|
Tsy fahafirin’izay
efa niteny sy nanan-kambara momba ny ray aman-dreny Kardinaly
Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, nandao antsika tsy ela akory
izay, aho. Kanefa ny niarahako niasa taminy akaiky nandritra ny
naha-Tonian’ny FFKM aho, tamin’ny 1993 ka
hatramin’ny 2000, dia tsy mamela ahy hangina tsy hilaza fohy
ireto zavatra ireto izay nampisongadina tao amin’ity ray
aman-dreny ity , ohatra velona momba ny atao hoe ezaka ekiomenika,
iantsoan’ny Tompo antsika.
Ny atao hoe ezaka
ekiomenika mantsy dia tsy adihevitra na fandalinana ihany, fa
vavaka sy fihetsika ary toe-tsaina indrindra koa.
Nandritra ny
naha-Eveken’i Mahajanga azy, nanomboka ny Avrily 1978, dia
nampiavaka azy manokana ireto fihetsika aman-toetra ireto : tena
nazoto nitsidika faritany izy. Somary lava dingana izay moa izy, ka
nazoto nandeha an-tongotra, ary tsy nampiahotra azy ny nandeha
lakana. Nomen’ny faritany anarana hoe Baba izy. Ny atao hoe
Baba any amin’ny faritry ny Sakalava dia ray
aman-drenin’ny rehetra, manaja azy na ny Kristiana, na ny
mpanompo sampy aza. Ary ity no tena zava-dehibe : rehefa mitsidika
faritany ka tonga amin’ny tanàna izy, dia tsy ny
Kristiana Katolika ihany no vangiany sy mandray azy, fa ny
Kristiana hafa koa , dia ny Protestanta samihafa, satria, hoy izy,
samy mila hery ireny. Ny ataony amin’izany dia ny
miresadresaka mankahery an’ireo hazoto amin’ny finoany
avy, fa tsy mitaona an’ireo ho lasa katolika velively akory.
Tena fihetsika ekiomenika maha-te hidera tokoa izany !
Raha feno folo taona no
nitsidihan’ny Papa Joany Paoly faharoa an’i
Madagasikara ( 1989), dia izy, izay voatendry ho Kardinaly,
nanomboka ny Febroary 1994, no nangataka ny Papa, hanasa ny
Filoham-piangonana tao amin’ny FFKM, hitsidika ny Papa tao
Vatican. Ka dia voaasa tany Vatican ary nivahiny tany nandritra ny
folo andro, ny Filoham-piangonana telo mirahalahy, miampy azy
rahateo. Ireto ny Filoham-piangonana tamin’izany : Sa
Grâce Rémi Joseph RABENIRINA, Filohan’ny EEM, sy
Ramatoa vadiny, Pastora Benjamin RABENOROLAHY, Filohan’ny
FLM, sy Ramatoa vadiny, Ny Mpitandrina Edmond RAZAFIMAHEFA, sy
Ramatoa vadiny. Dia izy mihitsy no tonga tao amin’ny
biraon’ny FFKM, niteny tamin’ny Tonian’ny FFKM
hoe “Fa angaha moa mandeha ny FFKM raha tsy ao ianao, Tonia,
koa andeha karakarao ny pasipaoronareo mivady ho any Roma isika
hitsidika ny Papa”. Izany no nahatonga anay mivady ho
anisan’ireo nitsidika ny Papa tany Vatican, ka nihaona taminy
izahay, ny 19 jona 1999. Tsy lazaina intsony ny hatsaran’ny
fandraisana anay sy ny fanomezana avy amin’ny Papa ary ny
dinidinika nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitry ny
fifandraisam-piangonana samihafa avy amin’ny fitondrana tao
Vatican. Marihina fa niantohana tanteraka ny saran-dàlana
mandroso sy miverina ary ny fiananay tany Roma.
Moa tsy fihetsika
ekiomenika lehibe manokatra ho amin’ny
fifankahalalan’ny samy Kristiana ve izany ?
Tamin’izany
fitsidihanay izany koa no nitondran’ny Kardinaly Armand
RAZAFINDRATANDRA anay, hitsidika ilay Katedraly nanendrena azy ho
Kardinaly Pretra dia ny katedraly Ss. Silvestro e Martino ai Monti,
ao Roma. Ny Kardinaly rehetra mantsy dia manana katedraly
iandraiketany manokana ao Roma. Nampihetsipo ny
fanompoam-pivavahana fohy nataonay niaraka, ka izahay mpitondra
fivavahana dia samy nanao ny akanjom-panompoana.
Fa tsy fifandraisana
amin’ny fara-tampony tahaka izany ihany no
nokarakarain’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA fa ny
fifandraisana eo amin’ny ambaratongan’ny samy
Fiangonana sy samy mpanompo na dia samy hafa finoana koa
aza.
Raha vao tonga kelikely
teto La Réunion aho, tamin’ny 2001, dia
notongavan’ny vehivavy lehibe mpiray trano taminay, nanontany
hoe : “Ianao ve Tompoko, no Pasteur Josoa Rakotonirainy ? Fa
mitady anao amin’ny telefaonina ny avy any amin’ny
Eveché ?” Rehefa noraisiko ny telefaonina dia ny
Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA no niteny tamiko : “Mandalo
eto aho ka tsara raha mihaona isika”. Dia natao ny fotoana
nihaonana, ka ny Eveka Katolikan’ny Ranomasimbe Indiana
rehetra, no tonga nihaonako sy nanasa ahy hiara-misakafo
tamin’izy rehetra. Tamin’izay no nifankahalalako
voalohany tamin’ny Evekan’i La Réunion, Mgr
Gilbert AUBRY. Ny fifandraisana amin’io ray aman-dreny lehibe
io no ananan’ny FPMA La Réunion tombony amin’ny
zavatra rehetra.
Isaky ny mandalo eto La
Réunion ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA dia tsy
manadino ny miantso anay ary efa niantrano tato aminay mivady izy,
niara-nisakafo taminay tamin’ny Mey 2006.
Porofon’ny
fahatsorampony izany ary fanomezany lanja ny fifandraisan’ny
samy olona, samy Malagasy, samy Kristiana, na dia samy manana ny
finoany aza.
“Mba ho iray ihany
izy rehetra” (Joany 17:21).
Io no tarigetran’ny
Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA. Mandra-pahatanterak’izany,
mivavaka isika ary manaiky hanao ny ezaka ekiomenika, amin’ny
alalan’ny fihetsika sy ny toe-tsaina misokatra, tahaka izay
nananan’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA. Ho
voninahitr’Andriamanitra anie ny fiainan’ny
mpanompony.
Pasteur Josoa
RAKOTONIRAINY
Mpitandrina FPMA La
Réunion
Tonia FFKM
(1993-2000)
|