A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga045.JPG

Firy

Il y a actuellement 23 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Maty ka velona ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Alahady faha efatra amin’izay ataontsika hoe karemy isika izao. Izany hoe ilay 40 andro mialoha ny paska (Alakamisy Masina izany). Ny fiankaran’i Jesosy mankany Jerosalema no jerena amin’izany. Koa ny teny rehetra izay hodinihintsika mandritr’izany karemy izany dia jerena arak’izany hoe Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny famonjena antsika. Io Jesrosalema io no tany Kanana izay ampanantenanaina antsika. Mialoha ny ahatongavana any anefa dia sarotra ny lalàna ary maro koa ireo zava-mitranga. An’isan’izany izy teny ialy lazaina amintsika anio ity :ao ny maty nefa velona indray ary ao koa ny very nefa hita indray . Lio 15.32

Ny lioka faha 15

dia tantara efa mahazatra antsika loatra satria milaza momba ny fanjakan’Andriamanitra. Ka ao antin’izany fanjakana izany anefa dia misy ireo izay atao hoe “voaantso” ary ao koa ireo izay atao hoe “voafidy”. Ao izay antsointsika hoe ny – momba an’ilay olona nanana ireo ondry zato ka ondry very ny anankiray amin’izany (4-7), - ilay vehivavy nanakiray izay nanana farantsa (vola izany) 10 ary dia very , tsy hita ny farantsa anankiray (8-10) ary ity lehilahy nana zanaka roa ka ny iray lasa andeha rehefa avy nagataka ny fananay (ilay zanaka adala) (11-32).

Raha ny terehi-marika dia tsotra : ny voalohany , nilaozany ny ondry 99 mba ahazoany mitady ny ondry tokana izay very, ny faharoa, navelany ny faratsa 9 hitadiavany an’ity farantsa iray izay very. Ary eto amin’ity tantara izay jerentsika ity ny rainy dia tsy nitady azy fa ilay zaza no nanapa-kevitra niverina ka tazan’ilay rainy , izay efa niomana koa ny handray azy, tery lavitra ery..

Tamin’ny andaniny ny mpamory hetra sy ny mpanota izay nanatona ary nihaino an’i jesosy ary ny fariseo ary ny mpanoradalana izay nimonomonona ankilany satria niara-nihinana tamin’izy ireo i Jesosy. Misy andaniny roa izay azo lazaina, raha ny fivavahana jiosy no jerena,dia ao ny atao hoe “marina” na ny mpanaraka ny lalàna dia ireo farany ireto. Fa ao kosa izay heverina fa ao kosa ny mpanota. Koa raha ampiharina tsotra amin’izao teny novakiantsika anio izao dia toa milaza fa ireto Mpanoradalana sy Fariseo ireto dia asehon’ity zanaka faharoa izay nijanona teo amin’ny Rainy ihany; Ary ila zanaka voalohany izay heverina fa mpanota kanefa nanenina tamin’izay nataony dia ireto Mpamory hetra ary ny mpanota ireto izay marihina fa niaraha- nihinana tamin’i Jesosy.

Fa nahoana no nifarana tamin’ny fiarah-misakafo izao resaka izao ? Anisan’ny valiny azo entina dia ny hoe ny fanatonana ary ny fihainoana an’i Jesosy. Nisy resaka tao, nisy hafatra tao ary dia ireo hafatra sy resaka ireo no niasa tao amin’ireto izay noheverina ho mpanota ka niaraka nisakafo tamin’i Jesosy.

Raha mamaky ny fihetsikin’ny Mpanoradalana sy ny Fariseo isika : ity lehilahy Ity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. Dia milaza amintsika fa manome toerana ho an’i Jesosy ihany izy ireo. “Mandray ny mpanota” dia midika fa hoe olona manana ny toerany tokoa Jesosy eny na dia tsy eken’izy ireo ho Andriamanitra Aza.

Ray nanana zanaka roa

Raha jerena indray ity momba an’ity Ray izay nanana zanaka roa indray isika dia mahita fa ilay Ray izay lazaina eto dia miandry an’ity zanany izay heverina fa lasa ity. Matetika isika rehefa mijery an’ity tantara ity dia milaza na miantso izany hoe ny fanoharana Zanaka adala. Izany rahateo koa moa no lohateny, na ny tsindrimandry izay omen’ny baiboly izay matetika ampiasaintsika. Samy azo raisina daholo izy telo dia ny ray , ny zanaka lasa ary ny zanaka nijanona.

Raha jerena fohy ny amin’izy mirahalahy ireto, dia tena misy itoviazany ihany. Manolona an’ity rainy ity dia samihafa ny toetrany

* fa ny iray lasa nadeha rahefa avy angataka ny lovany.

* ary ny iray kosa nijanona teo amin’ny rainy ihany

Ny mapitovy azy indray dia izy roalahy samy nijery akaiky izay mety ho fananany mihoatra amin’ny lova mety ho azy mba hanaovany izay tiany hatao. Ao ny mandeha manao fiainana, ao kosa indray ny mifaly miaraka amin’ny sakaizany

Fa amin’ity anio ity isika dia ny momba an’ilay Ray izay tsy nitsahatra, araky ny tantara, mapiseho ny fitiavany an’ireto zanany ireto. Tsy araka ny fahamendrehana satria :

* ilay zandriny raha nahatsiaro fa tsy mendrika ny ho zanany intsony dia mbola noraisiny tahaka izany. Eny mihoatra aza.

* Ilay zokiny kosa raha nilaza tamin’ity zokiny hoe izay ahy dia anao

Ray vonona ny handray ny zanany nanenina nohon’ny toetrany hany ka tsy navelany hamita ny teniny fa tonga dia nifaly. Ray miandry izay manatona azy. Ray izay tsy mizaha tavan’olona fa mandray azy amim-pitiavana. Izay manatona ahy tsy mba holaviko mihintsy.

Ray mitady ny Azy

Raha jerena ireo fanoharana roa mialoha an’ity fanoharana momba an’ity ataontsika hoe zanaka adala ity. Dia mahita isika fa amin’ireo fanoharana ireo dia ilay tompony no mandeha mitady ny very. Toy izany koa izay hitantsika tamin’ny tantara Jos.5.10 –12. Tantara izay niseho tamin’ny andro Paska.

Ahitantsika ny tantaran’ny Zanak’Isiraely izay Andriamanitra, ny Ray, no nitady azy avy tany Egypta ka nitondra azy ireo ho any amin’ny tany Kanana. Ny tantara eto dia ahitantsika fa maro tamin’ireo izay nivoaka na novonjena avy tany Egypta no sisa velona eto. Eny fa na dia ilay Mosesy aza dia nosoloan’i Josoa. Efa akainy ho tonga ny ZI eto satria . tahaka ny Ray izay namela ny heloky ny zanany nandeha niala teo aminy kanefa niverina indray no nitenenan’i Jehovah tamin’i josoa hoe : androany no nanakodiavako ny fandatsan’i Egypta ho afaka aminareo. Jos5.9 izay hazavan’i Levita 18.3 hoe : Aza manao araky ny fanaon’ny tany Egypta, izay noenanareo; ary aza manao araky ny fanaon’ny tany Kanana izay hidiranareo fa ny didiko sy ny lalako no tandremo. Vita hatreto ny mana tany an’efitra satria tonga ny zanak’Isiraely. Mihinana ny vokatry ny tany izy ireo no sady miverina mankalaza ny fety Paska. Tahaka ny zaza very tany Egypta tokoa mantsy ireto ZI ireto ka mila averina any amin’ny tanin’ny rainy dia ilay Kanana. Azo raisina fa tahaka ny very izy ireto no hita

Ho mariky ny fifaliana , na

* ny voalohany dia ilay Ray niandry ny zanany izay nandany ny hareny tamin’ny hadalana izay efa noheverina fa efa maty kanefa velona indray

* na ny faharoa dia ny ZI izay very tany Egypta kanefa hita indray

Ny Ray dia nanao sakafo lehibe na amin’ny alalan’ny fiantsoana ny havana amantsakaiza izany na koa amin’ny alalan’ny fety Paska.

Tsy miova Jehovah ary mahatoky Izy amin’ny teny sy ny fampanantenany. Miandry anao koa izy ary te –hanao fety nohon’ny aminao. Satria ianao efa maty fa velona indray ary efa very fa hita indray. Amena

D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
14 marsa 2010

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack