A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga005.JPG

Firy

Il y a actuellement 11 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mars 2010 > »
L M M J V S D
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Jobily : Toko Telo Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Toko telo mahamasa-nahandro

Misy tokoa ireo vanim-potoana izay tokony ahatsiarovana ireo zoky raiamandreny izay nahandro nahamasaka an’ity FPMA ity hatramin’izay nahitana an’ireo antotan-taratsy maro isan-karazany. Jerena isaky ny vanim-potoana niainan’ny FPMA izy ireo. Tao ny nanangana, tao ny nampitombo ary tao ny nampitombina.

Pasteur BIANQUIS (1853-1935)
Ravelojaona (1879-1956)
Pr RABEMANAHAKA
Dr Péri RASOLONDRAIBE

Raha ny mpamboly no jerena voalohany dia mpanompon’Andrimanitra mirahalahy no tonga ato an-tsaina. Ny iray dia misionery vahiny nandalo tany Madagasikara tamin’ny taona 1904 tany ho any ary ny iray kosa dia mpitandrina Malagasy tonga taty Frantsa nohon’ny antony maro samihafa. Tsy iza izy ireo fa Pasteur BIANQUIS (1853-1935), izay Directeur ny Société des Missions Evangéliques de Paris (SMEP) izay nikatona tamin’ny taona 1970 tany ho any ka noraisin’ny DEFAP ny trano sy ireo tahiry maro momba ny asa misionery ka anisany amin’izany ireo izay niasa tany Madagasikara, tamin’ny sehatry ny Mission Protestante Française n any MPF.

Nandritry ny fotoana nijanonany tany Madagasikara dia niasa betsaka tamin’Atoa RAVELOJAONA, izay niasa nitaiza tanora tao Antsahamanitra tamin’izany fotoana izany. Lasa mpitandrina taty aoriana (tany Ambohitantely Antananarivo tamin’ny taona1908) Atoa RAVELOJAONA. Nohon’ny antony maro dia nalefan’ny MPF taty Frantsa RAVELOJAONA, mpitandrina tamin’ny taona 1916. Ka nanomboka nipetraka tany Paris. Nandritry ny ady lehibe kosa izy dia lasa “infirmier” ka nanampy ny aumonerie militaire tany Marseille. Ny nitsanavahiny tany amin’ny toby fitodiantsambo tany Marseilles no nataon’I Pr. RAVELOJAONA. Ka isak’izay mahita Malagasy tonga izy dia notolorany boky kely atao hoe “Vatsimpanahy” ilay olona. Marihina fa 200 teo ho eo no mpiangona Malagasy tany Marseille tamin’zany fotoana izany.

Rehefa vita ny ady dia nody tany Madagasikara ary namonjy ny fiangonany notandremany I Pr. RAVELOJAONA. I Pr.BIANQUIS kosa dia mbola nanohy ny fitaizana an’ireo Malagasy tany Frantsa taorian’ny ady. Marihina fa tamin’ny alahady 8 janoary 1922 no nanatanterahany ny batisa voalohany teto amin’ny Fiangonana protestanta Malagasy ka tany Paris tao amin’ny SMEP nonanaovana izany. Boky Batisa natao hoan’ny Malagasy no nanoratana an’izany.

Raha tao ny mpanangana dia tao kosa ny mpampijoro tamin’ny alalan’ny fanangonana an’ireo fiangonana maro izay nielimpatrana teto Frantsa kanefa kosa tsy dia nisy fifandraisana na fifanatonana. Tamin’ny taona 1954 I Pr. J.W.RABEMANAHAKA no nanoratra ho an’ny mpianatra Malagasy Protestanta aty Frantsa hilazana ny fandroasoan’ny vivavina hananana mpitandrina ho an’ny mpianatra Malagasy aty andafy no anton’izany taratsy izany. Nahatonga fifanantonana teo amin’ny samy mpianatra izany. “Tsarovy fa raharahan’Andrianitra, izy ity, izany hoe Andriamanitra no tena miasa hahatanteraka azy azaky ny sitrapony” hoy Pr RABEMANAHAKA. Niezaka izy nandresy lahatra ny tany Madagasikara : ireo Fiangonana Protestante miray amin’ny Comité Intermissionnaire etsy andaniny ary kosa ny Mpianatra Malagasy miely eran’ny Frantsa etsy ankilany. Tsy mora ny andraikitra niraisin’I Pr.J.W. RABEMANAHAKA. Fa ambon’izany rehetra izany izy dia mbola manatanteraka asa toy ny mariazy. Natolny ny hevitra ny amin’ny “souscription” izay tokony handraisan’ny mpianatra anjara ny amin’ny fahatonfavan’ilay mpitandrina. Tena fifandrimbonana tokoa ny teny nampiasain’I Pr. J.W. RABEMANAHAKA ho an’ireo mpianatra tamin’izany fotoana izany. Izany ezaka izany moa dia tonga tamin’ny fahatongavan’I Pr. Daniel RALIBERA tamin’ny taona 1956. Ho fantanterahan’izany Fiarahan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy taty Frantsa izany dia nisy ny synaoda izay natao tany Villemetrie (60) tamin’ny taona 1959, nivoaka tao amin’ny JORF fa tafajoro arampanjakana ny FPMA ary tamin’ny 1964 no nivoaka ny Lijorjia FPMA voalohany indrindra.

