|
ALAHADIN'NY BAIBOLY 2010
Ry havana
Amin’ny maha «
interface-n’ny FPMA » amin’ny FMBM anay dia
fifaliana ho anay ny manoratra ho anareo an’ity taratasy ity.
Anankiray amin’ny fandaharana lehibe
iarahan’ny FMBM amin’ny Fiangonana mpikambana, ao aminy
toy ny FPMA, dia ny ALAHADIN’NY BAIBOLY. Any Madagasikara dia
ny Alahady faharoa amin’ny volana Febroary no fanaovana azy.
Raha sendra tsy vita tamin’izay kosa dia mahazo mifidy
Alahady hafa araka izay mahamety azy ny Tafo tsirairay. Zavatra
telo no atao isaky ny Alahadin’ny Baiboly:
1-Mampahafantatra ny
toe-draharahan’ny asan’ny FMBM. (Misy ny rapaoro 2009
ho alefa amintsika raha vao voaray eto am-pelatanana)
2-Manao rakitry ny Baiboly ary mitaona ny
kristianina hirotsaka ho Sakaizan’ny Baiboly
3-Mivavaka ho an’ny Asan’ny
Baiboly any Madagasikara. Koa noho izany dia indro alefa aminareo
ny Valopy sy Affiche ho fananentanana ny olona ho amin’izany
Alahadin’ny Baiboly izany.
Dia manao veloma finaritra aminareo
amin’ny anaran’ny Tompo ary maniry indrindra ny
fahasoavany feno ho anareo tsirairay avy.
Rev. Seth RASOLONDRAIBE,
Birao Foibe FPMA
Mpiandraikitra ny fifandraisana FMBM
Marihina fa Mpiakambana feno ao amin'ny
Fikambanana Mampiely Baiboly any Madagasikara ny FPMA
|