|
Administrator
|
« Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny fanantenanay Anao », (Salamo 33 : 22)
Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra sy Fitondrana am-bavaka ny fianakavian’i
“BEBESOA” RASOANJANAHARY RAVELOSON VADY NAVELAN’ITOMPOKOLAHY RANAIVONIARIVO GABRIEL
nodimandry tamin'ny 28/05/2010 tany Antananarivo ary nalevina ny 31/05/2010 tany Ambalavao Anio dia fotoana 2 sosona no tokony tsy ho hadinoina dia :
1. Ny faha 50 taonan’ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena malagasy koa dia arahabaina isika mianakavy tratr’izao Antsaramanitra izao
2. Ny fisaorana an’Andriamanitra nohon’ny nanomezany antsika tamin’izany firenena izany an’I Bebesoa .
Koa dia teny 3 no norenesintsika tamin’izany dia ny tao amin’ny Testamenta vaovao Salamo 33; ny epistily/taratasy voalohany nosoratan’I Paoly apostoly ho an’ireo Kristiana tany Korinto toko faha 15 ary ny filazantsara nosoratan’I Lioka toko faha 2. Fanotaniana 3 no ezahina ho valiana amin’ity andro anio ity dia ny hoe :
* Iza moa Bebesoa ? * Inona no ifandraisan’ireo teny telo novakiantsika ireo amin’I Bebesoa ? * Inona no hafatra ho antsika ?
Iza moa Bebesoa ?
Raha ny tenako manokana dia tsy misy izay ahafantarako azy sady tsy hihambo hilaza ny aminy aho akory fa ny zanany ary ny vinantony no naira-nianatra tamiko. Tsy mahafantatra na inona na inona momba azy aho kanefa dia hiezaka mba hilaza zavatra vitsy aminareo dia izay voasoratra eo amin’ny fandaharana
1. dia ny andro ary ny toerana nahafatesany dia Antananarivo izany ny 28 may 2010 lasa teo ary ny toerana sy ny andro nandevenana azy dia ny 31 may tany Ambalavao izay toerana nahatongavany history ny filazantsaran’I Kristy. Ambalavao, rah any ntantaran’ny fitoriana ny filazantsara tany amin’ny faritr’I Betsileo dia toerana iray izay nipetrahan’ireo anglisy LMS nitondra izany filazantsara izany. Iarindrano no niantsoana azy tamin’izany .
2. Raha ny anarana indray RASOANJANAHARY Raveloson indray, araky ny tantara no ahitana (Jourde pp.410) fa efa nisy izany RASOANJANAHARY izany tamin’ny taona 1861 , izay zanak’andriana bara nafahan’I Radama II ka netina tany Antananarivo. Io RASOANJAHARY io no nanorina tao Ambohimandroso antokom-pifohazana izay nisy olona 14. Avy amin’io RASOANAJANAHARY io no nipoiran’ireo mpitandrina sy mpitory filazantsara maro tany amin’ny faritr’I Betsileo dia I Vohibato, lalangina ary Isandra. Izany anarana izany koa no nentin’I BEBESOA. RASOANJANAHARY izay raha voasana tsotra dia hoe RASOA –ZANAHARY. Fantantsika fa ny Zanahary dia tsy hafa fa entin’ny Malagasy milaza an’ilay Andrimanitra mpamorona ary lazain’ireo Jiosy ao amin’ny baiboly na ny testamenta taloha izay norenesintsika teo hoe JEHOVAH , izay izay izy hatr’izay hatr’izay ka ho mandrakizay. Ny hoe SOA indray dia ilazana an’io Zanahary io izy. Soa dia anarana ilazana koa ny toetra ary fahatsaram-panahin’io olona io. Izany RASOANJANAHARY, vady navelan’I RANAIVONIARIVO izany dia nitondra fanampin’anarana hoe Raveloson izay tsy hafa akory fa anarana Malagasy nentin’ireo anglisy : Zanak’I Ravelona raha adika tsotsotra.Vao teraka izy dia efa voatolotra/voatokana ho an’I Zanahary Izany raha jerena tsotra ny anaran’I BEBESOA. Tsy hafa akory fa Zanaka velona avy tamin’Ilay ANDRIANANAHARY.
Ka ahoana ary ny fiainany ?
Ho jerentsika arak’ireo teny telo izay novakiantsika teo izany? Teny fiainany Mbola hivaky aminareo fa tena tsy mahafantatra an’I Bebesoa aho na mba nihaona taminy kely foana aza. Kanefa mino aho fa matoa nomena an’ireo teny 3 izay novakiana isika dia ireo no ahazoana mamintina ny fiainanany.
1. Ny Salamo 33 no voalohany . Salamo izay tsy fantatra ny mpanoratra azy. Ny atao hoe salamo moa dia boky ao amin’ny baiboly izay ilazana an’ireo tonon-kalo nohiraina niaraka tamin’ny zavamaneno. Hira vokatry ny fihaonan’ny olona amin’ilay Zanahary nanome azy ny aingam-panahy amin’izany. Eto isika dia ny fiderana no lohahevitra entin’ity Salamo faha 33 ity. Tsy I Davida akory no nanao azy . Salamo mitaona ny olo-marina amin’ny fiderana an’I Jehovah na Zanahary. Izany no tsapan’I Bebesoa. Tsy lany andro tamin’ny fangatahana n any fifonana tamin’ilay Zanahary izy fa ny fiderana Azy no masaka tao am-pony nohon’ny soa izay noraisiny vokatry ny fanolorantenany ary ny fiankianany tanteraka tamin’ilay nahary Azy. Izao salamo izao koa dia mitaona antsika, izay toa azy koa, hahatsiaro ny firenentsika : Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny (33.12). Fiainana miankina amin’ny fampindrampo ary ny fanantenana an’I Jehovah. Izany no fahavelomany.
2. Ny taratasy voalohany izay nosoratan’i Paoly ho an’ireto Kristiana tany Korinto toko faha 15. Resaka momba ny fitsanganan’ny maty. Ity resaka ity dia tsy teto akory no niantombohany fa efa nisy resaka momba an’izany hitantsika ao amin’ny filazantsara nosoratan’I Lioka took faha 9 ohatra izay milaza ny amin’ny fitsanganan’I Jaona tamin’ny maty (7), ny anankiray amin’ny mpaminany no nitsangana tamin’ny maty (8). Hazavain’i Paoly apostoly eto fa araky ny soratra masina ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, indrindra fa izay nanjo an’I Kristy momba izany. Tohizan’I Paoly fa nisy ireo fijoroana vazvolombelona momba izany fitsangan’I Kristy tamin’ny maty izany satria niseho tamin’ireo mpianatra maro Izy. Betsaka ny fiaitrakin’izany fitsanganan’I kristy tamin’ny maty izany eo amin’ny fiainana kristiana satria mitondra fanavaozana izany, mitondra hery. Indrindra milaza mazava fa tsy ny fahafatesana akory no tompon’ny teny farany fa lalana tsy maintsy andalovana izany. Koa manoloana ny zava-miseho, dia mampahery an’ireto kristiana tany Korinto I Paoly apostoly mba hiorina tsara, hanohy ny asa ao amin’ny Tompo satria tsy foana akory izany asa izany fa mbola misy tohiny ny fiaintsika kristiana fa tsy mifarana eto. Kanefa izany fianana vaovao izany dia efa azo iainana dieny mandray an’I Kristy ho Tompo sy Mpamonjy antsika isika. Izany no anisan’ny fijoroana vavolombeloa entin’I BEBESOA ho antsika anio
3. Ny vaovao mahafaly nosoratan’I Lioka toko faha 2. Tantara fantsantsika loatra satria vakiana foana isaky ny krismasy. Fiderana nataon’i Simeona, lehilahy mpivavaka tsara tao Jerosalema, izay nanambaran’ny Fanahy Masina izy fa tsy ho hahalala izany fahafatesana izany raha tsy mahita an’izany atao hoe Kristy Tompo izany. Io Lehilahy Feno Fanahy io no nandray an’I Maria sy Josefa izay nitondra an’I Jeososy zaza tao amin’ny tempoly. Nidera an’Andriamanitra izy satria ny masony no lazainy fa ny masony no efa nahita ny famonjen’Andriamanitra ary ny fahazavana ho an’ny firenena rehetra. Avy amin’ity fijoroana vavolombelona ataon’I Simeona ity no nahafantaran’I Maria sy Josefa bebe kokoa an’ity zaza izay vao teraka ity dia ho fandavoana, fananganana ny maro ary ho famantarana holavina. Fantar’I Simeona izay halehany dia any amin’ny fiadanana satria nahita ny famonjen’Andriamanitra izy arakiny teny izay azony. Izany koa no teny nomen’I BEBESOA ho antsika amin’izao anio izao. Lasa any amin’ny fiadanana izy satria nandray ny famonjena teo amin’I Jesosy Kristy. Ry Havana, izay no tantara fohy azoko lazaina aminareo Havana, zanaka, namana izay tonga eto amin’ity anio ity.
