|
Nahazo fanasana isika hanatrika ny
fanompoam-pivavahana izay nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny
Tompo ary koa ametrahana an’ireo mpikambana ao amin’ny
birao Foibe (BF) izay voafidy tamin’ny synoda 2009 farany teo
. Izany dia natao tao amin’ny FPMA Paris ny asabotsy 6
febroary 2010. Teo amin’ny 80 teo ho eo no mpanatrika .
Tamin’ny 2 ora sy sasany no
nanomboka ny fotoana :
Fanompoam-pivavahana
* Mpitarika : J.A Ravalitera ,mpitandrina
Filoha synodaly (BF)
* Mpitoriteny : Solo Andrianomenjanahary, mpitandrina (BF)
Izy mirahalahy koa no teny amin’ny
alitara nitarika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Ny Fametrahana ny BF
Rehefa vita ny famakiana ny tatitra izay
nataon’Atoa Andry Andrianavelasoa, filohan’ny synaoda
dia napetraka amin’ny toerany ireto BF ireto. Atoa
Désiré Andriamampianina , mpitandrina no nitarika
izany fotoana izany. Nozaraina roan y fotoana ka:
* Ny Filoha J.A RAVALITERA aloha no
apetraka voalohany, izany moa dia nofaranana tamin’ny
fanolorana “croix pectorale” ny Filohan’ny FPMA.
(tsara mba jerena izay dikan’izany fa vao voalohany io no
natao)
* Ny Filoha indray no mametraka ny BF
amin’ny toerany rehefa avy eo sady namaritra ny andraikitry
ny tsirairay avy.
Filoha mpanampy Mpitandrina : Solo
ANDRIANOMENJANAHARY, mpitandrina
Filoha mpanampy Laika : Atoa Jean-Solo RAFIDINARIVO
Tonia : Atoa Rado RAMAROTAFIKA
Mpitambola : Atoa Herintsoa RASIDIMANANA
Mpitantam-bola : Atoa Hery RANDRIAMBOLOLONA
Mpanolotsaina : Seth RASOLONDRAIBE, mpitandrina
Ary ny
Mpandinibola : Solo Elysée RABARIMANANA,
Ramahatafandry ANDRIANAVELASOA
Atoa Désiré Andriamampianina sy Rtoa Marie
Angèle Raharijaona (FMM), mpitandrina , no nandray tanana
an’ireto mpikambana ao amin’ny BF ireto.
Nisy koa teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo
mpikambana tao amin’ny BF teo aloha indrindra fa ny
fitondrana amim-bavaka ireo izay tsy salama.
Ny fanolorana “Cerificat”
Araky ny taratasy izay voaray dia nisy ny fanolorana
“certificats” ho an’ireo rehetra izay efa
mpikambana teo amin’ny BF. Ka ny Filohan’ny
Komitin’ny Jobily moa no nitarika izany.
Tamin’ny 4ora sy sasany no nofarana ny fotoana. Izay no
tatitra fohy sady tsotra alefa aty amintsika aty amin’ny
faritany tamin’ny iraka izay natao taty Paris . Marihiko fa
nanatrika tao ny Filohan’ny Tafo Troyes ohatra.
Raha Eglise de la Rédemption no iantsoan'ny fiangonana
loterana tompotrano azy dia toa nanana endrika Katedraly izy
tamin'ity indray mitoraka ity. Tantara iray mivalona ho an'ny
FPMA iny fotoana iny.Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny
voninahitra fa ny fiadanany kosa ho amitsika rehetra.
D.ANDRIANARIVO
08 febroary 2010
|