|
pasitera
|
..ity no zanako voafidiko; Izy no
henoy.... Lio 9.35
Tafiditra amin’ny vanimpotoana fiomanana ny paska isika izao.
Koa tahaka ny niomanan’i Jesosy 40 andro sy 40 alina tany
an’efitra izay niafara tamin’ny fakan’ny devoly
(mpampisaraka) Azy no mba iomanatsika kristiana koa ho
amin’izany paska izany. Izany karemy izany dia tsy fety
katolika ihany akory fa an’ny kristiana rehetra.
Tamin’ny taonjato faha 4 nanodidina ny fivoriana tany
laodikia (381 ?) no namaritana azy. Ny protestanta dia tsy nanova
izany fa kosa ny teny izay toriny dia nataony mba hifantoka bebe
kokoa ny amin’izany paska izany. Ary satria Jesosy,tsy
nisotro na nihinana tany an’efitra dia lasa fotoana
fifadian-kanina ny karemy.
Tamin’ny heriny ny filazantsara izay novakiana dia milaza
indrindra ny amin’ny fakampanahy nahazo an’i Jesosy
rehefa nifarana izany fotoana nisitahany tany an’efitra
izany. Fantatry ny devoly na satana tokoa fa misy ireo fahalemena
eo amin’ny olombelona toy ny sakafo, ny fahefana ary ny
voninahitra. Tamin’izany no nahitana ny fandresen’i
Jesosy ny devoly tamin’ny fampiasana ny
Tenin’andrimanitra.
Amin’ity anio ity izay alahady faharoa amin’izany
karemy izany dia toe-javatra hafa indray no hitantsika. Toe-javatra
izay mifantoka amin’ny teny hoe : Ity no zanako voafidiko,
izy no henoy (Lio 9.35). Feo izay henon’i Petera, Jakoba ary
Jaona. Olona efa fantatsika saria efa hitantsika tao amin’ny
Lio 5.10 izy ireo. Tamin’izany dia nolazaina fa i Jakoba sy
Jaona dia zanak’i Zebedio ary izy 3 lahy ireto dia mpanjono.
Raha tsy handeha lavitra isika fa hiala eo amin’ny Lio 9.18
ohatra dia mahita an’i Jesosy mivavaka izay mbola hitantsika
koa eo amin’ny and.23.
Eto ny Tompo no manao karazan’ny "sondage/contrôle"
kely amin’ireto mpianatra :
* ataon’olona ho iza moa aho ? (18). Jaona Mpanao batisa,
Elia, anakiray amin’ny mpaminany
* Fa hianareo kosa manao ahy ho iza ? : Petera :
Kristin’Andriamanitra, ilay voahosotr’Atra Nanaiky i
Petera fa Kristy tokoa Jesosy.
Teo Jesosy no nilaza voalohany fa tsy maintsy hiaritra zava-tra
mafy izy alohan’ny hahafatesany ary ny hitsanganany
amin’ny maty. Nandrara ny tsy hilazalaza izany amin’ny
olona izy (21). Nolazainy koa ny toetry ny olona izay ta-hanaraka
Azy : handa ny tenanany, hitondra ny hazo fiajaliany
isan’andro ka hanaraka Azy. Aorian’izao tantara izao
kosa dia mahita isika an’i Jesosy namoaka an’ilay
fanahy maloto izay tsy afaky ny mpianatra (40) tao anatin’ity
zazalahy tokan’ny rainy ity. Izany tantara izany moa dia
miafara amin’ny filazan’i Jesosy fanindroany ny
amin’ny ahafatesany ary ny hitsanganany amin’ny maty.
Koa eo anelanelan’ny filazan’i Jesosy ny hahafatesany
ary ny hitsanganan’ny tenany amin’ny maty izao no
isehoan’izao toe-javatra izao. Jesosy handeha hivavaka any
an-tendrombohitra. Nentiny niaraka taminy i Petera, Jakoba ary
Jaona. Teo ampivavahana izy no niova ny tarehiny, ary ny fitafiany
dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. Ary indreo nisy roalahy
niresaka taminy dia i Mosesy sy Elia izay niseho tam-boninahitra ka
nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. Rahefa avy
taitra tamin’ny torimasony i Petera sy ny namany no nahita ny
voninahitr’i Jesosy sy ny namany..... Ary nisy feo avy any
amin’ny rahona nanao hoe Ity no zanako voafidiko, Izy
nohenoy. Ary dia nangina ireo ka tsy nilaza tamin’olona ny
amin’ny zavatra hitany..
Inona no zavata hita ? Ny voninahitr’i Jesosy sy ny namany.
Fa iza i Jesosy ary iza ireto namany no manana voninahitra Raha
ireto namany no anombohana azy ohatra :
Mosesy : olona nalaza tokoa teo amin’ny Testamenta
Taloha, Ilay olona nalaina tao anatin’ny rano tany Egypta.
Nofidin’andriamanitra izy mba hitarika ny
zanak’Isiraely ka hampamoaka azy ireo tamin’ny
fandevozana nahazo azy ireo tany Egypta. Nihaona mivantana
tamin’Andriamanitra izy ary tadiditsika tsara ny
tantaran’ilay roimemy izay tany amin’ny tany Horeba,
izay lazaina fa tendrombohitr’Andriamnitra. Andriamanitra
niseho tamin’i Mosesy. Raha vao i Mosesy no resahina dia
tadidy ny nahazoana bokin’ny lalàna ary ny didy folo
tamin’i Jehovah. Raiamandreny teo amin’i Jiosy satria
anisan’ny mpanorina, manafaka ary mpiadidy ny
olomboafidin’andrimanitra dia ny Jiosy izany. Mosesy,
olon’ny fialana tany Egypta nakany amin’ny tany Kanana
na ny “exode” izany. Nijanona efapolo andro sy efapolo
alina teo anatrehan’i Jehovah i Mosesy tany amin’ny
tendrombohitra sinay. Tsy nihinana na nisotro rano izy
tamin’izany (Eks 34.28).
Elia , na Jehovah no Andriamanitra, indray dia
anisan’izay mpaminany malaza indrindra ao amin’ny
testamenta Taloha. Efapolo andro sy efapolo alina i Elia no nandeha
hamonjy ny tendrombohitr’i Horeba raha nandositra izy.( I Mpa
19.8). Izy dia natsangan’i Jehovah hamonjy ny Isiraely tsy ho
lavo indray amin’ny fanompoan-tsampy. Ny ahatsiarovantsika
azy dia izy nifaninana tamin’ireo mpaminanin’i Bala (I
Mpaj 18). Tsy mba be teny i Elia fa manambara izay anirahan’i
Jehovah azy izy dia lasa. Ohatra ny fiahaonany tamin’i Ahaba
, mpanjaka (I Mpan 17). Amin’i Elia , ny fahamariana no tena
zavatra. Tokana ny marina dia izay avy amin’i Jehovah. Araky
ny lovantsofina jiosy dia izy no lehibe indrindra amin’ny
mpaminany voalaza ao amin’i Tes. Taloha. Ireo olona roa izay
nomen’i Jehovah ny teniny ka nanatanteraka izany. Olona izay
manambara ny amin’ny atao hoe ny lalàna (Mosesy) ary
ny Mpaminany (Elia) na ny testamenta manontolo no hita miresaka
amin’i Jesosy eto. Jesosy miova tarehy anefa no hita eto. Tsy
ilay Jesosy miaraka tamin’i Petera, Jakoba ary Jaona fa
Jesosy miseho amin’ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy Jesosy olon’ny andron’i Mosesy fa Jesosy
olon’ny fotoan’i Mosesy (exode) ary Elia izay marihina
fa samy efa maty daholo. Izany hoe Jesosy efa tolohan’i
Mosesy sy Elia no miseho eto. Amin’ny maha Andriamanitra Azy
Izao fiovan’ny toetry ny tarehin’i Jesosy izao dia
narahin’ny feo izay mbola ren’izy ireo koa dia ny hoe
Ity no Zanako voafidiko, Izy no henoy. Mampahatsiaro antsika ny feo
izay heno tamin’ny batisa an’i Jesosy ny hoe :
Ity no zanako voafidiko.I Matio dia miolaza hoe “ity
no Zanako malalako izay sitrako (Mat.3.17). Andriamanitra milaza fa
manan-janaka no heno eto. Jesosy izany zanany izany. Fantatry ny
olona ny hasarobidin’ny hoe zanaka lahitokana arak’ny
asehon’ny tantara manaraka dia ilay zatovo
nampahorin’ny demonia ka netiny ho sitranin’i Jesosy
(Lio.9.39).
Ny hoe Izy no henoy indray dia teny miverina matetika ho
an’ny zanak’isiraely momba an’ireo olona izay
nirahin’i Jehovah hitondra ny teniny.Anisan'izay lazaina fa
fanekem-pinon'ny Jiosy io hoe Izy no henoy.Ny finoan'ny
Zanak'isisraely tokoa mantsy dia miankina be dia be tamin'ny
Fiahainoana an'i Jehovah. Ka hoy Izy rehefa miteny :" Ry
Israely mihainoa : ." Miteraka fibebahana izany fiahainoana ny
Tenin'Andrimanitra izany
. I Elia sy Mosesy no nilaza io fialan’i Jesosy izay ho
efaina avy any Jerosalema io. No hoe “fialana” (31) dia
mitovy dika amin’ny teny adikantsika hoe
“eksodosy” izany hoe izay notanterahin’i Mosesy
tamin’ny ZI avy tany Egypta mankany Kanana. Koa raha atao hoe
Paska no nialan’ny ZI tany Egypta tamin’ny
alalan’ny ran’ny Zanak’ondry tsy misy kilema
natete isan-tokano dia toy izany koa ny paska kristiana izay
nilatsahan’ny ran’i Jeosy izay lazaina fa
zanak’ondrin’Andrimanitra manafaka ny fahotantsika. Ny
fiainoana ny feon’ny Zanaka voafidin’andrimanitra dia
milaza amintsika fa tokony hanana firaisana aminy isan’andro
isaika amin’ny alalan’ny famakiana ny teniny. Izany
ihany no ahazoantsika maheno ny feony.
Koa raha te-hahita ny voninahitr’Andriamanitra ianao dia
tsarovy fa i Abrahama, izay norenesintsika teo ary koa iPetera dia,
samy olona nifoha avy tamin’ny torimasony. Mila mifoha isika
ary dia izany moa no teny ampiasaina matetika. Fa ny olona mifoha
ihany no afaka hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Mivantana
amintsika ny teny : indro ny zanako voafidiko Izy no henoy. Raha
tsy mifoha isika dia tsy afaka haheno izay lazain’io
Zanak’Andriamanitra io.
Tahaka an’i Mosesy sy Elia, ny efapolo andro dia
omen’Andriamanitra mba ahazoantsika mifoha amin’ny
torimasontsika ka hanatonantsika azy toa an’i Elia na koa ny
hihaonantsika aminy toa an’i Mosesy. Voninahitra anie ho
an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay
hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen
D.Andrianarivo
FPMA DIJON
28 febroary 2010
|
|