Fa inona kosa no hafatra ho anao ?
Hafatra omen’izao fijoroana vavolombelona izao
1. Hitantsika teo fa tsy anarana fotsiny no nentin’I BEBESOA fa tena niainany tokoa ireo teny izay azotsika tamin’ity anio ity. Asehony tena SOA ao amin’ny ilay Zanahary izy. Maneho izany ny fiderana ataony isan’andro. Betsaka no efa andray ny famonjena avy amin’ity mpanompon’andriamanitra ity. Indrindra moa fa mbola nanambady olona izay mitondra ny ananaran’ilay anjely mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra ary irahain’Andrimanitra hitondra teny mahafaly dia ny anjely Gabriela izany. Izao fotoana izao dia mampahatsiaro antsika fan a diamafy tokoa azan y fandaozana ny reny malala dia misy teny mahafaly omen’I Tompo antsika anio dia ny hoe : Efa tonga ilay mpamonjy ka raiso ho anao satria tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany fa misy izany fiainana vaovao izany izay tsy hafa akory fa toerana izay feno fiadanana alehan’izay mino an’I Jesosy. Efa nanao izay azony natao I Bebesoa tamin’ny fotoana nahavelomany. Enga anie tsy ho teny latsaka any an-tsofin’ny marenina izay rehetra nolazainy taminareo.
2. Noraisin’I BEBESOA koa ny tenin’I Simeona tao amin’i Lioka; Tantara izay mampahatsiaro koa ny amin’ny fitaizany nomeny ary ny fiainany. Nentiny tany am-piangonana BETELA ohatra ianareo ary nobeazina tao amin’ny sekoly LOVASOA arak’izay tokony hataony. Notanterahiny taminareo izany. Mino aho fa matoa notanterahina izao fotoana izao dia mbola vokatry ny fitaizana izay norasinareo tamin’I BEBESOA. Koa anjarantsika ny manohy izany raha toa ka nahasoa antsika. Mananjanaka koa isika aty. Mba ahoana ireny zanantsika ireny. Afaka miidera an’Andriamnitra toa an’I Simona ve isika hoe “ny masontsika efa nahita ny famonjen’Andrimanitra. Tsarovy fa I BEBESOa tsy aiza akory fa lasa any amin’ny fiadanana . Ary dia izany no tokony ho fampaherezana ho antsika. Miadana I BEBESOA fa isika kosa izay aty am-pitan’ny ranomasina aty, mba miadana ve sa misavoritaka ? Ry Havana, nahavita ny adidiny i BEBESOA,nijoro ho vavolombelon’I Kristy izy, natoky an’ilay Zanahary izay anarana nentiny toa an’ireo Kristiana izay mitondra ny anaran’I Kristy izy. Mampita amintsika izy ny hanantena mandrakariva an’Ilay nampanarina antsika tany amin’ny sekoly alahady, Ketekomena. Mila ampiharina ary iainana izany toy izao hitantsika ao amin’ny Lioka 2 izao. Jesosy noforana toy ny zazalahy vao teraka, Maria , rehefa afy nidio nandritry ny ray volana dia niakatra tany amin’ny tempoly izy sy Josefa niaraka tamin’ilay zazakely dia Jesosy izany mba hanaraka ny lalàna ary ny fomba fiainana . Izany no ijoroantsika vavolombelon’I Kristy eto amin’izao tontolo izao izay iainantsika izao. Ahazoantsika miteny hoe : Jehovah ô! aoka ny famindramponao hitoetra aminay araka ny fanantenanay Anao. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen
D.ANDRIANARIVO,
Chapelle Beaupeyrat 9 ter, rue Petiniaud Beaupeyrat
87000 Limoges
Asabotsy 26 jona 2010 |