|
Ry havana malala,teny nalaina tao amin'ny
filazantsara nosoratan'i Lioka 2.22c ary ao antin'ny teny izay
volamina horenesitsika anio. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana
fanhatsiarovana ny nahaterahan’i Jesosy Zaza isika izao.
Izany moa dia nanomboka tamin’ny Noely na Krismasy. Fotoana
izay nankalazain’ny fianakaviana ny fahatongavan’ity
Zaza ity tao an-tokan-tranon’i Josefa sy Maria ary
natrehin’ireto mpiandry ondry. Taorian’izany dia
nitatra ny mpamangy ka olona hafa firenena no tonga namangy satria
nahita ny kintan’ilay Zaza, tany amin’ny faritra
onenany dia any Antsinana (Orient) izay lazain’izy ireo fa
mpanjakan’ny Jiosy. Ary dia fantantsika fa na dia ny
lapan’ny fanjakan’i Heroda azy dia mba nandrekoa izany
vaovao izay aminy tsy mahafaly azy fa heveriny fa hanozongozona ny
fiandriananay. Izany famangianireto Magy na olokendry ireto izany
no lazaina fa nampisehoana an’i Jesosy tamin’ny tsy
Jiosy/jentilisa. Lazaina hoe Epifania izany. Izany Epifania izany
no mbola tohizantsika amin’ity anio ity ny fankalazana
azy.
Izany fanakalzana izany dia rentsika,
arak’izay novakiantsika teo, dia ny asan’i Jaona Mpanao
batisa.
Fa inona tokoa moa no nataon’i
Jaona ?
Lazain’i Lioka eto fa :
* Tiberio Kaisara, mpanjakana ary
amin’ny faha 15 taonan’ny nanjakany izy
* Pontio Pilato no Governora tany
Jodia
* Heroda no mpanapaka
Ireo no marika ara-tantara apetrak’i
Lioka fa nandritr’io vanim-potoana io no nananovan’i
Jaona ny asany. Raha filazantsara norenesintsika izao dia :
Jaona mpitory, Jaona
Mpampianatra/Mpananatra ary Jaona Mpanao batisa no hitantsika.
Jaona nitory tamin’ny tany rehetra any
amoron’i Jordana ny batisan’ny fibebahana ho
famelan-kelona. Jaona mitaona ny olona hamboatra ny lalan’i
Jehovah : lala-mahitsy, tsy miolakolaka. Fivam-po izany raha adika
tsotra. Miala amin’ny lalana izay alehanao fa miova
lalan-kafa. Hitantsika izany tamin’ireto Magy, rehefa avy
nihaona tamin’i Tompo dia notoroan’ny anjely lalan-kafa
fa tsy hiverina amin’i Heroda. Miova lalana, miova fiainana
izay lazaina fa fahateraham-baovao indray izay rehetra nihaona
tamin’i Tompo.
Tamin’ny vanim-potoana niandrasana
ny fahatongavan’i Jesosy, izany hoe tamin’ny advento
raha adika amin’ny vanin’andro dia tamin’ny 13
desambra 2009 lasa teo dia efa niresaka momba an’ity
asan’i Jaona ity isika. Noresahina tamin’izany ny
fanontaniana izay napetraky ny : vahoaka, mpamory hetra,ary ny
miaramila tamin’i Jaona manao hoe : Inona no hataonay ? (Lk
3.10,12,14).
Tsy tany amoron’i Jordana ihany i
Jaona no niasa fa tonga hatra ny amin’ny
lapam-panjakan’i Heroda izy nohon’ny
fitondran-tenan’ity mpanapaka ity. Tantarain’i Lioka fa
nanambady an’i Herodiasy ny vadin-drahalahiny izy.
Lazain’ireo mpandinika maro fa vady navela’i Filipo
izay tsy hafa fa zanak’i Heroda Lehibe ity Herodiasy ity.
Hitan’i Jaona fa tsy mety izany dia nanarin’i Jaona i
Heroda. Jaona miditra hatramin’ny atao hoe etika na
fitondran-tena. Lalana mety andalovana tokoa ny resaka etika toy ny
fanambadiana, ny famadihana sns.... Ankoatr’ity resaka
Herodiasy ity dia mbola misy ratsy (20) hafa nataon’i
Heroda.
Ny vokatr’izany dia nitondra
an’i Jaona, mpanao batisa ho any amin’ny toeran-kafa
dia ny tranomaizina i Heroda. I Heroda mety nieritreritra fa vita
hatreo ny amin’i Jaona Mpanao batisa kanefa ny Tompo mampiasa
izany ho fahasoavana ho an’ireo olon any antranomaizina
ahazoan’izy ireo koa mandray ny teny izay zarain’i
Jaona. I Lioka dia tsy mitantara ny vokatr’izany
fandalovan’i Jaona tany an-tranomaizina izany. Ny azo lazaina
dia betska koa anefa ny olona miaina ao an-tranomaizina na dia tsy
any aza. Manidy tena amin’ny zavatra maro hany ka tsy
tafavoaka irery fa tsy maintsy misy mpamoaka ary izany no antony
koa itenenan’ireo olona nahatsiaro tena ka nanotany
an’i Jaona hoe Inonaz no hataonay ?
Mipetraka amintsika rehetra koa ny
fanotaniana hoe : sao dia mbola any antranomaizina ary izaho ity ?
Inona no mbola mamatotra ahy ? Hevero ary manontania tena ?
Anisan’ny asa izay
nataon’iJaona indray dia ny fampianarana. Toy
ny milaza i Lioka eto fa i Jaona dia mahalala izay sain’ireto
olona miandry azy ireto (15) ka ametrahan’izy ireto
fanotaniana hoe Ity ve no Kristy sa tsia ? Dia namaly i Jaona fa ny
asany dia ny fanaovana batisa amin’ny rano fa avy Izay mahery
noho izy. Izy indray dia hanao batisa amin’ny Fanahy Masina
sy ny afo. Fampianarana fampidirana ny amin’i Jesosy izay
lazaina fa Kristy. Tsy mbola hitan’ny olona eto jesosy fa
Jaona no mampianatra. Manana fahefana hamaky izay sain’ny
olona ny mpampianatra. Io fehefana io anefa dia omen’ny
Fanahy azy amin’ny fotoana fa tsy fahefana mitoetra maharitra
afa-tsy ireo izay manana fanomezam-pahasoavana manoka momba izany.
Koa tandremo izay atao, izay heverintsika izay saintsaitsika fa tsy
misy azo afenina fa misy Fanahy asina afaka mamaky izay saininao .
Mety zavatra ny miangona isika fa tsy tena mahalala hoe inona
marina tokoa moa no mahatonga ahy ho aty am-piangonana.
Eto Jaona dia milaza momba ny tenany; Tsy
manonona velively ilay teny hoe KRISTY izy fa lazainy kosa fa
Mahery noho izy. Mizara ny hevitr’ireo mpandinika moba
an’ity anarana ity. Toy ny hoe : misy ambaratonga telo :
Jaona, Mahery (puissant) ary ny Mahery lavitra (plus puissant).
Jaona manamafy izany fa nadia ny hanatona azy eny ny hikasika ny
tongony amin’ny alalan’ny fanalana ny fehikapany aza
dia tsy azony atao.
Jaona manao batisa : Batisa
izay tsy hafa akory fa vokatry ny fanampaha-kevitra momba ny
fiovam-po ao anaty. Lazain’i Jaona koa fa na dia mitovitovy
ny asa izay ataon’izy ireo : ny batisa izany dia voafetra
kosa ny an’i Jaona : Batisa amin’ny rano ho
amin’ny fibebahana ihany. Fa Izy (Jesosy) kosa hanao batisa
anareo amin’ny Fanahy sy ny Afo. Amafisin’i Jaona izany
amin’ny fankana ohatra ny amin’ny hampisarahana vary
(izay mitondra vokatry ny fibebahana oharina amin’ny vary
izany eto) ary koa ny mololo. Iretsy voalohany : ny vary izany dia
vokatry ny Fanahy ka fanomezana maokana avy amin’i Jesosy :
mila mitondra voa ny kristiana : vary. Fa izay vokatra hafa toy ny
mololo kosa dia hodorana amin’ny afo. Jereo ny and 9. Tsy afo
fandiovana akory fa afo fandevonana. Anjarantsiaka no misafidy izay
vokatra entintsika : Vary sa mololo ?
Fa iza ary ity Jesosy ?
Raha izao fitantaran’i Lioka azy
izao dia olona tahaka ny olona rehetra ity Jesosy ity. Lazainy fa
natao batisa izy. Tsy mba nanotany tahaka an’ireto vahoaka,
mpamory hetra, ary miaramila ny amin’izay tokony hataony Izy
fa nivavaka kosa. Niresaka tamin’ny Rainy Izy ary izay dia
hamafin’izay zava-niseho :
* nisokatra ny lanitra.
* Ny Fanahy Masina nidina teo amboniny
miendrika voromailala
* Nisy feo avy tany an-danitra.
Eto no ampisehoana amin’ny vahoka
rehetra izay nanatrika ny amin’ity Jesosy ity :
Zanak’Andriamanitra Izy. Raha ny anjely no niteny
tamin’ireo mpiandry ondry, ny kintana no nampisehoana izany
tamin’ireto olon-kendry avy tany Antsinanana, eto kosa dia
amin’ny alalan’ny batisa no isehoan’i Jesosy. Eto
isika dia mahita zava-baovao hafa indray.
Lazaina i Jesosy dia tsy hafa fa
Andriamanitra nitafy nofo tahaka antsika olombelona, nanaiky ny
hatao batisa eny hatramin’ny fahafatesana azy. Eto indray
isika dia mahita ny Fanahy masina mandray endrikin’ny
voromailala. Tsy fantantsika izay tarehin’ny Fanahy Masina fa
matetika ny vokatry ny Fanahy no hitantsika sy sapantsika. Eto
anefa dia andray ny endriky ny voromailala Izy. Nandritry ny vavaka
nataon’i jesosy no nidinan’izany Fanahy izany teo
amboniny. Fanahy izay mitoetra ao aminy. Toy ny ataobatisa
amin’ny Fanahy Izy. Maro no milaza fa eto no ahitana ny
Andriamanitra Ray izay miteny, ny Zanaka izay aseho amin’ny
olombelona dia Jesosy izany ary ny Fanahy Masina aso toy ny
voromailala. Nomena anarana Jesosy eto : Zanako Malala. Ity izany
no izay Zanak’Andrimanitra tonga nofo ka aseho amin’ny
vahoaka ary tamin’i Jaona koa.
Izany no ampisehoana aminao koa
amin’ity anio ity fa Jesosy Kristy dia
Zanak’Andriamanitra. Jesosy izay ankasitrahan’ny Rainy.
Jesosy lazain’i Jaona Mpanao batisa fa Mahery lavitra noho
izy, Jesosy izay manao batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny
Afo.
Raiso toy ny sary ao antsaina ny
asan’ireo mpamboly izay mampisaraka ny voa amin’ny
tahony toy ny hazo na ny mololo.Tian’ny Tompo hodioviny tsara
ianao izay maheno izao teny izao tahaka hitondra voa toy ny vary
izay tena fantantsika malagasy fa fototsakafon-tsika.
Enga anie isika rehetra, amin’ity
taona 2010 ity mba hitondra vokatra toy ny vary ho entitsika
mamelona ny tenantsika aloha, hamelona ireo mpiray tanidrazana
amintsika eto Dijon, Bourgogne, sy ny manodidina. Aza hadinoina koa
fa manana adidy amin’ny mpiara-monina amintsika isika dia ny
frantsay sy ireo hafa firenena.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay. Amen
D.ANDRIANARIVO, mpitandrina FPMA DIjon
10 janoary 2010
|