|
aza matahotra; hatramin’izao
ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. Lio 5:10b
Na :
aoka izay ny tahotra : manomboka izao dia
olona kosa no hosarihianao (Diem)
Raha ny taom-piangonana, anio dia alahady
faha 5 manaraka ny Epifania na ny fampisehoana an’i Jesosy
tamin’ireto Magy 3 lahy avy any antsinanana. Ireto jentilisa
tahaka antsika koa. Epifania izay heverin’ny maro fa
fetin’ny Mpanjaka (fête de roi) ka isian’ireo
labojia isitonana izay ho mpanjaka. Ankalazaina miaraka
amin’ny mofo mamy izany “ galette des rois”.
Amin’ity anio ity isika dia mahazo teny 4 dia ny Isa (6.1-4),
Sal.138, Ikor (15.1-11) ary ny Lioka (5.1-11).
Fa inona moa no ifandraisan’ireo
?
Ny antson’Andriamanitra : Isaia,
Paoly ary Simona Petera
Ny votoatin’izany Antso izany
Ny fiainana ny
Antson’Andriamanitra
Ny
antson’Andriamanitra
Araka ny tantara ataon’i Lioka ao
amin’ny filazantsara nosoratany dia hoy Jesosy Tompo
tamin’i Simona : manomboka izao dia olona kosa no ho azonao.
Raha ny Diem : dia lazainy fa “olona kosa no ho
tarihinao” . Raha adika malalaka izany dia milaza hoe :
mamoaka ilay olona amin’ny teorana sarotra izay misy azy.
Mety ho ady izay toerana sarotra izany, mety ho ao antin’ny
fahotana izany raha ny fanahy no jerena azy.
Raha bangoana tsotra izany dia ny
famoahana an’ilay olona amin’ny fahasarotana izay misy
azy.
Raha ny amin’ny Simona, satria
mpanjono no asany , ny maka ny trondro avy tamin’ny toerana
ivelomany dia ny ranomasina izany dia azo lazaina fa mamono
an’ilay trondro mba ho lasa iveloman’ireo mpanjono
aloha ary ho hanin’ireto mpividy indray rahefa avy eo. Kanefa
kosa raha olona indray no esorina avy amin’ny ranomasina dia
mazava ho azy fa famonjena ho azy izany. Izany no lazain’i
Jesosy ho asan’i Simona manomboka izao : ny hanala ny olona
amin’ny toerana izay tsy tokony hisy azy toy ny ranomasina,
na ny fahotana izany.
Ilay Simona, sasatra satria nikely aina
nandritry ny alina kanefa tsy nahazo na inona na inona no
itenenan’i Jesosy hoe : mandrosoa amin’ny lalina dia
alatsaho ny haratonareo (tsy irery tokoa i Simona fa niaraka
tamin’i Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio) . Namaly i
Simona hoe noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato.
Simona nahazo teny avy tamin’i
Jesosy. Teo ny teny izay azony niaraka tamin’ireto vahoaka
izay nifanizina (1) ka nahatonga an’i Jesosy handray ny
sambokelin’i Simona ahazoany misitaka kely amin’ny tany
. Jesosy mampiasa ny fitaovan’i Simona. Tsy voalaza eto ny
ambetin’ny Tenin’andrimanitra izay nampianarin’i
Jesosy ny vahoaka. Rehefa avy nampiasain’i Jesosy izany
fitaovana izany dia asainy ampiasain’i Simona koa. Eto isika
dia mahita an’i simona izay mankato an’i Jesosy;
Anisan’ny dikan’ny teny hoe SIMONA na SIMEONA mantsy ry
havana dia ny hoe “mandre, maheno ary manaja”. Nanaja
an’i Jesosy i Simona dia nalatsany ny haratony ary dia hitany
ny vokatr’izany fanajana izany. Teo i Simona va nahatsiaro
tena fa olo-meloka izy. Vokatr’izany dia niankohoka teo
amin’ny tongotr’i Jesosy izy (8). Toy izany koa ny
nahazo an’i Isaia, mpaminany , Paoly apostoly izay nilaza fa
izy no farany oindrindra amin’ny apostoly.
Jesosy miantso olona hiasa ho azy. Olona
izay tena nihaona taminy ary mahatsiaro tena fa mpanota ka tsy
miendrika ny hihaona akory amin’ity mpiantso azy. Eo no
ahitantsika ny hoe tahotra manoloana ny antso izay ataon’ny
Tompo aminy.
Ny votoatin’ny
antso
Raha ny amin’i Simona no resahina
dia ny hoe “olona kosa no ho azonao” (’10). Ny
an’i Isaia indray dia ny famaliana ny feon’ny Tompo hoe
: Iza no hirahiko, Iza no ho irakay Is 6. 8. Dia namaly i Isaia hoe
: “Inty aho, iraho aho”. Ary hoy ny Tompo hoe : Mandena
ka lazao amin’ity firenena ity (Isa.6.9). Ary i Paoly dia
milaza fa ny fitoriana ny filazantsara no noraisiny (Iko.15.3)
I Paoly dia manazava tsara fa izay
noraisiny ihany no atolony (Ikor.15.3).
Lazain’i Paoly apostoly fa ny
voalohany indrindra dia Kristy maty nohon’ny fahotantsika,
dia nalevina ary nitsangana tamin’ny maty ka niseho
tamin’i Kefasy (i Simona Petera io). Izay arakin’ny
Soratra ihany no lazainy. Io ilay lazain’ny reformasiona hoe
sola scriptura (anisan’ny teny fanevan’ny protestanta
izany). Io Soratra na boky lazainy eto io dia ny testamenta taloha
fa tsy mbola voasoratra ny testamenta vaovao. Tantarain’i
Paoly eto ireo vavolombelona samihafa izay nisehoan’izany
Jesosy nitsangana tamin’ny maty izany ka niantso mpanompo
maro ary dia izy dia ambany indrindra amin’ny apostoly ka tsy
miendrika ny hatao hoe apostoly satria efa nanenjika ny
fiangonan’Andriamanitra aho . Fa ny
fahasoavan’andriamnitra no naha toy izao ahy. Tsy misy tokoa
olona mendrika hiasa ho an’i Jesosy fa samy mpanota avokoa.
Hitantsika teo i Isaia, mpaminany, i Petera, mpanjono ary i Paoly,
mpanejika ny fiangonana. Kanefa nohon’ny
fahasoavan’andriamanitra dia nahazo ny antso izy ireo. Io
fahasoavana io ihany tokoa mantsy no ahazoana ny
famindrampon’Andriamanitra. Lazain’ny reformasiona na
ny protestanta hoe (Sola gratia). Koa ny votoatin’ny antso
dia ny hanambara an’i Kristy, mpamonjy izao tontolo izao .
Kristy ihany ary tsy misy hafa no tokony hinoan’ny mino
tsirairay avy (Sola Fide). Ka ahoana ary no hiainana an’izany
antso izany ?
Ny fiainana ny antso
Hoy Jesosy tamin’i Simona “
aza matahotra fa olona kosa no ho azonao”. Ary nampiantsona
ny sambokely izy, nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i
Jesosy (Lio 5.11). Misy toky izay omen’ny Tompo ho
an’izay nahazo ny antso dia ny tokony tsy hatahorana. Betsaka
tokoa no matahotra . Raha i Isaia dia nasehon’Andriamanitra
taminy fa afaka tanteraka ny helony tamin’ny alalan’ny
femetrahana an’ilay vainafo izay natehikin’ny serafima
tamin’ny molotr’i Isaia mba ho marikin’ny
famelakeloka ho ary. Izany no fomba fanao tamin’izany.
I Paoly indray dia fantantsika fa
nametrahan’i anaiasy tanana izy ary rehefa afaka izany dia
nitory ny filazantsara izy tany Damaskosy.
I simona Petera dia fantsika fa
mpianatr’i Jesosy izy. Nofanin’i Jesosy nandritry ny
telo taona vao nalefany hiasa koa.
Koa ny antso dia, arahin’ny
fiofanana aloha. Ireo izay nantsoin’ny tompo hiasa ho azy,
mba ahazoany tsy hatahotra intsony dia nofaniny, niara-niasa taminy
ary indrindra nomeny hery toy ny fanomezany ny Fanahy Masina ho
an’ireto Apostoly ireto. Voakasik’izany koa i Saoly
izay lasa Paoly taty aoriana. Nolazain’i Jesosy fa ho
vavolombeloko ianareo hatreto Jerorsalema, Samaria ka hatrany
amin’ny faran’ny tany.
Mipetraka amintsika koa isika avy tany
Dijon, Lons le Saunier sy ny hafa ,izany antso izany. Efa nihaona
tamin’i Jesosy mivantana ve isika. Tsy mbola tara ny fotoana.
Ny antony ahatongavantsika eto amin’ity an’ity dia
nohon’ny hoe i Lons le Saunier dia tsy lavitra an’i
Dijon fa toy ny Samaria raha miohatra amin’i Jerosalema.
Tonga eto ny FPMA Dijon hanambara ny famonjen’i Jesosy Kristy
arakin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika. Hampahery
antsika koa ny amin’izany. Ny fahasoavan’ Andriamanitra
no naha toy izao antsika. Anjarantsika izay nandray no manolotra
izay noraisintsika tamin’ny Tompo. Koa raiso Jesosy Tompo dia
ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay.Amen
D.ANDRIANARIVO
Lons le Saunier
7/02/10
|