|
Alahady faha efatra amin’izay
ataontsika hoe karemy isika izao. Izany hoe ilay 40 andro mialoha
ny paska (Alakamisy Masina izany). Ny fiankaran’i Jesosy
mankany Jerosalema no jerena amin’izany. Koa ny teny rehetra
izay hodinihintsika mandritr’izany karemy izany dia jerena
arak’izany hoe Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny
famonjena antsika. Io Jesrosalema io no tany Kanana izay
ampanantenanaina antsika. Mialoha ny ahatongavana any anefa dia
sarotra ny lalàna ary maro koa ireo zava-mitranga.
An’isan’izany izy teny ialy lazaina amintsika anio ity
:ao ny maty nefa velona indray ary ao koa ny very nefa hita
indray . Lio 15.32
Ny lioka faha 15
dia tantara efa mahazatra antsika loatra
satria milaza momba ny fanjakan’Andriamanitra. Ka ao
antin’izany fanjakana izany anefa dia misy ireo izay atao hoe
“voaantso” ary ao koa ireo izay atao hoe
“voafidy”. Ao izay antsointsika hoe ny – momba
an’ilay olona nanana ireo ondry zato ka ondry very ny
anankiray amin’izany (4-7), - ilay vehivavy nanakiray izay
nanana farantsa (vola izany) 10 ary dia very , tsy hita ny farantsa
anankiray (8-10) ary ity lehilahy nana zanaka roa ka ny iray lasa
andeha rehefa avy nagataka ny fananay (ilay zanaka adala)
(11-32).
Raha ny terehi-marika dia tsotra : ny
voalohany , nilaozany ny ondry 99 mba ahazoany mitady ny ondry
tokana izay very, ny faharoa, navelany ny faratsa 9 hitadiavany
an’ity farantsa iray izay very. Ary eto amin’ity
tantara izay jerentsika ity ny rainy dia tsy nitady azy fa ilay
zaza no nanapa-kevitra niverina ka tazan’ilay rainy , izay
efa niomana koa ny handray azy, tery lavitra ery..
Tamin’ny andaniny ny mpamory hetra
sy ny mpanota izay nanatona ary nihaino an’i jesosy ary ny
fariseo ary ny mpanoradalana izay nimonomonona ankilany satria
niara-nihinana tamin’izy ireo i Jesosy. Misy andaniny roa
izay azo lazaina, raha ny fivavahana jiosy no jerena,dia ao ny atao
hoe “marina” na ny mpanaraka ny lalàna dia ireo
farany ireto. Fa ao kosa izay heverina fa ao kosa ny mpanota. Koa
raha ampiharina tsotra amin’izao teny novakiantsika anio izao
dia toa milaza fa ireto Mpanoradalana sy Fariseo ireto dia
asehon’ity zanaka faharoa izay nijanona teo amin’ny
Rainy ihany; Ary ila zanaka voalohany izay heverina fa mpanota
kanefa nanenina tamin’izay nataony dia ireto Mpamory hetra
ary ny mpanota ireto izay marihina fa niaraha- nihinana
tamin’i Jesosy.
Fa nahoana no nifarana tamin’ny
fiarah-misakafo izao resaka izao ? Anisan’ny valiny azo
entina dia ny hoe ny fanatonana ary ny fihainoana an’i
Jesosy. Nisy resaka tao, nisy hafatra tao ary dia ireo hafatra sy
resaka ireo no niasa tao amin’ireto izay noheverina ho
mpanota ka niaraka nisakafo tamin’i Jesosy.
Raha mamaky ny fihetsikin’ny
Mpanoradalana sy ny Fariseo isika : ity lehilahy Ity mandray ny
mpanota ka miara-mihinana aminy. Dia milaza amintsika fa manome
toerana ho an’i Jesosy ihany izy ireo. “Mandray ny
mpanota” dia midika fa hoe olona manana ny toerany tokoa
Jesosy eny na dia tsy eken’izy ireo ho Andriamanitra Aza.
Ray nanana zanaka roa
Raha jerena indray ity momba an’ity
Ray izay nanana zanaka roa indray isika dia mahita fa ilay Ray izay
lazaina eto dia miandry an’ity zanany izay heverina fa lasa
ity. Matetika isika rehefa mijery an’ity tantara ity dia
milaza na miantso izany hoe ny fanoharana Zanaka adala. Izany
rahateo koa moa no lohateny, na ny tsindrimandry izay omen’ny
baiboly izay matetika ampiasaintsika. Samy azo raisina daholo izy
telo dia ny ray , ny zanaka lasa ary ny zanaka nijanona.
Raha jerena fohy ny amin’izy
mirahalahy ireto, dia tena misy itoviazany ihany. Manolona
an’ity rainy ity dia samihafa ny toetrany
* fa ny iray lasa nadeha rahefa avy
angataka ny lovany.
* ary ny iray kosa nijanona teo
amin’ny rainy ihany
Ny mapitovy azy indray dia izy roalahy
samy nijery akaiky izay mety ho fananany mihoatra amin’ny
lova mety ho azy mba hanaovany izay tiany hatao. Ao ny mandeha
manao fiainana, ao kosa indray ny mifaly miaraka amin’ny
sakaizany
Fa amin’ity anio ity isika dia ny
momba an’ilay Ray izay tsy nitsahatra, araky ny tantara,
mapiseho ny fitiavany an’ireto zanany ireto. Tsy araka ny
fahamendrehana satria :
* ilay zandriny raha nahatsiaro fa tsy
mendrika ny ho zanany intsony dia mbola noraisiny tahaka izany. Eny
mihoatra aza.
* Ilay zokiny kosa raha nilaza
tamin’ity zokiny hoe izay ahy dia anao
Ray vonona ny handray ny zanany nanenina
nohon’ny toetrany hany ka tsy navelany hamita ny teniny fa
tonga dia nifaly. Ray miandry izay manatona azy. Ray izay tsy
mizaha tavan’olona fa mandray azy amim-pitiavana. Izay
manatona ahy tsy mba holaviko mihintsy.
Ray mitady ny Azy
Raha jerena ireo fanoharana roa mialoha
an’ity fanoharana momba an’ity ataontsika hoe zanaka
adala ity. Dia mahita isika fa amin’ireo fanoharana ireo dia
ilay tompony no mandeha mitady ny very. Toy izany koa izay
hitantsika tamin’ny tantara Jos.5.10 –12. Tantara izay
niseho tamin’ny andro Paska.
Ahitantsika ny tantaran’ny
Zanak’Isiraely izay Andriamanitra, ny Ray, no nitady azy avy
tany Egypta ka nitondra azy ireo ho any amin’ny tany Kanana.
Ny tantara eto dia ahitantsika fa maro tamin’ireo izay
nivoaka na novonjena avy tany Egypta no sisa velona eto. Eny fa na
dia ilay Mosesy aza dia nosoloan’i Josoa. Efa akainy ho tonga
ny ZI eto satria . tahaka ny Ray izay namela ny heloky ny zanany
nandeha niala teo aminy kanefa niverina indray no nitenenan’i
Jehovah tamin’i josoa hoe : androany no nanakodiavako ny
fandatsan’i Egypta ho afaka aminareo. Jos5.9 izay
hazavan’i Levita 18.3 hoe : Aza manao araky ny
fanaon’ny tany Egypta, izay noenanareo; ary aza manao araky
ny fanaon’ny tany Kanana izay hidiranareo fa ny didiko sy ny
lalako no tandremo. Vita hatreto ny mana tany an’efitra
satria tonga ny zanak’Isiraely. Mihinana ny vokatry ny tany
izy ireo no sady miverina mankalaza ny fety Paska. Tahaka ny zaza
very tany Egypta tokoa mantsy ireto ZI ireto ka mila averina any
amin’ny tanin’ny rainy dia ilay Kanana. Azo raisina fa
tahaka ny very izy ireto no hita
Ho mariky ny fifaliana , na
* ny voalohany dia ilay Ray niandry ny
zanany izay nandany ny hareny tamin’ny hadalana izay efa
noheverina fa efa maty kanefa velona indray
* na ny faharoa dia ny ZI izay very tany
Egypta kanefa hita indray
Ny Ray dia nanao sakafo lehibe na
amin’ny alalan’ny fiantsoana ny havana amantsakaiza
izany na koa amin’ny alalan’ny fety Paska.
Tsy miova Jehovah ary mahatoky Izy
amin’ny teny sy ny fampanantenany. Miandry anao koa izy ary
te –hanao fety nohon’ny aminao. Satria ianao efa maty
fa velona indray ary efa very fa hita indray. Amena
D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
14 marsa 2010
|