A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga037.JPG

Firy

Il y a actuellement 24 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Tonga Soa May 2010 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy, nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana . Heb11.24-25
Ny epistily ho an’ny hebreo dia anisan’ireo taratasy noraisina ho anisan’ity atao hoe testamenta na fanekena vaovao ity. Anisan’ny mampiavaka azy amin’ireo hafa dia izy nosoratana ho an’ny hebreo izay tsy hafa fa ireo jiosy izay niova ho kristiana.
Aza hadinoina fa ireto hebreo ireto dia efa nahazo izay lazaina hoe fanekena taloha dia ny Testamenta taloha izany. Izay nosoratana tamin’ny tenin’izy ireo ihany kanefa moa dia nadika tamin’ny teny grika izay notenin’iny maro tamin’izy ireo fony ny firenen’i Jodia lasa babo tany Egypta tamin’ny taona 320 talohan’i Kristy.

Io dika teny io no lazaina hoe Septanta. Teo no azo lazaina fa hay ity tenin’andrimanitra ity dia azo adika ho amin’ny fiteny hafa ary dia izao izy nadika amin’ny teny malagasy izao.

Tany Egypta i Mosesy no nandray fanampahankevitra, arak’izay finoana nanany, fa nandà ny fifaliana tsy maharitry ny fahotana izy . Naleony niara-nijaly tamin’ireto olon’andrimanitra izay tsy hafa fa ireo iray foko aminy dia ireo izay nahazo ny teny fikasan’Andriamanitra. Nanana safidy i Mosesy na ny voninahitra teo amin’i Farao na ny teny fikasana natolontr’andrimanitra azy. Samy nisy akony teo amin’ny fiainany izy roa ireo. Izay maharitra ka nanome azy ny fiadananm-po no no noraisiny dia ny fandavana ny fifaliana na ny fiadanana tsy maharitra arahim-pahotana.Betsaka tokoa ireo izay milaza fa olon’Andriamanitra kanefa mbola miaina amin’ny fifaliana vetivety (tsy maharitra) amin’ny fahotana. Hany ka tsy manana ny fiadanam-po izy ireo. Ao ny mpitondra fivavahana, ny mpitondra firenena, raiamandreny, zokiolona sy ny hafa rehetra. Ny finoana dia manome toky anao fa Jesosy Kristy izay maty ho anao dia hanome anao fiainana be dia be. Izao taratsy ho an’ny hebreo izao dia milaza ny fahatanterahan’ny teny fikasana voalohany izay nomen’’i Jehovah Andriamanitra ho an’ireto olony tamin’ny alalan’i Mosesy ka tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy izany.

Izany teny izany koa no irina ho antsika malagasy na ny any antanindrazana na izay aty ampielezana. Tsy miafina amintsika izay miseho any Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mila mivavaka isika mba hisian’ny fiadanana (paix) any Madagasikara.

Toy izany koa isika aty Frantsa, indrindra fa isika eto amin’ny FPMA,mila vavaka mba handehan’ny asa sy ny firahalahiana feno ka tsy hisian’ny fitsitikotokoana na ny fisarasarahana.

Aza hadinoina ny Choralie izay ho tanterahina any Nancy amin’ny 13 ka hatramin’ny 16 may 2010 izao. Izay hisian’ny Antsampanahy lehibe izay hatao ao amin’ny katedralin’ny Nancy amin’ny 15 may 2010 izao amin’ny 8

ora hariva.

Raha ny eto amin’ny FPMA Dijon, dian aza hadinoina fa ny FPMA Dijon izao no mandrindra ny Faritany avaratra antsinana eto amin’ny FPMA.

Raha mandalo eto Dijon ianao dia aza misalasala ny mivily sy mamangy.

 

Aza mandalo tanàna misy havana e !

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack