|
...zanako hianao, izaho no niteraka anao
androany Heb 1.5
Ry havana malala,
Hatramin’ny taonjato faha 4 izay
nanombohan’ny fiangonana kristiana niala tamin’izay
atao hoe fiangonana an-trano no nanombohan’ny fankalazana ny
atao hoe fhaterahan’i Jesosy Tompo. Tsy dia misy fototra
ara-soratra masina izy ity. Izany no tsy ahitantsika, ao
amin’ny epistily, ny TV rehetra momba an’ity hoe
fankalazana ny nahaterahan’i Kristy ity. Tsy toy ny Paska
izay mifanindry rahateo koa moa amin’ ny Paska Jiosy. Ny
Paska izay ivon’ny fiainam-piangonana kristiana.
Ny tantara dia mampiseho
Amin’ity taona ity dia ny
tantaran’ny fahaterahan’i Jesosy araky ny bokin’i
Lioka no noraisina. Tsy mitovy amin’izay lazain’i Matio
izay mitantara ny amin’ireto Magy avy tany an-tsinanana.
Olona tsy jiosy fa olon-kendry sady manan-pahaizana manokana momba
ny fijerena ny lanitra. Nahita ny kitan’ilay
mpanjakan’ny Jiosy izy ireo ka tany amin’i Heroda izay
mpanjaka no namantanany.
Resaky ny samy tsy jiosy izao
tantarain’i Matio izao. Voakasikin’ny
Fahaterahan’i Jesosy koa ny tsy jiosy toy ireto Magy, izay
olon’ny fahalalana sy ny fahendrena ary Heroda, olon’ny
fanapahana sy ny fanjakana. Jesosy mpanjaka no hitan’izy
ireo
Eto amin’ity bokin’i Lioka ity
indray dia voatondro mazava ny vanim-ptotoana izay
nisahoan’ny tantara dia :
* Aogosto Kaisara, namoaka didy ny
amin’ny fanoratana
* Kyrenio mpanapaka tany syria
Io didy navoak’i Aogosto Kaisara io
no antony nialan’i Josefa sy Maria izay tany Nazareta any
Galilia hankany Betlehema any Jodia mba hosoratana izy roa
mpifamofo.
Tantaraina eto ny ny nahatongavany tao
amin’ny tanin’i Davida, satria taranany i Josefa dia
lazaina fa tsy nahita toerana hivantanana izy roa hany ka tany
ampihinanam-bilona no nahaterahan’ity Lahimatoan’i
Maria. Tsy dia mazava loatra ny amin’ity hoe fihinanambilona
ity fa dia samy manana ny fomba fijeriny ny mpandinika maro
(grotte, sns..). Ny ao antsiana dia any amin’ny
fihinana’ny biby vilona Jesosy no teraka. Biby toy ny ondry
izany.
Tamin’izany koa no
nisehon’ireto anjely (irak’Andrimanitra)
tamin’ireto mpiandry ireto mba hilaza amin’izy ireo ny
amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia Kristy Tompo.
Fanambarana narahan’ny Fiderana an’Andriamanitra
nataon’ireto anjely ireto
Ary dia nandeha faingana no lasa tany
Betlehema izy ireto hijery an’izany zavatra izany. Ary rehefa
nahita izy ireo dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny
amin’izany Zaza izany. Nankalaza sy nidera
an’Andriamnitra izy ireto nohon’ny zavatra izay reny sy
hitany. Izay raha fintinina fohy ny amin’ity tantara izay
nosoratan’i Lioka ity momba ny nahaterahan’i
Jesosy.
Inona no tsikaritra ?
* Marihina fa tsy mba misy anaran’i
Jesosy voatonona eto na dia indray andeha monja aza. Any 1.31 no
nolain’ny Anjely taminy fa ny anaran’ilay zazalahy dia
hatao hoe Jesosy :zanakin’ny avo indrindra. Anarana hafa no
iantsoana azy eto : Lahimatoa (6), zaza (6), Mpamonjy (11), Kristy
Tompo (11), zazakely (12), Zavatra vao tonga izany (15). Asa na
marikin’ny fanajana na fahatahorana no tsy anononana ny
anaran’i Jesosy. Ny azo tenenina koa dia eo anivon’ny
Jiosy ny tantara no resahina hany ka tsy dia fanaony loatra ny
manonona ny anaran’Andriamanitra.
* Ny fiderana sy ny fankalazana
an’Andriamanitra ny amin’izao fahaterahana izao.
Fiderana nataon’ny anjely ho an’Andriamanitra :
Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho
an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany
amin’ny olona ankasitrahany (14). Hira izay lazain’ny
mpandinika maro fa nadika tamin’ny teny hebreo. Hita koa izao
hira izao any amin’ny Lio 19.38 raha niakatra ho any
Jerosalema Jesosy . Ny Voninahitra dia ho an’andriamnitra fa
ny fiadanana ho ety zambonin’ny tany. Io Fiadanana io no ho
entin’i Jesosy ho an’ny olona. Io no vokatrin’ny
famonjena izay entiny.
* Ny manodidina izao tantara izao. Lazaina
fa raha teraka ny Tompo dia ny lamban-jaza no nanodidina azy. Tena
olombelona no teraka eto satria fantatsika rehetra no fomba
amam-panao moba izany fahaterahana nizany. Ny voninahitry ny Tompo
no lazaina fa manodidina izao tantara izao tamin’ny
alalan’ny anjely izay niseho tamin’ireto mpiandry ondry
ireto. Tsy zaza toy ny zaza rehetra no teraka fa
zanak’Andriamanitra arak’izay volazan’ny
mpanoratry ny hebreo izay novakiantsika teo. Izany no manamafy ny
antony tsy nanonon’izy ireo ny anaran’i Jesosy
angamba.
Ny hafatry ny noely.
Amin’izao fahaterahana izao dia
miara-paly ny any an-danitra sy ety an-tany. Hitantsika izany
tamin’ny hiran’ireto anjely ireto. Voninahitra ho
an’Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany
ho an’ny olona ankasitrahany. Fa iza ary moa no
ankasitrahan’Andriamanitra : ny olona rehetra satria
tian’andriamanitra isika rehetra. Anjaranao no mifidy ary
.Toy ireto mpiandry ireto dia aza matahotra ny mandray
fanampahan-kevitra ka handeha hijery izany zavatra izany. Eny mety
ho “zavatra” ihany tokoa ho anao izany amin’ny
voalohany fa rehefa avy eo, rehefa avy nahita dia mampiely izay
hitanao. Andramo fa tsara Jehovah.
Ny Mpiandry ondry no nolazaina eto ho
enti-milaza, ohatra fa ilay teraka anie dia tsy hafa fa mitovy asa
amin’izy ireo ihany: fa sady Ondry no Mpiandry tsara.
Mpiandry ondry taranaka mpiandry ondry malaza dia Davida izany.
Ilay ondry novonoina nohon’ny heloko, nohon’ny helokao
izany no maha filazam-baovao azy : raha ianao, izaho no tokony ho
faty dia voa avotra izaho sy ianao nohon’ny sorona
ataon’i Jesosy teo ambony hazo fijaliana. Mpiandry tsara izy
satria arak’izany, izy mpiandry no mamy ny ainy hamonjy ny
ondriny. Jereo ary diniho akaiky ny nataon’ireto mpiandry
ondry ireto : nankalaza an’Andriamanitra nohon’ny
zavatra izay hitany sy reny arak’izay nolazaina taminy. Izany
koa no andrasana amintsika rehetra izay efa nahita sy nahare ary
nandray izany famonjena izany. Ny hampiely izany: fijoroana
vavolombelona.
Farany, misarika ny saina ny momba
an’ireto raiamandrenin’ilay zaza. I Josefa dia toa
olona manatrika ihany. I Maria indray rehefa avy nanodidina lamba
an’ilay zaza dia toa an’i Josefa ihany. Marika milaza
izany fa na i Maria na Josefa dia samy
nampiasain’Andriamanitra ihany fa tsy i zy mivady akory no
nisahirana nahatanterahan’izao famonjena izao. Kanefa marika
izay tsy azo ihodirana : olona manodidina an’ilay zazakely
voahodidina lamban-jaza ary miverina in-telo izany eto
amin’ny tantara : (7) tamin’ny fahaterahany, (12) izao
no famantarana ho anareo hoy ny anjely tamin’ireto mpiandry
ondry ireto, (16) nahita tokoa an’ilay Mpamonjy
arak’izay nolazain’ny anjely.
Mitarika ny saintsika ny
fiafaran’izao tantara izao: Fa Maria, kosa, nitadidy izany
teny izany ka nieritreritr’izany tao am-pony . Ireto Mpiandry
ondry ireto kosa raha nahita dia nampiely ny vaovao ka nahagaga
an’izay rehetra nandre izany ary nidera sy nankalaza
an’Andriamanitra,.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay. Amen
FPMA Dijon
Noely 2009
|