa manomeza maimaimpoana ho an'ny hafa. Zarao ny fahasoavana nomen'ni Jesosy Kristy ho anareo.

Dia ho Azy irery ihany ny voninahitra ary ny fiadanany ho amintsika rehetra indrindra amin’izao fiandohan’ny taona izao.


D.ANDRIANARIVO
Jan.2012

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack