|
Avy amin'ny Tafo Amiens :
« Sambatra ny maty,dia izay maty amin’ny Tompo hatramin’izao fa hitrahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany nanaraka azy » Apokalipsy 14 : 13.
Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay
anareo fa ny malalanay :
Andriamatoa RASIDIMANANA Benoule,
Mpitandrina misotro ronono, Prezidà nasionaly ny FPMA teo aloha, Mpandray Fanasan’ny Tompo, anisan’ny nanorina ny Fiangonana FPMA tafo AMIENS sy Fiangonana maro FPMA teto Frantsa (anisan'izany ny Tafo Dijon), Filoha sy Diakona taloha tao amin’ny Fiangonana FPMA Amiens sy FPMA Paris , Mpitandrina anisan’ny nandrindra tao amin’ny Tafo FPMA Amiens sy ny Faritany
Dia nantsoin’ ny Ray hody any Aminy ny Zoma 08 janoary 2010 rehefa nivahiny 71 taona teto an-tany.
1. Ny famangian’ny FARITANY FPMA AVARATRA-ANDREFANA sy ny Fiangonana
TAFO FPMA AMIENS manontolo dia hatao ny :
Alahady faha 10 janoary 2010 amin’ny 4 ora tolak’andro tsy diso
Toerana : 6 mail Roger Salengro 80090 Amiens.
2. Ny Fiangonana FPMA Amiens dia hitondra am-bavaka manokana azy sy ny
fianakaviany ny :
Alahady faha 17 janoary 2010.
Toerana : Fiangonana FPMA Amiens “La Chapelle”, 28 rue Millevoye 80000 Amiens ;
fidirana amin’ny 10 ora.
« Fa fantatsika fa ravana ny trano-laintsika ety an-tany, dia manana izay
voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any
an-danitra» 2 KORINTIANA 5 : 1. |