|
Ho an’ny KRISTIANINA SY NY VAHOAKA MALAGASY
“Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny
firaisana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo” (Efez.4:3)
Mamangy sy miarahaba ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy tsy
an-kanavaka ny FFKM amin’izao Pentekosta 2011 izao.
Amin’ny maha-Mpaminany sy Raiamandreny azy, ny FFKM dia
miteny amin’ny Kristianina sy ny vahoaka malagasy mba
hampahatsiahy ny sitrapon’Andriamanitra eo ambany
fitarihan’ny Fanahy Masina.
Mahatsapa ary ny FFKM fa :
• Miha-potika ny fiaraha-monina sy ny
toe-karena; mahazo toerana ny fifandrafiana sy ny fisaratsarahana;
manjaka ny tsi-fahamarinana amin’ny endriny samihafa; mitombo
ny herisetra sy ny tsi-fandriampahalemana; tsy misy hasina intsony
ny ain’olombelona; miantraika eo amin’ny
fiainanan’ny isan-tokantrano sy ny vahoaka malagasy izany
rehetra izany. Mizotra mankamin’ny fahapotehana ny firenena.
Tsy hajain’ny maro intsony na dia ny didy
folon’Andriamanitra aza.
• Toa ataon’ny mpanao politika sasany
kilalao sy itadiavana tombon-tsoa ny fiainam-pirenena ka ny vahoaka
malagasy no mahita faisana.
Manoloana izany dia manambara amintsika ny FFKM fa:
1. Baikon’ny Tompo ho an’ny
olombelona rehetra sady asan’ny Fanahy Masina ny fibebahana
(Mk. 1:14-15; Jn. 16:8; Asa 3:19). Aoka ny tsirairay
handini-tena ka hijery izay tsy mety nataony sy mbola ataony eo
amin’ny fiainany sy ny fifandraisany amin’ny
mpira-belona eo anatrehan’Andriamanitra ary hamantatra ny
helony sy hiala amin’ny fahadisoany. Mahatsara ny
fifandraisan’ny mpiara-belona izany, no dingana mitondra ho
amin’ny fifamelan-keloka,
Ny Fiangonana tsirairay ihany koa dia entanina handini-tena sy
hibebaka, hiseho ho ohatra sy hitaiza ny zanany, ho sahy hanitsy sy
hiteny ary hitarika azy ireo hatrany ho any amin’ny
fiainam-pibebahana. Satria izany no lalana hitanay lalana hitanay
hitondra antsika hiaina ny fifamelan-keloka fototry ny
fampihavanana.
2. Manamora ny fifamelan-keloka amin’ny
samy olona ny fiaikena heloka amin’Andriamanitra (Mat
18:21-35). Mila mahatsiaro ho tompon’andraikitra
manoloana ny zava-miseho ny tsirairay. Miantso fifamelan-keloka eo
amin’ny ankohonana, eo amin’ny fiangonana, sy ny
fiaraha-monina ary ny Firenena ny FFKM .
Noho izany
1. Ny FFKM dia manentana sy manainga ny
fiangonana hitaiza ny olona rehetra ho amin’ny fahamarinana ,
ho fanandratana ny fanahy maha-olona.( (Sal 119: 160)
hiverenan’ny fiadanana indray.
2. Ny FFKM dia hanao ho vaindohan-draharaha ny
fanatanterahana ireo voalaza ireo eo anivon’ny
fiangonana sy ny fiaraha-monina
Eto am-pamaranana dia indraminay ny tenin’ny Apostoly Paoly
ao amin’ny Rom.12:2 izay mitaona antsika hihavao saina
sy fo tanteraka hahaizantsika mamantatra ny
sitrapon’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy
Masina.
Koa “meteza hovan’Andriamanitra isika” .
Izany teny izany indrindra no nofidin’ny FFKM ho teny
fanevan’ny Komity Foibe faha-34 sy ny Zaikabe faha-VII
izay hatao any Ambositra ny faha 21-25 Novambra 2011 ho avy izao.
Ho Pentekosta mitondra ny rivotry ny fihavaozana ho amin’ny
fiadanana ary mandrava ny efitry ny fisaratsarahana anie ity
Pentekosta 2011 ity.
Ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha anie hanafy hery sy hanolo-tsaina
ary hitarika antsika amin’ny marina rehetra
Natao teto Antananarivo androany faha 12 Jona 2011
Ireo Filoham-piangonana
Atoa Lala Haja RASENDRAHASINA,
Pastora Dr RAKOTO Endor Modeste
Mpitandrina (Filohan’ny
FJKM)
(Filohan’ny FLM)
Mgr Odon Marie Arsene RAZANAKOLONA
Mgr RANARIVELO Samoela Jaona
(Filohan’ny EKAR)
(Filohan’ny EEM)
|