|
Vao avy nankalaza ny noely isika. Noely,
raha adika tsotra, dia fahaterahana. Tsy hiverina amin’ny
tantaran’ny noely akory no anton’izao lahatsoratra izao
fa kosa mijery zavatelo sososna dia anaran’ilay teraka, ireo
izay nilazana izany ary farany ny vokatrin’ny famangiana
mpifana araky ny fitantaran’I Lioka azy.
Iza ary no teraka ?
Raha ny filazantsara arak’izay
nanoratan’I Lioka azy dia natao ho an’ireo jiosy izy
ity. Mazava ho azy fa ivon-toerana jiosy no ijerena azy. Manomboka
izany amin’ny resam-pianakaviana. Dia ny fifandraisan’i
Elizabeta (izay nipetraka tany Jodia, faritra atsimon’ny
Palestina) sy Maria (izay mipetraka tany Nazareta, faritra
Avaratra) izay lazaina fa mpihavana na mpiray fihaviana
(Lk.1.36).
Tany amin’ny ilany dia Elizabeta
izany. I Elizabeta dia tsy nahafantatra fa hieraka izy satria
momba. Fa I Zakaria vadiny kosa no nilazan’ity iraka, atao
hoe Gabriela, avy an-danitra taminy fa hiteraka zazalahy ny vadiny
izay lazaina fa momba ka i Jaona no atao anarany. Teo
am-panatanterahana ny asany, dia ny maha mpitandrina/pretra azy,
mantsy I Zakaria no tonga ity iraka. Anjarany tamin’izay ny
fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ny tempoly tany
Jerosalema tamin’izay fotoana izay. Nangataka famantarana
tamin’ity anjely ity i Zakaria ary dia novaliany fa ho moana
izy. Ary dia tanteraka izany. Lazain’I Lioka fa ity Jaona ity
no hampody ny maro amin’Israely amin’I Jehovah
Andriamaniny, hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo.
Jaona, mpanomana ny firenena alohan’ny ahatongavan’ny
Tompo.
Fa Lioka kosa dia tsy mba mitantara
an’I Josefa tahaka an’I Matio . Mbola ny iraka Gabriela
ihany no nihaona sy nilaza tamin’i Maria, izay lazainy fa
virijiny sady tsy manambady fa voafofo tamin’I Josefa, I
Maria dia hiteraka zazalahy ary ny anarany dia atao ny hoe Jesosy :
Zanaky ny Avo indrindra, Mpanjaka amin’ny taranak’I
Jakoba mandrakizay ary ny fanjakany tsy hanana fahatamperany.
Samy nahazo teny mazava na I Zakaria izay
nilaza fa efaz antitra ka tsy hanan-janaka intsony kanjo nahazo
zazalahy dia Jaona izany. Na I Maria, izay ilaza fa virjina ary tsy
mahalala lahy kanefa voafofo amin’I Josefa, dia niteraka
an’I Jesosy.
Jaona, mpialoha lalana an’I Jesosy
no voalaza eto. Resam-pianakaviana satria mpihavana ihany izy
roalahy ireo. Eny manomboka eo amin’ny fianakaviana ny
asan’andrilanitra vao mivelatra tsikelikely amin’ny
manodidina. Lazaina eto fa ny fanjakan’I Jesosy dia tsy
hanampahataperana. Iza ary no teraka : Mpanjaka no ho teraka.
Ireo izay nilazana izany fahaterahana
izany
Rehefa avy nilazana izany
fahaterahan’I Jesosy izany Maria dia tong any didin’I
Aogosto Kaisara, niantso azy sy Josefa, fofombadiny , mba ho any
Betlehema hampanoratra ny vahoaka rehetra. Tsy maintsy miverina
amin’ny taniny ny jiosy ary dia iny tokoa izy roa lasa
nankany amin’ny tanana’I Davida izay atao hoe
Betlehema. Ary dia teo amin’izany ivom-pianakaviana izany no
nahaterahan’I Jesosy. Fianakaviana somary hafa kely satria
tsy nisy mpampiatrano fat any amin’ny fihinanam-bilona no
nandray azy. Ireo biby toy ny ondry izany. Manamafy izany rahateo
koa ny amin’ny andian’olona izay nilazana an’izao
fahaterahana izao dia ny fianakaviana akaiky izay tsy hafa fa ny
mpiandry ondry. Teo ampiandrasana ny ondriny, izany hoe teo
ampiasana toa an’I Zakaria koa, no nisehoan’ity anjely
na iraka tamin’ireto mpiandry ondry ireto tany antsaha.
Nolazai’ity anjely ity tamin’izy ireto fa Mpamonjy no
teraka ho anareo anio ao an-tananan’I Davida dia Kristy
Tompo. Io Kristy Tompo io no anarana nahafantaran’ireto
mpiandry ondry ireto an’I Jesosy. Fanampin’izany dia
nomena famantarana izy ireto ho famenon’ny filazana. Velona
ny fiderana nataon’ireto anjely ireto. Raha vao naheno ny
filazana ireto mpiandry ondry ireto dia niresaka ny amin’izay
tokony hatao dia ny handeha ho any Betlehema hizaha izany zavatra
vao tonga izany. Dia nolazaina fa nandeha faingana izy ka nahita
an’I Maria sy Josefa ary ny zazakaly nandry teo
ampihinanam-bilona.
Manoloana ny antso miendrika filazana dia
tsy nandry ny sain’ireto mpiandry ondry ireto ka lasa nijery
an’ity Mpamonjy izay teraka anio. Tsy nioandriandry izy ireto
fa tonga dia nanolotena handeha hijery an’ity zavatra vao
tonga ity.
Fianakavian’ny mpiandry ondry izany
no resahina eto. Efa milaza izany fa ho mpiandry ondry koa ity vao
teraka . Tsy dia fianakaviana aram-pirazanana va fianakaviana
arak’izay asa iombonana. Ary rehefa nahita ireto mpiandry
ondry dia inona no niseho ?
Vokatry ny famangiana mpifana
Marihina fa eto isika dia mahita
fisehoan-javatra vaovao. Misy an’ireto olona nantsoina mba
hosoratana anarana dia Josefa sy Maria izany, etsy ankilany, mahita
koa an’ireto mpiandry ondray izay nantsoina fa misy mpamonjy
koa izay teraka ao ampihinanam-bilona. Tafahaona teto izy roa took
ireto. Mivory, miangona ary midera manodidina an’ity Zaza vao
Teraka dia Jesosy, Kristy Tompo. Moa tsy milaza amintsika vez izany
ny fahaterahan’ny fiangonana kristiana ? Tena eio afovoany,
na amin’ny fomba ara-maso na aram-panahy Jesosy Kristy. Tsy
azo lazaina ve fa ity no fiangonana kristiana voalohany na dia tany
ampihinanam-biolona aza ? Fan a aiza na aiza no iangonan’ny
roa na telo mivory amin’ny Anarako dia ao afovoany Aho (Mt
18.20). Teraka koa ny fiangonana eto. Manomboka amin’ny
tenanao ,ny fianakavianao izany fiangonana izany fa tsy hoe rehefa
miaraka amin’ny hafa akory. Ny tokantrano,ny fianakaviana no
Fiangoanana voalohany. Eto isika dia mahita fa
nytokantranon’I Josefa sy Maria no isehoan’izany. Tonga
manampy azy ireo ireto Mpianbdry ondry tany an-tsaha. Velona ny
hira fiderana : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho
an’Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany
amin’ny olona ankasitrahany (Lk 2.17). Inona ary no vokatry
ny fiangonan’izy ireo ? Ny teny dia milaza amintsika fa nony
nahita ireto Mpiandry ondry ireto dia nijoro vavolombelona
tamin’ny alalan’ny teny nolazaina taminy. Ary izay
rehetra nandre dia gaga tamin’izay ravatra rehetra
nolazain’izy ireo. Mila mijoro vavolombelona, manaparitaka
izay henony ny oona nihaona tamin’I Kristy tahak’ireto
Mpiandry ondry ireto. Manankarena tokoa mantsy ny kristiana fa tsy
mizara izany fa mihazoana izany ho azy irery. Ny fizarana
an’izany vaovao mahafaly dia ny fhatongavan’ny Mpamonjy
izany no mahatonga ny fanjakan’I Kristy ho tsy
manampahatamperana. Raha tany Palestina no niseho ny tantara, isika
Malagasy koa dia nahazo anjara avy amin ‘izany. Tsy mitovy
anefa ny andraikitra sy ny anjara raisin’ny tsirairay
amin’ny fiangonana ka ao ny toa an’I Maria izay
mitadidy izany teny izany ka mieritreritra azy tao am-pony.
Tsy mamela antsika hipetrapetrapoana ny
teny. Aon y mapiely izany ao ny mitadidy sady mieritreritra azy ao
am-po. Izany no asa miandry ny Kristiana tsirairay avy . Ny
fizarana ny vaovao mahafaly.
Koa hitantsika eto ny
fahaterahan’ny fiangonana kristiana voalohany niaraka
tamin’ny fahaterahan’I Kristy Tompo. Antsoina ny
fiangonana kristiana rehetra mba hampiely ny Teny izay mitondra
vaovao mahafaly ho an’ny rehetra. Amena
FPMA Dijon
Desambra 2009
|