A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga011.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Vavolombelona !
Vavolombelona ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Vavolomben'izany hianareo (Lio 24.48)

Alahady atokana ho an’ny firaisampinoana na herinandrom-bavaka ho an’ny firaisan’ny kristiana. Tamin’ny heriny isika dia teto amin’ny ERF (Eglise Réformée de France) Dijon niaraka nakalaza ny Tompo niaraka tamin’ny pretra katolika Charles TRAPET no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’ny maraina teo dia tany amin’ny fiangonana katolika Ste Thérèse tany chenove isika. Ny teny faneva tamin’izany dia ny teny izay novakiana tamintsika teo dia ny lio 24.

Araky ny fandaminana eo amin’ny fiarahan’ny kristiana (Groupe oecumenique) dia ny Ecossais no tompon’andraiktra tamin’ity taona 2010 ity ka dia io teny hoe hianareo no vavolombelon’izany io no no fidin’izy ireo. Amin’izao vanin’andro iaianantsika izao dia matetika ny toriteny na ny fampianaran’i Jesosy Kristy tamin’ny faraparan’ny fiainany tety antany no dinihin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny sehatra ekioménika (firaisampinoana) toy ny hoe “mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato amiko, ary izaho koa ao aminao, mba ho ho ao amintsika koa izy mba hinoan’izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy” Jao.17.21. hianareo no vavolombelon’izany.

Vavolombelona , inona moa izany ?
Ny hoe vavolombelona na témoins ary adika hoe maritiora ao

* amin’ny testamenta vaovao dia olona toa an’i Jaona , apostoly izay nandre, nahita, nahatsapa tanana (I Jao.1.1-4)

* ao amn’ny testamenta taloha : marika iray hita maso ho marikin’ny fifanekena eo amin’ny olona roa toa an’i Labana sy jakoba ao amin’ny Gen.31.44. Ary dia tsangambato na Galeda no anaran’izany. Teo izy ireo no niara-nifaly.

* Ny didy folo koa dia natao hoe vavolombelona (Eks.25.6). Teny voalaza matetika ny teny hoe Fiaran’ny vavolombelona ilazana ny fiara izay itondrana ny didy folo

Koa teo amin’ny jiosy, mba hampisy lanjany ny tenin’izay nahita, nandre izany hoe ny tenin’ny vavombelona raha ny fitsarana no resahina, dia tsy maintsy misy vavolombelona 2 farafahakeliny no mifanara-teny vao azo ekena ny fahamarinany.

Resahina koa fa diso na sazina izay mety ho vavolombelona mandainga. Misy ireo izay milaza fa nahita, nandre nahatsapa tanana kanefa tsy marina.

Eto amin’ity filazantsatran’i Lioka izay mitantara ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ity dia mahita isika olona 2 samihafa mitantara izany:

* Ny roalahy izay niseho tamin’ny fitafiana manelatrelatra (4). Izay nanontany tamin’ireto vehivavy ireto hoe : nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanreo ny velona. Tsy ato izy fa efa nitsangana.

* I Jesosy Kristy no miresaka tamin’izy 2 lahy raha sendra nandeha tany Emaosy izy ireo ary ny nahafantarany Azy rehefa namaky ny mofo teo am-pisakafoanana Izy ireo. Mbola niseho koa tamin’ireto mpianatra Jesosy ka nampiseho tamin’izy ireo ny tanany sy ny tongony.

Ireto olona roalahy sy Jesosy no azo lazaina fa volombelona ambaratonga voalohany ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Kanefa inona marina moa no nolazain’izy ireo ?

Vavolombelon’ny inona ?
Hoy ireto lehilahy anankiroa izay niresaka tamin’ireto vehivavy dia i Maria Magadalena, Jeanne (vadin’i Koza, mpitandrina ny fananan’i Heroda) izay lazain’i Lioka ao amin’ny toko faha 8.2-3 fa nositranin’i Jesosy tamin’ny fanahy ratsy ary i Maria, renin’i Jakoba sns..: Tsarovy ny teny izay nataony taminareo fony Izy mbola tany Galilia (Lio.9.22) : ny zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo antanan’ny mpanota ka hombona eo amin’ny hazo fijaliana ary hatsangana amin’ny andro fahatelo (7). Teo vao nahatsiaro izany teny izany ireto vahivavy ireto. Lehilahy vavolombelon’ny fahamarinana ary ny fahatanterahan’ny Tenin’i Jesosy momba Azy.

Jesosy indray, araka ny Lk 24 , dia nilaza fa adala sy votsa saina ireto roalahy izay nakany Emaosy ireto satria tsy mino izay nolazain’ny mpaminany (25). Izany fanambarana izany dia nanomboka tamin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra. Izany hoe ny soratra Masina rehetra dia manambara ny momba Azy. Ary teo am-pamakiana ny mofo vao nisokatra ny masony. Raha niseho tamin’ny mpianatra indray Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo (44) fa tsy manitsy tanteraka izay voalaza ny momba Azy ao amin’ny Lalan’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny salamo. Izany hoe ny soratra Masina rehetra na ny Testamenta Taloha raha ny amintsika Kristiana no resahina.

Mahita vavolombelona 2 samihafa isika dia Jesosy sy ireto Lehilahy 2 ireto izay milaza zavatra tokana dia ny fahatanterahan’ny Tenin’andriamanitra ny amin’ny fiaretan’i Kristy, ny fitsanganany amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ary ny fitoriana, amin’ny anarany, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenenana rehetra. Izany dia hanomboka any Jerosalema. Fa mba ahoana indray ary ny tohiny ?


Vavolombelon’izany hianareo
Raha nolazaitsika fa nisy ny andian’ny vavolombelona voalohany, ireto olona izay nisehoan’ny Tompo na nandre izany vaovao izany toa :

* Vehivavy ireto, raha vao nandre fa nitsangana tamin’ny maty Kristy arak’izay teny sy fampianarana noraisin’izy ireto tany Galilia ka tanteraka tany Jerosalema dia lasa nizara izany vaovao izany. Lasa vavolombelona kosa indray izy ireo teo anatrehan’ireto mpianatra 11 lahy. Tao ny no nino, tao no toa nanonofy raha nandre ny filazana ny vaovao mahafaly izay notantarain’ireto vehivavy ireto. Marihina moa fa ireto vehivavy ireto,raha araky ny fitantaran’i Lio 8.3 dia lazainy fa “mpanompo Azy”. Raha tongatany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny izy ireto dia tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo fa vaovao mahafaly no ren’izy ireo dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.

* I Petera, izay nihazakazaka, tsy nahita izay hitan’ireto vehivavy ireto fa lambam-paty mipetraka mitokana no hitany (12) dia lazain’i Lioka fa gaga izy. Tsy nahita an’i Jesosy na ireto roalahy izy fa lambam-paty no hitany. Marina tokoa fa na dia samy mankaty am-piangonana aza isika rehetra dia tsy mahita, mahare zavatra mitovy fa tsy maintsy misy manaitra ao. Ny an’i Petera dia tena ny maha olombelona azy no hitany : lambam-paty.Lazain’i Lioka 24.34 fa mba nisehoan’i Jesosy koa i Simona. Manamafy izany i Paoly ao amin’ny Ikor 15.5

* Ireto mpianatra 2 lahy nankany Emaosy izay niresaka momba ny fijoroan’ireto vehivavy vavolombelona ny amin’izay hitany ary koa ny fanantena’izy ireo ny amin’izay hataon’i Jesosy : nantenainay fa Izy no Ilay hanavotra ny Isiraely (21). Jesosy velona no hitan’izy ireo. Ny famakiana ny mofo ny nahafantarany azy.

Samihafa ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto Vehivavy, I Petera ary ny ry Kleopasy izay nankany Emaosy. Kanefa ny ivon’izany fijoroana vavolmbelon’izany dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Samy nihaona mivantana tamin’i Jeosy izy ireto. Nampiova ny fiaina’izy ireo izany ary nandraisany fahasoavana koa izany no manery azy ireto hizara izany.

Amintsika izay tonga eto, dia azo lazaina fa samihafa koa izay nihaonan-tsika tamin’ny Tompo. Lazain’i Tompo fa vavolombelon’izany fihaonana sy ny fiovam-piainana aterak’izany hianao ka asainy koa mitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra. Efa tsy any Jerosalema intsony isika fa eto Dijon, aty Frantsa. Mbola asain’ny tompo mijoro vavolombelona isika. Io fijoroana vavolombeloa io no mampiray ny finoan’ny fiangonana samihafa fa eo amin’ny fomba anehoana izany no samihafa.

Koa diniho ny tenanao, mba vavolombelon’izany fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty izany ve ianao ? Mba manana fijoroana vavolombelona azo atao ve? Miantso ny Tompo anio ny amin’izay tokony hibebahanao handraisanao fiainana vaovao feno fahasoavana. Izany fiainana izany no hojarainao amin’ny hafa. Amen

D.ANDRIANARIVO
Dijon 24 janoary

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack