|
HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY
FILOHAN’NY FPMA
NOHO NY PASKA 2011
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny
fiadanana avy amin’I Jesoa Kristy, Ilay Vavolombelona
mahatoky, Ilay Zanaka Lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona
avy tamin’ny maty, ary Ilay Filohan’ny mpanjaka
amin’ny tany.
Hafatra faharoa ampitaiko aminareo ity, ry
havana, taorian’ny Synoda Lehibe nataontsika tany La Rochette
tamin’ny volana novambra lasa teo. Ao anatin’ny
vanim-potoana fanamafisana orina isika FPMA ankehitriny.
Miroso isika amin’ny fanatsarana ny
Fitsipika Anatiny sy ny Lalàna fototra (Statuts) mifehy ny
FPMA. Misaotra sy mankasitraka ireo manam-pahaizana manokana
(Experts) sy ireo olom-boafidy nirahin’ny Faritany
(Commission Ad hoc) miasa tsy tapaka mandrafitra izany mba
hotapahin’ny Synoda Lehibe manaraka ho raikitra. Kanefa, tsy
ny lalàna sy ny Fitsipika no zava-dehibe, fa ny Fanahy
enti-miatrika izany. «Tsy misy nofo hohamarinina
amin’ny lalàna eo anatrehan’Andriamanitra ;
fa ny lalàna ino ahazoana ny fahalalana marina ny
amin’ny ota», hoy ny apostoly Paoly (Romanina 3, 20).
Hanampy antsika hiorina tsara ireo, fa ambony kokoa ny
fiainam-panahy sy ny fiorenan’ny finoantsika amin’i
Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.
Andriamanitra velona no tompointsika sy
inoantsika, fa tsy Andriamanitra maty. Hoy ny hafatry ny apostoly,
hoe : «Raha tsy nitsangana velona i Kristy dia tsy misy
fotony izay torinay, ary tsy misy fotony izay inoanareo.» I
Kôrintianina 15, 14. Moa tsaroantsika FPMA eo amin’ny
fiainan’ny Tafo tsirairay, ny Faritany tsirairay, ny Foibe ve
izany ? Betsaka ny zava-manahirana atrehintsika, kanefa matoky sy
manana fanantenana isika fa tsy maintsy ho mpandresy, noho Ilay
Tompontsika efa Mpandresy talohantsika. «Amin’izany
rehetra izany anefa, dia efa mpandresy tanteraka isika
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.» Romanina 8, 37.
Manainga mandrakariva sy mampahery anareo àry izahay, mba
tsy ho kivy sy hifanilika andraikitra, na hifampitsaratsara foana,
fa tsy hohamaivanintsika kosa ny fiainam-panahy, ny fianam-bavaka,
ny fiombonana sy fifikirana amin’ny fandalinana ny
Tenin’Andriamanitra. Atreho, araka izay azo atao, ny
fiofanana atolotray Birao Foibe, sy ny Soritrasam-piangonana (SAP)
ary ny Projet Laïc ho antsika.
Mampahatsiaro anareo sy mampiomana
amin’ireo Fotoan-dehibe iraisantsika vahoakan’ny FPMA
amin’ity taona ity : Ny Isantaonan’ny Sampana Tily
hatao any Parigne l’Eveque ny 30 aprily-01 mey, ny
Fiofanan’ny Filoha sy ny Mpitahiry vola hatao eto Paris ny 21
mey, ny Fihaonamben’ny Sampana Sekoly Alahady hatao any
Mejannes-le-Clap ny 02-04 jona, ny Fihaonamben’ny Sampana
Tanora Kristiana (STK) hatao any Strasbourg ny 01-04 jolay, ny
Isantaonan’ny Sampana Fifohazana ny 06-14 jolay, ny Zaikabe
nasionaly hatao any Rouen ny 29-30-31 oktobra.
Manonona ny Fiadanan’ny Tompontsika
Jesoa Kristy ho aminareo tsirairay avy ary mitsodrano anareo
rehetra samy hanao Paska sambatra. «Andriamanitra diia efa
nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny
fahafatesana,i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny
ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana
mandrakizay. Andriamanitra Loharanon’ny fiadanana anie
hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra
hahatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika
amin’ny alalan’I Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho
an’I Jesoa kristy anie ny voninahitra mandrakizay
mandrakizay! Amena.» Hebreo 13, 20-
Ny Filohan’ny FPMA
Rev.Dr Jean A. RAVALITERA
Paris, 31 mars 2011
|