Marihina moa fa voafidy ho Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara FFPM tamin’ny taona 1992-1992 I Pr.RABEMANAHAKA Jean Williberton ary ny famangiana farany nataony teto amin’ny FPMA dia tamin’ny fanatrehany ny synaoda tany Montpellier tamin’ny taona 1997. Misotro ronono ny Pr. J.W RABEMANAHAKA amin’izao fotoana izao.

Tafatsangana ny FPMA fa ny tena MAHA-IZY AZY ny FPMA amin’ny lafiny aram-pampianarana na teolojika no mbola tsy dia voatrandraka. Tamin’ny zaikabe natao tao Paris tamin’ny taona 1993 no nanafarana ny Filohan’ny FFPM tamin’izay fotoana dia Dr Péri RASOLONDRAIBE mivady. Tamin’izay koa moa no nahazoantsika an’ilay Litorjia izay antsointsika hoe Litorjia A . Nandeha ny resaka fa ho lasa loterana ny FPMA nohon’io litorjia misy hira ho an’nMpitandrina io. Tena hadino tanteraka ny litorjia izay nolanian’ny synaodan’ny FPMA tamin’ny 1964 izay tsy dia lavitra an’io litorjia io. Nohazavain’I Dr RASOLONDRAIBE tamin’izany fa io Litorjia io dia natao ho an’ny rehetra hatramin’ny katolika ka hatramin’ny protestanta. Tsy tena nolanian’ny FFPM izy io fa natao kosa mba handramana rehefa mivory ny roa tonta. Nanomboka hatramin’izay dia niverina indray ny fifandraisan’ny FPMA amin’ny FFPM. Ny vokany dia ny nahazoantsika mpitandrina synaodaly vavao dia ny Pastora Mamy ANDRIAMAHENINA tamin’ny taona 1994. Niasa ny Tompo ka notendreny niasa tany Geneve amin’ny Foibe Loterana Erantany Dr Péri RASOLONDRAIBE mivady. Lasa Filoham-boninahitry ny FPMA izy hatramin’izay mandrakankehitriny. Betsaka ireo fampianarana nentiny ambonin’ny MAHA-IZY AZY NY FPMA, ny Firehakevitra teolojika ny FPMA ary vokatr’izany ny Soritr’asa ny FPMA izay mitondra ny lohateny hoe Fiombonana manao asa misiona, ho fanasitranana izao tontolo izao sy ho fizaràna ny fiainana be dia be izay tarihin’ny Mpitandrina Seth RASOLONDRAIBE. Avy amin’io fampianara izay mijery fahatontoloan’ny olona ireo no loharano niaingan’ireo “Constitution de la FPMA”, ny “Statut” ary ny “Réglement Intérieur” rehefa avy notsofin’ny FFPM rano hahaleo tena tamin’ny 1996 ny FPMA.
Niangavian’ny FPMA handika niaraka tamin’ny Mpitandrina Victor RAKOTOARIMANANA ny atao hoe “cathéchèse de Heidelberg. Tena tolotra avy tamin’ny Tompo tokoa ny Dr Péri RASOLONDRAIBE satria raha nobeazina tany amin’ny fiangonana loterana izy dia tsy itantarana ny atao hoe Réformé : Propestanta hiringirina izy. Mitandrina any amin’ny FLM 67Ha izy mivady amin’izao fotoana izao. Fiangonana lazain’ireo mpitandrina maro fa lehibe indrindra any Afrika satria maherin’ny 8000 any ho any no isan’ny mpiangona. Mbola am-perin’asa ny Dr Péri RASOLONDRAIBE ary ankalazaina ankehitriny ny jobilin’izy mivady .

- Koa tao ny mpamboly dia Rev BIANQUIS/RAVELOJAONA, nahazoana ireo Tafo isam-paritra
- Teo koa ny mpanangona dia Rev. JW. RABEMANAHAKA, nananganana ny FPMA tamin'ny 1958
- Ary tao ny mpampianatra dia Rev Dr. P.RASOLONDRAIBE, nirosoana tamin'ny Asa Misiona

Ireo no Toko Telo naha-masa-nahandro ho antsika eto amin’ny FPMA

Fa ANDRIAMANITRA no mampitombo ny FPMA ka tratr’izao Jobily izao . Koa isaorana anie Andriamanitra nohon’ireo mpiasany ireo.
Isaorana ny Tompo tamin’ireo mpanompony maro nifandimby teto amin’ny FPMA. Fomba fijery iray izao natao izao. Koa dia ialana tsiny eto ireo izay tsy voatonona.Tao ny voalaza, tsy hadino koa anefa ireo tsy voatonona fa ny Tompo mahita lavitra ary koa mankasitra izay nataontsika ho Azy.
Koa ny Voninahitra dia ho Azy irery Ihany fa ny fahasoavany kosa ho antsika rehetra.


D.Andrianarivo
FPMA Dijon
Okt 2009
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack