|
pasitera
|
Toko telo mahamasa-nahandro
Misy tokoa ireo vanim-potoana izay tokony ahatsiarovana ireo zoky
raiamandreny izay nahandro nahamasaka an’ity FPMA ity
hatramin’izay nahitana an’ireo antotan-taratsy maro
isan-karazany. Jerena isaky ny vanim-potoana niainan’ny FPMA
izy ireo. Tao ny nanangana, tao ny nampitombo ary tao ny nampitombina.
Pasteur BIANQUIS (1853-1935)
Raha ny mpamboly
no jerena voalohany dia mpanompon’Andrimanitra mirahalahy no
tonga ato an-tsaina. Ny iray dia misionery vahiny nandalo tany
Madagasikara tamin’ny taona 1904 tany ho any ary ny iray kosa
dia mpitandrina Malagasy tonga taty Frantsa nohon’ny antony
maro samihafa. Tsy iza izy ireo fa Pasteur BIANQUIS (1853-1935), izay
Directeur ny Société des Missions
Evangéliques de Paris (SMEP) izay nikatona
tamin’ny taona 1970 tany ho any ka noraisin’ny
DEFAP
ny trano sy ireo tahiry maro momba ny asa misionery ka anisany
amin’izany ireo izay niasa tany Madagasikara,
tamin’ny sehatry ny Mission Protestante Française
n any MPF.
Nandritry ny fotoana nijanonany tany Madagasikara dia niasa betsaka
tamin’Atoa RAVELOJAONA, izay niasa nitaiza tanora tao
Antsahamanitra tamin’izany fotoana izany. Lasa mpitandrina
taty aoriana (tany Ambohitantely Antananarivo tamin’ny
taona1908) Atoa RAVELOJAONA. Nohon’ny antony maro dia
nalefan’ny MPF taty Frantsa RAVELOJAONA, mpitandrina
tamin’ny taona 1916. Ka nanomboka nipetraka tany Paris.
Nandritry ny ady lehibe kosa izy dia lasa
“infirmier” ka nanampy ny aumonerie militaire tany
Marseille. Ny nitsanavahiny tany amin’ny toby fitodiantsambo
tany Marseilles no nataon’I Pr. RAVELOJAONA. Ka
isak’izay mahita Malagasy tonga izy dia notolorany boky kely
atao hoe “Vatsimpanahy” ilay olona. Marihina fa 200
teo ho eo no mpiangona Malagasy tany Marseille tamin’zany
fotoana izany.
Rehefa vita ny ady dia nody tany Madagasikara ary namonjy ny fiangonany
notandremany I Pr. RAVELOJAONA. I Pr.BIANQUIS kosa dia mbola nanohy ny
fitaizana an’ireo Malagasy tany Frantsa taorian’ny
ady. Marihina fa tamin’ny
alahady 8 janoary 1922 no nanatanterahany ny batisa voalohany teto
amin’ny Fiangonana protestanta Malagasy ka tany
Paris tao amin’ny SMEP nonanaovana izany. Boky Batisa natao
hoan’ny Malagasy no nanoratana an’izany.
Raha tao ny mpanangana dia tao kosa ny mpampijoro tamin’ny
alalan’ny fanangonana an’ireo fiangonana maro izay
nielimpatrana teto Frantsa kanefa kosa tsy dia nisy fifandraisana na
fifanatonana. Tamin’ny taona 1954 I Pr. J.W.RABEMANAHAKA no
nanoratra ho an’ny mpianatra Malagasy Protestanta aty Frantsa
hilazana ny fandroasoan’ny vivavina hananana mpitandrina ho
an’ny mpianatra Malagasy aty andafy no anton’izany
taratsy izany. Nahatonga fifanantonana teo amin’ny samy
mpianatra izany. “Tsarovy fa raharahan’Andrianitra,
izy ity, izany hoe Andriamanitra no tena miasa hahatanteraka azy azaky
ny sitrapony” hoy Pr RABEMANAHAKA. Niezaka izy nandresy
lahatra ny tany Madagasikara : ireo Fiangonana Protestante miray
amin’ny Comité Intermissionnaire etsy andaniny ary
kosa ny Mpianatra Malagasy miely eran’ny Frantsa etsy
ankilany. Tsy mora ny andraikitra niraisin’I Pr.J.W.
RABEMANAHAKA. Fa ambon’izany rehetra izany izy dia mbola
manatanteraka asa toy ny mariazy. Natolny ny hevitra ny
amin’ny “souscription” izay tokony
handraisan’ny mpianatra anjara ny amin’ny
fahatonfavan’ilay mpitandrina. Tena fifandrimbonana tokoa ny
teny nampiasain’I Pr. J.W. RABEMANAHAKA ho an’ireo
mpianatra tamin’izany fotoana izany. Izany ezaka izany moa
dia tonga tamin’ny fahatongavan’I Pr. Daniel
RALIBERA tamin’ny taona 1956. Ho
fantanterahan’izany Fiarahan’ny Fiangonana
Protestanta Malagasy taty Frantsa izany dia nisy ny synaoda izay natao
tany Villemetrie (60) tamin’ny taona 1959, nivoaka tao
amin’ny JORF fa tafajoro arampanjakana ny FPMA ary
tamin’ny 1964 no nivoaka ny Lijorjia FPMA voalohany indrindra.
Marihina moa fa voafidy ho Filohan’ny Fiombonan’ny
Fiangonana Protestanta eto Madagasikara FFPM tamin’ny taona
1992-1992 I Pr.RABEMANAHAKA Jean Williberton ary ny famangiana farany
nataony teto amin’ny FPMA dia tamin’ny fanatrehany
ny synaoda tany Montpellier tamin’ny taona 1997. Misotro
ronono ny Pr. J.W RABEMANAHAKA amin’izao fotoana izao.
Tafatsangana ny FPMA fa ny tena MAHA-IZY AZY ny FPMA amin’ny
lafiny aram-pampianarana
na teolojika
no mbola tsy dia voatrandraka. Tamin’ny zaikabe natao tao
Paris tamin’ny taona 1993 no nanafarana ny
Filohan’ny FFPM tamin’izay fotoana dia Dr
Péri RASOLONDRAIBE mivady. Tamin’izay koa moa no
nahazoantsika an’ilay Litorjia izay antsointsika hoe Litorjia
A . Nandeha ny resaka fa ho lasa loterana ny FPMA nohon’io
litorjia misy hira ho an’nMpitandrina io. Tena hadino
tanteraka ny litorjia izay nolanian’ny synaodan’ny
FPMA tamin’ny 1964 izay tsy dia lavitra an’io
litorjia io. Nohazavain’I Dr RASOLONDRAIBE
tamin’izany fa io Litorjia io dia natao ho an’ny
rehetra hatramin’ny katolika ka hatramin’ny
protestanta. Tsy tena nolanian’ny FFPM izy io fa natao kosa
mba handramana rehefa mivory ny roa tonta. Nanomboka
hatramin’izay dia niverina indray ny
fifandraisan’ny FPMA amin’ny FFPM. Ny vokany dia ny
nahazoantsika mpitandrina synaodaly vavao dia ny Pastora Mamy
ANDRIAMAHENINA tamin’ny taona 1994. Niasa ny Tompo ka
notendreny niasa tany Geneve amin’ny Foibe Loterana Erantany
Dr Péri RASOLONDRAIBE mivady. Lasa Filoham-boninahitry ny
FPMA izy hatramin’izay mandrakankehitriny. Betsaka ireo
fampianarana nentiny ambonin’ny MAHA-IZY AZY NY FPMA, ny
Firehakevitra teolojika ny FPMA ary vokatr’izany ny
Soritr’asa ny FPMA izay mitondra ny lohateny hoe Fiombonana
manao asa misiona, ho fanasitranana izao tontolo izao sy ho
fizaràna ny fiainana be dia be izay
tarihin’ny Mpitandrina Seth RASOLONDRAIBE. Avy
amin’io fampianara izay mijery fahatontoloan’ny
olona ireo no loharano niaingan’ireo “Constitution
de la FPMA”, ny “Statut” ary ny
“Réglement Intérieur” rehefa
avy notsofin’ny FFPM rano hahaleo tena tamin’ny
1996 ny FPMA.
Niangavian’ny FPMA handika niaraka tamin’ny
Mpitandrina Victor RAKOTOARIMANANA ny atao hoe
“cathéchèse de Heidelberg. Tena tolotra
avy tamin’ny Tompo tokoa ny Dr Péri RASOLONDRAIBE
satria raha nobeazina tany amin’ny fiangonana loterana izy
dia tsy itantarana ny atao hoe Réformé :
Propestanta hiringirina izy. Mitandrina any amin’ny FLM 67Ha izy mivady
amin’izao fotoana izao. Fiangonana lazain’ireo
mpitandrina maro fa lehibe indrindra any Afrika satria
maherin’ny 8000 any ho any no isan’ny mpiangona.
Mbola am-perin’asa ny Dr Péri RASOLONDRAIBE ary
ankalazaina ankehitriny ny jobilin’izy mivady .
- Koa tao ny mpamboly
dia Rev BIANQUIS/RAVELOJAONA, nahazoana ireo Tafo isam-paritra
- Teo koa ny mpanangona
dia Rev. JW. RABEMANAHAKA, nananganana ny FPMA tamin'ny 1958
- Ary tao ny mpampianatra
dia Rev Dr. P.RASOLONDRAIBE, nirosoana tamin'ny Asa Misiona
Ireo no Toko Telo naha-masa-nahandro ho antsika eto amin’ny
FPMA
Fa ANDRIAMANITRA no mampitombo ny FPMA ka tratr’izao Jobily
izao . Koa isaorana anie Andriamanitra nohon’ireo mpiasany
ireo.
Isaorana ny Tompo tamin’ireo mpanompony maro nifandimby teto
amin’ny FPMA. Fomba fijery iray izao natao izao. Koa dia
ialana tsiny eto ireo izay tsy voatonona.Tao ny voalaza, tsy hadino koa
anefa ireo tsy voatonona fa ny Tompo mahita lavitra ary koa mankasitra
izay nataontsika ho Azy.
Koa ny Voninahitra dia ho Azy irery Ihany fa ny fahasoavany kosa ho
antsika rehetra.
D.Andrianarivo
FPMA Dijon
Okt 2009
|