Publié le 1 avril 2011 par ankaramalaza
havana malala rehetra ao amin’ny Tompo,
‘Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny
fiadanana amin’ny fahalalana tsara
an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.’ (2
Pet. 1:2)
Izany fiarahaban’ny apostoly Petera ireo mpino Kristiana
tany Asia Minora fahizay izany, no entinay koa iarahabana anareo
mpiara-miasa rehetra mitsidika isam-potoana ity blaogy ity.
Nambaranay tao amin’ny ‘rindrina’ mialoha ity
(NY ZAVA-KENDRENA AMIN’NY JOBILY FAHA 70 TAONA –
Fandaminana samihafa), fa horaisinay an-tanan-droa izay rehetra
mety azonao handraisana anjara (notsindriana manokana
tamin’izany ireo hoenti-manana samihafa, na ara-pitaovana na
ara-bola) amin’ny fanatanterahana ireo ezaka maro
samihafa izay hanamarihana izao taon-Jobily izao.
Hahazoanao mandinika sy manapa-kevitra ny amin’izay
heverinao atolotra amin’izany ary, dia fifaliana ho anay ny
mandefa ny antsipiriany tsara ho fantatra ny amin’ireo
ezaka ireo. Endrika roa no entinay hampahafantarana anao izany : sary sy teti-bola samihafa. Manasa anao
hanokatra ireo ‘documents’ ireo.
Ireo sary vitsivitsy ireo dia maneho ny
‘Tsangambaton’ny Jobily’, trano vaovao natao
‘haharitra’ (‘en dur’), izay kasaintsika
haorina ao Ankaramalaza, ho solon’ny tranohazo miorina
manoloana ny trano Fiangonana ankehitriny, nisy ny toerana izay
nonenan’ny Raiamandrenintsika Mama Volahavana Germaine
mialoha ny nahalasanany tamin’ny Janoary 1998.
Anisan’ireo fotodrafitr’asa hajoro ho
vavolombelon’ny asa lehibe izay nataon’Andriamanitra,
ary mbola ataony sy tohizany, ao Ankaramalaza izany, ho an’ny
taranaka rehetra mifandimby amin’ny ho avy. Efitrano maromaro
no handrafitra ny trano izay hisy rihana iray : efitra lehibe iray
hatao ‘Musee’, efitra fivoriana vitsivitsy, ary
efitrano fandraisam-bahiny maromaro.
Ireo tabilao vitsivitsy izay nampiarahinay amin’ny sary
kosa dia maneho ny Teti-bola tandrify ireto
manaraka ireto :
- ireo
fanamboarana (‘Rehabilitation’) izay tokony
hotanterahintsika amin’ity taona ity, mba hahatomombana ny
fandraisana ny Fivoriana ao Ankaramalaza (26 Jolay – 2
Aogositra 2011), izay ho ivon’ny Jobily rahateo; tsindriana
manokana ny maha-zava-dehibe ny asa fanamboarana mba ialana
amin’ny fanaovana ‘investissement’ isan-taona
- ny trano
lehibe, ‘Tsangambaton’ny Jobily’, araka izay
nambara teo ambony
- ireo
hoenti-manana ny amin’ny hamoahana ireo mari-pahatsiarovana
samihafa (bloc-notes, sns.)
- ireo
fandaniana samihafa izay tsy maintsy hatrehintsika amin’ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny fankalazana izao Jobily
izao
Ho anao izay maniry hanolotra fitaovana mivantana, dia manasa
anao izahay hijery manokana ireo tabilao maneho izany
(‘Travaux de Rehabilitation’ sy
‘Tsangambaton’ny Jobily’).
Teny tsy zoviana amintsika Fifohazana intsony ny fananarana izay
nentin’ny apostoly Paoly namporisika ireo Kristiana fahizay
tany Efesosy, ao amin’ny Efesiana 5:14 : ‘Mifohaza
hianao izay matory, ary mitsangana amin’ny maty, dia
hampahazava anao Kristy’. Ao anatin’ny
kontekstan’ izany teny izany ihany no ilazany koa hoe :
‘Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana
izao’ (Efesiana 5:16).
Izao Taon-Jobily izao dia fotoana manokana tokoa azontsika
hanaovan-tsoa, hanohanana izao asa lehibe izay
naorin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny
Raiamandrenintsika Mama Volahavana Germaine izao; samy hanararaotra
anie isika, isam-batan’olona, isam-pianakaviana,
isam-tsampana ao amin’ny Fiangonana, isam-pikambanana
mpanohana an’Ankaramalaza, isan’andiam-panokanana ny
mpiandry, isam-piangonana, eny, isika rehetra izay mitonona ho
zanaky ny Fifohazana tsy ankanavaka, zanak’Ankaramalaza,
monina eto Madagasikara na any ivelany.
Anterina eto am-pamaranana ny Kaonty manokana any amin’ny
Banky, misokatra ho an’ny rehetra, azontsika handrotsahana ny
fanomezantsika ho amin’izao Jobily izao.
Compte bancaire: BMOI – Agence Siège
Antaninarenina
Intitulé: Tobilehibe Ankaramalaza -
Jobily faha-70 Taona
RIB: 00004 00001 07082000259 32
IBAN: MG46 0000 4000 0107 0820
0025 932
http://ankaramalaza.wordpress.com