A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga037.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Izy no henoy (tohiny)
Izy no henoy (tohiny) Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
D. Andrianarivo   
Ho tohin'ilay voalaza teo aloha dia ity misy tantara iray izay tianay aroso anao. Tantara izay nalaina tao amin'ny baiboly , ary avy tamin'ny testamenta taloha izy ity. Ny mpaminany Jeremia no resahina eto :
JEREMIA 11 : 1 - 12 
   
1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao hianareo, Ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema,
3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,
4 Izay nandidiako ny razanareo Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, Dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, Ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, Ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, Ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, Dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely Tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie,[Heb. Amena.] Jehovah ô!
6 Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda Sy any an-dàlamben'i Jerosalema izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, Ka ankatoavy izy.
7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Ka ambaraka andro-any; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
8 Nefa tsy nihaino ny feoko izy na nanongilana ny sofiny, Fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, Izay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.
10 Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, Izay tsy nety nihaino ny teniko, Ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, Izay nataoko tamin'ny razany.
11 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, Dia tsy hihaino azy Aho.
12 Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema Ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.

Nalaina tao amin'ny http://www.baiboly.org

Raha misy fanontaniana  tianao dia aza misalasala ny mametraka an'izany ao amin'ny fifandraisana .
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack