A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga057.JPG

Firy

Il y a actuellement 23 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Ilay mpitondratena Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...fa izy (mpitondratena malahelo) kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra Mk.12: 44 b

Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika.

Ry havana malala,

Madiva hifarana ny taom-piangonana, afaka roa tokom-bolana eo ho eo (21 andro) izany. Madiva hifarana koa ny tantara mampiseho ny asa nataon’i Jesosy tety ambonin’ny tany satria efa any Jerosalema Izy amin’izao araky ny teny izay novakiantsika tamin’ny Mk.12 teo. Any amin’ny Tempoly, tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy no mipetraka.

Anio isika dia hijery indray ny tantara anakiroa : Mpanora-dalàna sy ilay mpitondratena.

Ny Tantara roa

Any Jerosalema no miseho ny tantara. Jerosalema izay :

* iakaran’ny jiosy rehetra mba hamonjy fety lehibe toy ny Paska

* ifanenan’ireo olona samihafa : toy ny mpanora-dalàna ,ireo mpanao raharaha mari isan-karazany ary koa ireo olontsotrea tonga mamonjy izany fety izany.

Eto amin’izao toko sy andininy izao isika dia mahita an’i Jesosy miresaka ny momba an’reo antokon’olona ireo

Ny and.38-40 dia iresahany momba ny Mpanora-dalàna.

Mpanora-dalàna izay tsy hita sehatra intsony hatramin’ny and.12. Mpanora-dalàna izay nolazain’i Jesosy fa hamono Azy ahazoany mandray ny lova (7). Izany no antony nitadiavany hisambotra an’i Jesosy (12) kanefa natahotra ny olona izy ireo. Ireo Mpanora-dalàna ireo no lazain’i Jesosy fa tokony ho tandremana nohon’ny fitadiavan’izy ireo mba ho fantatry ny olona ka mahatonga azy mandehandeha eny :

* an-tsena : manao akanjo lava, te-hoharabain’ny olona eny an-tsena

* synagoga : mipetraka eo aloha mba ho hitan’ny olona

* fanasana : mipetraka eo aloha

Ireo marika ivelany akanjo, toerana aloha sns.. no tena mampiavaka an’ireto mpanora-dalàna ireto fa tsy ny tena asany dia ny fampianarana,fandikana ny baiboly, nilaza ny antony tokony hitazndremana ny Didy folo sns..

Fa ankoatr’izany dia mbola mandany ny volan’ny mpitondra tena izy ireo ary koa manao vavaka lavareny mba ahafantarana azy.

Lazain’i Jesosy fa hahazo fanamelohana mafimafy izy ireo.

Ny and.41-44 : mpitondra tena mahantra

Mbola any Jerosalema ihany no mitohy ny tantara, Jesosy mipetraka tandrifin’ny fandatsahan-dakitra no tantarain’i Marka eto. Maro ireo mpandatsa-drakitra hita eto tao ny manan-karena fa tao koa ny mahantra ary anisan’izany ny mpitondra-tena (veuve). Samy nandatsaka izay nananany avy. Tao ny tamin’ny harena nananany, tao ny tamin’ny fahantrany..

Tantara roa izay ny voalohany mampitandrina antsika ny amin’izay tokony hahamalina antsika dia ny fisehoana ivelany ary koa ny fanararaotana ny malemy. Ny faharoa kosa dia ny fanomezana izay tokony hataontsika dia izay ananantsika ka lafo vidy amintsika dia ny fivelomantsika rehetra

Ahoana hoy Jesosy

Niantso ny mpianany Jesosy (43) ary dia niteny hoe : “lazaiko aminareo marina dia marina tokoa” na Amen. Marika ilazana izany ny maha zava-dehibe ny vetin-kevitra na ny votoatin’ny fampianarana ho lazain’i Jesosy amin’ny Mpianany :

* Tsy misy fiderana an’ilay mpitondratena ataon’i Jesosy eto. Ny fantatra dia izao : nanome betsaka noho ireto izay lazaina fa mpanan-karena izy. Ireto mpanan-karena ireto tokoa mantsy dia izay nananany no nentiny fa tsy mba toy ity mpitondratena ity : izay rehetra nananany, ny fivelomany rehetra

* Amin’ny teny malagasy dia samy mandatsa-drakitra no ilazana izao fihetsika izao na ao amin’ny Lio 21.1 na Mk.12. Ny teny fototra kosa dia milaza fa izao fihetsika tantarain’i Marka dia tsy mba nampiasa ny teny hoe fanomezana (offrande) na fanatitra tsy alatsa-drà toy ny vokatra, fahafolokarena, fanatitra ... Ny nataon’ity mpitondra tena ity dia ny nanolotra ny fiainany rehetra teo zamin’ity fandatsahandrakitra ity.

Hafatra ho antsika

Raha nihaino isika tamin’ity anio ity dia nahare koa tany amin’ny famakiana ny testamenta taloha tantara izay mitovy amin’izao : Elia, mpaminany tany am-pandosirana, novelomin’ny goaika kanefa koa nihaona tamin’ity vehivavy mpitondra tena avy any Zarefata ity. Nanome izay nanany rehetra ho an’i Elia izy ary dia voalaza fa tsy tapitra akory ny koba ao amin’ny barika mandrampahatongan’ny ranonorana alatsak’i Jehovah amin’ny tany (I Mp.17.14). Natoky an’ilay Andriamanitr’i Elia ilay mpitondra tena ka nandray tambiny vokatr’izany.

Izao tantara izao dia miantso antsika fa tsy ny fihetsika ivelany toy ny nataon’ireto Mpanora-dalàna ireto akory no zava-dehibe. Fa ny fanomezana ny fiainanao feno ho an’Ilay Jesosy Kristy Tompontsika . Izay nanome ohatra : ny ainy no natolony hamonjy ny mahantra dia isika izany. Efa nanome antsika ohatra Izy Anjarantsika ny manaraka ny lalana izay nosoritany..

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Amen

FPMA Dijon
Anio 8 novambra 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack