A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga040.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Jobily : Voalohambokatra
Jobily : Voalohambokatra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Faha 50 taona ny FPMA,

Isaorana an’Andriamanitra fa nanendry mpanompo indray hiasa amin'ny tanimboalobony IZY. Nivoaka tamin’ny alarobia 11 novambra 2009 lasa teo ny voaloham-bokatry ny famaranana ny fankalazana ny jobilin’ny FPMA. Izany dia ny fisian’ireo olona izay hitantana ny FPMA mandrampahatonga amin’ny synaoda vaovao amin’ny herintaona. Maherin’ny adiny 12 vao vita ny fifidianana. Naseho tamin’izany fa tsy eo ambany lalàna ny FPMA fa ambany fahasoavana. Hany ka betsaka ireo andininy maro no naato mba ahazoana miroso amin’izay tian-kirosoana.

Koa dia arahabaina eto ireo olona izay nomen’ny synaoda fitokisana tamin’izany :
Filoha :  Atoa J.A Ravalitera, mpitandrina
Filoha mpanampy : Atoa Solo Andrianomenjanahary, mpitandrina
Filoha mpanampy : Atoa Jean Solo Rafidinarivo
Tonia : Atoa Rado Ramarotafika
Mpitambola : Atoa Herintsoa Rasidimanana
Mpitantana ny vola : Atoa Hery Andriambololona
Mpanolontsaina : Atoa Seth Rasolondraibe, mpitandrina

Isaorana eto koa ny Faritany Afovoany Antsinana izay nandray izao synaoda/Zaikabe izao, ny mpitandrina, ny Filoha, ny mpiandraikitra isantsokajiny

Koa dia aoka isika hahatsiaro amim-bavaka an’izy ireo.

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack