A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga061.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Ambatoreny : entina amim-bavaka
Ambatoreny : entina amim-bavaka Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Mbola mitohy hatramin ’ izao ny takaitra navelan ’ ny Fitondran - dRavalomanana eny anivon ’ ireo fiangonana.  Hatramin ’ izao, dia mbola tsy voavaha ankehitriny ny olana misy eo amin ’ ny fiangonana najoron - dRavita Petera sy ny namany nanilika ireo ao anatin ’ ny Fiangonan ’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo miray amin ’ Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara izay mitana ny fototra avy amin ’ ny Dada Rainisoalambo namorona ny toby rehefa nahazo antso tamin ’ Andriamanitra izy. Toby fifohazam - panahy lehibe niorina voalohany teto Madagasikara. Efa mananika ny 10 taona izany fibodoana sy fanaovana hosoka izany ankehitriny ary tsy nahazo rariny tany amin ’ ny Fitsarana na Fanjakana nalehany mihitsy ny mpanara - dia ny fototra noho ny fahaizan - dRavita Petera nandritra ny Fitondran - dRavalomanana.  Mbola tsy mety miravona ankehitriny ny olana any amin’ ny toby fifohazam - panahy naorin -dRainisoalambo any Soatanana Avaratra ao Ambatoareny Distrikan’ Isandra ao anatin’ ny Faritra Matsiatra Ambony. Bodoin’ ny Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha tao Ambatoareny tarihin - dRavita Petera nandritra ny 8 taona teo ho eo ny toby naorin ’ ny Dada Rainisoalambo. Ity toby ity no nisy ny fifohazam - panahy lehibe sady voalohany indrindra teto Madagasikara. Toby tsy miankina no nahafantaran’ ny mpino kristiana azy hatramin’ izay. Tamin’ ny alàlan’ ny fifidianana tsy nahatratra ny fetran’ isa  94 amin’ ny 130 tonga nifidy taorian’ ny nahafatesan’ ny Raiamandreny nitondra ny toby ny taona 2002 no nandraisany an - keriny ny fitondrana. Ny isan’ ny mpifidy anefa dia manodidina ny 500 eo ho eo.
Nampiasa safeli - dratsy
Notoherin’ ireo mpino manaraka ny fototra nipoirana avy amin’ ny Dada Rainisoalambo anefa ny maha ara - dalàna izany fifidianana izany,  ka teo no nanomboka ny olana. Ravita Petera no lany tamin’ io ampaham - bato tsy nahatratra ny fetran’ isa io ary noraisiny an -keriny sy ny mpanara - dia azy ny fitantanana ny toby. Kanefa dia tsy nahazo fankatoavana hatrany amin’ ny ministera mpiahy izy. Ny rafitra rehetra napetraky Dada Rainisoalambo izay nifandimbiasan’ ireo mpitantana na Raiamandrenin’ ny toby nifandimby,  dia nohitsakitsahiny ary naongany avokoa ireo tomponandraikitra rehetra tao anatin’ izany fitantanana ny toby izany toy ny Filankevi - piangonana, Pasitera, Iraka, Mpampianatra ary ny maro hafa.  Nisy ihany koa ny fanakatonana ny fiangonana sy ny sekoly tao Ambatoareny tamin’ izany fotoana izany.
Nanova fitsipika
Tsy vitan’ izay fa novainy hatramin’ ny fitsipika mifehy ny toby sy ny anaran’ ny fiangonana araka ny fanamarinam - paharaisana laharana faha – 1046 - min. inter – Sg – Dat – Sga - Gn tamin’ ny 28 - 02 - 2008.  Raha Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo miray amin’ Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara no anarany hatramin’ izay dia novain’ izy ireo hoe Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha tao Ambatoareny.  Ny fanafohezana ny Ffsm anefa dia nampiasainy hatrany. Izany hoe, ilay didim - panjakana nivoaka tamin’ ny 15 oktobra 1963 laharana 63 586 ihany no noentiny nampanankery io anarana vaovao io. Ny fampiasana izany didim - panjakana izany sy ny fitsipik’ izy ireo no noentin’ izy ireo nanodinkodinana sy nangalaran - dRavita Petera sy ny namany ny fananan’ ny toby.  Nisy ihany koa ny fandotoana ny fiangonana tamin’ ny fanosorana maloto (tay) noentina nanosoram - potaka ny mpifanandrina tamin’ izy ireo. Nisy mihitsy ny fijoroana vavolombelona nataon - dRalaiharisoa Tolojanahary Daniel mahakasika izany. Ankoatra izay, dia voatonontonona ho nampaniraka hamono hahafaty an - dRandriantsara Samuel sy Rakotomamonjy ary Pasitera Radaniela ingahy Ravita Petera. Nomena vola 2 400 000 Ariary ny olona nirahina hanao izany.
Nandritra izay folo taona latsaka izay,
dia tsy nahazo rariny teny anivon’ ny Fitsarana sy ny mpitondra Fanjakana ny mpanara - dia ny fototra manaraka ny lamina nolovaina tamin’ ny Dada Rainisoalambo nanorina ny toby ao Soatanana Avaratra any Ambatoareny. Voalaza fa nanana olona ambony niaro azy tamin’ izay rehetra nataony ity Ravita Petera ity nandritra ny Fitondran - dRavalomanana. Misy araka izany ny antso avo ataon’ izy ireo ny Fitondrana tetezamita tarihin’ ny Filoha Rajoelina mba hijery akaiky izao olana misy ao amin’ ny tobin’ ny Dada Rainisoalambo izao. Ny Pasitera Rakotondratsimba Evariste, ny Iraka Radaniela, Ny Pasitera Somahely ary ny Pasitera Rabadistra no mpitondra tenin’ ny fiangonana Ffsm amin’ izany.
Tiana Rakoto
http://www.laverite.mg/


 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack