A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga040.JPG

Firy

Il y a actuellement 21 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Salama . Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Salama

Asa izay nihavian'io teny io amin'ny fiteny malagasy. Fa raha ny amiko manokana dia misy ifandraisany amin'ny teny hebreo hoe "saloma" izy io ary anisan'izay azo anbdikana dia hoe fiadanana. Anisan'izay niarahaban'I Jesosy Kristy ny mpianany ao amin'ny Lio.24.38 : "fiadanana ho anareo". Izao tantara izao dia niseho taorian'ny nitsanganan'I jesosy Kristy tamin'ny maty.

Jesosy izay niresaka mivantana tamin'ireto vehivavy ary anisan'izany I Maria reniny ary Maria Magdalena, tamin'ireto mpianatra izay nolazaina fa nandeha tany Emaosy ka teo amin'ny fanampahana ny mofo no nahafantaran'izy ireo fa Jesosy hay ilay niaraka taminy. Tao koa ireo izay nihazakazaka tany amin'ny fasana ka tsy mba nandre na nireska tamin'I Jesosy fa tsy fasana foana no hitany toa an'I Petera. Izay niresaka tamin'ny Tompo dia samy nizara izany vaovao mahafaly izany teo amin'ny mpiara-miangona dia ny apostoly iraika ambinin'ny folo, ny mpiana ary ireo izay nomba an'I Jesosy. Ka teo amin' fiangonan'izy ireo no nilazan'izy roa lahy fa tena nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Tompo. Ary na dia Simona (olona tsy tena fantatra) aza dia nisehoany koa. Izany hoe karazan'olona telo no nisehoan'ny Tompo alohan'ny hiresahan'izy roalahy tamin'ireo olona izay niangona ireo. Lazaina amin'ny filazantsara hafa fa nidy an-trano ireto olona izay niangona ireto nohon'ny fahatahorany ny jiosy sy ny tompon'andraikitra teo aminy. Tao antin'izany tahotra izany ny Tompo no niseho ary dia manonona ny fiadanana ho amin'izy ireo. Raha amin'ny fiteny Malagasy dia azo lazaina hoe "salama tompoko". Ary dia natorony azy ireo mbaz ho tsapainy ny amin'ny tanany sy ny tongony izay nisian'ny dian'ny fantsika nanomboana Azy.

Faly ny mpianatra no sady talonjona manoloana ny zava-miseho. Izany fifaliana sy fahatalanjonana izany anefa dia saka ho an'izy ireo tsy hino an'I Jesosy Kristy (2.41). Betsaka koa no tratran'izany aamin'ny fiangonana, faly ny mifankahita n any "ambiance" no tena tadiaviana hany ka ny tena ivon'ny fandehanana any am-piangonana tsy azo akory. Io Fiadanana io no atolotry ny TOmpo ho an'izay manatona azy. Izany hoe io fiadanana io no nalaina tany am-piangonana ka entinao mody fa tsy ny fifaliana hihaona na hihira akory. Tsy msi yizay maharatsy izany kanefa koasa tszy ireo no laharam-pahamehana akory. Mpianatra efa voaomana satria ny vehivavy efa nohafaran'I Jesosy hilaza amin'izy ireto. Ireto roalahy nandeha tany Emaosy koa dia nijoro vavolombelona ny amin'ny fitsanganan'I Jesosy tamin'ny maty . Inona no nataon'ny Tompo: ny fizarana ny mata sy ny masaka tamin'izy ireto dia ny fihinana ny sakafo dia ny hazan-drano voatono izany. Fa ny lehibe indrindra dia ny fanokafany ny sain'izy ireo hahalala ny Soratra Masina ary ny fanafiana hery ho Azy ireo, dia ny Fanahy Masina izany, hitoeran'ny fiadanana na inona miseho na inona hidona. Tsapa tokoa fa mpanompo ireto mpianatra ireto ka ny Tompo no mamoky ary manome hery azy ireo.

Izany no niseho tany Jerosalema, izay tsy hafa fa tananan'ny fiadanana ihany koa. Fa tany Madagasikara, inona no niseho ? Maria far aha ny soratra nataon'ireo mpikaroka dia teo amin'ny ny taona 1635 teo ho eo no tonga tany Madagasikara ny misionera Kristiana Lazarista (frantsay ny ankamaroany) ary tany Fort Dauphin izy ireo no niasa. Nitory ny filazantsara izy ireo saingy novonoin'ny Tompontany daholo afa-tsy roa na telo angamba no afaka nody. Naharitra roapolo taona mahery izany asa fitoriana ny filazantsara izany. Nandalo ny iraka voalohany fa tsy nandray izany ny Malagasy.

Manodidina ny taona 1820 tany ho any no tonga indray ny iraka faharoa (ireto lazaina fa anglisy na gallois) izay avy tany fikambanan'ny iraka avy tany Londres any angletera izany. Tamin'izany fotoana izany dia niezaka ity mpanjaka izay nadimby ny rainy izay nantsoina hoe Ramboasalama (na Andrimanampoinimerina). Nalaza tamin'ny fampiraisana ny Malagasy ity Ramboasalama ity ; Fantsaika ny faneva hoe : ny ranomasina no valam-parihiko". Fata-daza koa izy ity tamin'ny lamin'asa ary ny fitantanana. Nasehony tamin'ny alalan'ny kabary izany ohatra. Ny zanany izay lazain'ny mpanoratra maro fa, raha sendra hijery izay handimby azy Ramboasalama, dia nanitona ny sainy ny safidin'ity zanany iray ity izay tsy vola aman-karena no noraisiny fa nifidy ny tany izay nisy tao an-tokantranon'ny raimamandreniny ho fananany. Ary dia izy no nofidin'ny rainy handimby azy : Radama no anarany.

Toe-javatra roa no manintona ny saina dia ny hoe eo am-pampiraisana ny Malagasy ho fanjakana tokana Ramboasalama izay n odimbiasan'I Radama no tonga ireto iraka. Ny faharoa indray dia ny anaran'ireto mpanjaka mifandimby : Ramboasalama izay azo adika koa hoe : voa + salama : voa miteraka fiadanana. Misy moa mandika izany toy ny hoe ' amboa salama". Io voa salama tamin'ny mpanjaka io no tiany honina ary hipetraka eto Madagasikara. Marihina fa teny tokana no niresahana tamin'izany fotoana izany. Manarak'izany koa dia ny nahazoan'ity mpandimby an'I Ramboasalama ny anarana hoe Radama : izay azo raisina koa hoe anaran'ilay olona voalohany tao amin'ny saha Edena. Nazoto nianatra ity Radama. Lazain'ireo mpanoratra maro fa sady nahay teny frantsay no niteny anglisy koa izy. Liana tamin'ny fampianarana izy mba ahazoan'ny vahoakany miasa ary manatsara ny farim-pianainany.

Koa izany fampianarana izany no nentin'ity fikambana ity niresaka tamin'I Radama. Mba hahazoan'I Radama fitaovam-piadiana ho entina mandresy ireo mpanjaka maro teto Madagasikara, dia nivarotra andevo tamin'ny vazaha Radama. Ny tanjon'ireto misionera anefa dia ny fanamparitahana ny filazantsara. Koa dia olona efa vonona ny hihaino no novantanin'ireto misionera ireto taty Madagasikara. Efa nomanin'I Jesosy Radama talohan'ny nahatongavan'ireto Misionera. Tsy tongatonga ho azy ny anarana hoe Ramboasalama na Radama fa anarana ao amin'ny testamenta taloha raha ny baiboly jiosy na kristiana no jerena. Efa nananan'ny Malagasy ny teny ahazoana mandika ny baiboly indrindra fa ny finoany fa misy Zanahary, izay ambony indrindra namorona izao tontolo izao. Tsy misy ampitahain'ny Malagasy amin'izy io. Tsy nanery ny Malagasy ho kristiana Radama fa ny fampianarana kosa dia narahiny akaiky. Tsy nanery ny Malagasy ho kristiana ny misionery fa tonga an-tsitrapo tamin'izany izy ireo. Te-hahalala ny soratra Masina satria sokafan' I Zanahary Andriamanitra ny sain'ny malagasy. Ny hiran'ireto misionery dia tena nanintona azy ireo nohon'ny fitiavany ny hira.

Marihina fa tsy nanangana fiangonana ny misionery fa nandritry ny fanenjehana tamin'ny andron'I Ranavalona no nitsangana ny fia goanana malagasy . Io fiangonana io dia nohamafisin'ny fifohazam-panahy tao Soatanàna tamin'ny alalan'i Dada Rainisoalambo (1895) talohan'ny fanjanahantany. Nahazo fiadanana nahazoan'ny malagasy, tamin'ny alalan'ireo iraka niely-patrana teto amin'ny firenena, ahazoany miatrika izany. Mariky ny fiadanana azondry zareo ny hirany lazaina hoe zafindraony, ny fomba fivavahana mifantoka amin'ny baiboly irery ihany. Miverina izany amin'izao fotoana sarotra iainan'ny malagasy izao satria tsy misy fiadanana raha tsy eo amin'i Jesosy irery ihany.

D.ANDRIANARIVO, pasteur

FPMA DIJON
Aprily 2012

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack