A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga018.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Manopy ny masony Jesosy...
Manopy ny masony Jesosy... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

..ary Jesosy nanopy ny masony tamin’ny mpianany.... Lio 6.20

Tamin’ny heriny isika dia nahita an’i Jesosy niantso an’i Petera sy ny mpiara-miasa taminy dia Jaona ary Jakoba rahalahiny. Volazan’i Lioka tamin’izany fa nahazo hazandrano betsaka izy ireo rehfa avy nanatanteraka ny tenin’i Jesosy : alatsaho amin’ny lalindalina kokoa ny haratonareo dia hahazo hazandrano betsaka hianareo ary dia nahatalanjona ny olona nanatrika izany.

Noresahintsika tamin’izany ny momba ny : - Ny antson’Andriamanitra : Isaia, Paoly ary Simona Petera, - Ny votoatin’izany Antso izany, - Ny fiainana ny Antson’Andriamanitra .

Tamin’ireo teny izay norenesintsika dia manitona ny saina ny teny hoe : Sambatra ary Loza, indrindra fa tamin’ny lioka. Izany fahasambarana na loza izany dia nolazain’i Jesosy tamin’ireto mpianany (ny vahoaka sy ny apostoly) izany rehefa nanopy ny masony tamin’izy ireo Izy ary dia niresaka tamin’izy ireo izany izy ka nanambara ny amin’ny fahasambarana ary ny loza. Fa nahoana tokoa moa no misy ireo izay sambatra ary misy ireo izay mahazo loza ?

Ny antony ?

Tonga teo amin’i Jesosy ireto olona ireto nohon’ny antony maro.

* Tao ireo izay nantsoin’i Jesosy mivantana ka nofidiny ho mpiara-miasa aminy mivantana dia ireto roambifolo lahy izay nataony hoe “apostoly” (and.14)

* Tao koa ireto izay lazainy fa mpianany izay entina ilazana an’ireo olona izay nandray ny fampianarana nataony. Izany hoe malalaka kokoa nohon’ny hoe Apostoly.

Tamin’ny vanim-potoana niainan’i Jesosy sy Jaona dia nisy ny atao hoe mpampianatra ary nisy ny atao ohe mpianatra. Indrindra fa teo amin’ny tempoly sy toeram-pivavahana. Manofana olona hanohy ny asa nataony ireo olona lehibe toa an’i Jaona na Jesosy .

Vanimpotoana ilazana ireny olona ireny ho mpaminany izany. Teo amin’ny Israely tokoa mantsy rehefa nangataka mpanjaka tamin’i Jehovah izy ireo dia nisy koa izay irak’Andriamanitra nitondra ny teniny ho an’ny mpanjaka na ny olony. Ireny mpitondra teny ireny no atao hoe Mpaminany. Ny ambetin’ny hafatra izay nentin’ireto mpaminany ireto dia ny hijanonan’ny Zanak’Isiraely ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Io mpaminany io no hitantsika eo amin’ny and.23. Tamin’ireny mpitondra teny ireny na iraka anefa dia tao ny tena nitondra ny iraka marina sy mazava ary tao koa ireo izay nanova izany teny nampitondraina azy izany. Iretsy nanova hafatra no lazaina hoe : mpaminany sandoka. Izany no anamafisan’i Jesosy ny fisian’ny atao hoe mpaminany sandoka and.26. Ny mpaminany sandoka dia ilazana ireo olona mitonotena ho mpaminany fa tsy nalefan’ny Tompo na koa nalefa fa nanova izany hafatra izany.

Koa ny fahasambarana dia mifandray amin’ny mpaminany ary ny loza kosa dia miaraka amin’ny atao hoe mpaminany sandoka.

Fa iza tokoa moa ny mpaminany ?

Ny mpaminany

Teo amin’ny jiosy, ny mpaminany dia mpitondra ny tenin’Andriamanitra izay mazana mifanohitra amin’izay tian’ny vahoaka hohenoina. Hany ka toy

* ny teny mahery izany raha toa ka diso lalana ny vahoaka na diso fiheveran-javatra (tromper de valeur), mampitahotra : izany ni ilazany hoe lozanareo

* teny mampahery kosa raha toa ka mandalo fotoan-tsarotra na diso fanantenana : fahasambarana

Ny fahasambarana tokoa mantsy dia midika hoe :”ho irin’olona ianareo ato ho ato” satria manana zavatra izay tsy ananany Marihina fa olona toa manana olana daholo : marary, andevozin’ny fanahy maloto, mila fampaherezana no tonga manatona an’i Jesosy

Ny mpaminany dia tsy manana fotoana na alefa hanangona vola sy harena ary koa hanao tokambarotra ny tenany fa kosa hanatanteraka izay nanirahana azy dia ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Io fanjakan’Andriamanitra io dia tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy.

Lazaina eto fa ny tena mpaminany dia izay miaraka aminy. Miaina ao anty ny fahasambarana izy ireo satria azy ny fanjakan’Andriamanitra. Ireo fahasambarana efatra lazaina ireo dia efa tanteraka tao amin’i Jesosy Kristy. Ary ny mpomba Azy dia hanaraka izany lalana izany koa. Milaza Jesosy fa ny tena Mpaminany dia halan’ny olona satria izany no nataon’ny razany taloha. Kanefa kosa tokony hifaly izy ireo naao aza izany satria lehibe ny valimpitia any an-danitra. Ary izany no lazain’i Jeremia, mpaminany,tamin’ny teny izay norenesintsqika teo : voaozona izay olona matoky olona fa hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah (Jer.17.7). Ary izany olona matoky an’i Jehovah izany dia tahaka ny hazo ambolena eo amin’ny rano velona, izay mamoa amin’ny fotoany (Sal.1).

Kanefa mampitandrina koa ny Tompo ny fisian’ireo mpaminany izay atao hoe sandoka. Ireo indray dia tian’ny olona satria milaza soa ho an’ny olona izy ireo. Tsy ny mahasoa azy no lazainy fa izay teny hitany fa ahazoany ny fon’ireto olona ireo. Tsy ny Tenin’Andriamanitra no lazainy fa ny teniny. Hany ka manankarena, voky ary mihomehy/faly lava izy ireo satria azony izay tiany. Tsy ny harena, ny fahavokisana ary ny fifaliana akory no tsy tian’i Jesosy ka anenjehany azy ireo fa kosa ny tsy anatanterahany ny baiko izay tokony hataony dia izay iraka ampanaovin’Andriamanitra azy ireo:

* Tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo Jer.14.14

* Izao no lzain’i Jehovah, aza miahaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany amianreo fa manadala anareo ireo. Ny fahitana avy ao am-pony no lazainy fa tsy izay aloakin’ny vavan’i Jehovah (Jer.23.16)

Koa raha latsaka amin’izany fanarahana mpaminany sandoka izany ianao/isika dia mila miaina fiainana vaovao ka mamony ny tena teo aloha ary mianina fiainana vaovao toy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary izany no namakiana ny teny tao amin’ny Ikor 15

Fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

Io no lalana atoron’Andrimanitra hivoahantsika miala amin'ny loza mankany amin'ny fahasambarana. Jesosy no santatr’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. Fa raha tsy natsangana tamin’ny maty Kristy dia foana ny tori-teninay ary foana koa ny finoanareo. Io fahafatesana arahin’ny fitsanganana io no lalàna atolotr’Andrimanitra hialantsika amin’ny loza ka handraisantsika ny fahasambarana. Efa nentin’i Jesosy ny loza tokony hihantra amiko sy ianao fa fahasambarana kosa no atolony.

Miova ny fijeren-javatra. Ny fahasambarana akory tsy manameloka ny harena na ny manakarena na koa fanoezana antoka fa hahazo avy hatrany fahombiazana ianao. Fa kosa fanovana fijeran-javatra. Jesosy tsy manome antsika ny vaha-olana na ny ‘rrestte” ho amin’izany fa kosa milaza fa Izy ihany no fiainana. Ary izany fahasambarana lazainy izany dia mifototra amin’ny atao hoe fitiavana/fifankatiavana.

Antso ho antsika izao ataon’ny Tompo izao.Tamin’ny heriny, hitantsika fa raha nankato ny tenin’i Jesosy hoe alatsaho amin’ny lalina ny haratonareo dia nahita ny vokany i Petera ka nizara izany tamin’i Jekoba sy jaona zanak’i Zebedio. Izany koa no iantsoana antsika amin’ity anio ity.Raha mahita mpaminany sandoka ianao ka mitondra fampianarandiso dia aza miahaino azy fa mialà aminy ka miova lalàna izay lazaina fa manome anao fiainana vaovao ka toy ny mitsangana amin’ny maty ianao. Eny na dia sarotra aza ny miaraka amin’ny Tompo dia mitondra fifaliana, fahasambarana ary mibitaha fa lehibe ny valim-pitianreo any an-danitra. Ary izany no antony anompizan’i Jesosy ny masony aminao mba hilazany an’izany fampitandramana sy fanantenana ary toky ho anao izany anio.
Amen

D.ANDRIANARIVO
FPMA DIJON

Alahady 14 febroary 2010


 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack