|
Nahiratra niaraka tamin'izay.... |
|
|
|
|
Administrator
|
Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka ,nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana . Mk 10: 52
Ny andro anio 25 oktobra 2009 moa dia :
- Alahadin’ny Reformasiona anio ho an’ny Protestanta
- Alahadin’ny Asa Misiona ho an’ny FPMA
Samy manana ny toerany mazava ireo eto amin’ny fiangonantsika. Ny voalohany dia ny fiverenana amin’ny Tenin’Andriamanitra ary ny faharoa dia ny fanohanana ny fitaizana arak’izany Tenin’Andrimanitra izany ho an’ny rehetra eto amin’ny FPMA.
Miroso mankany Jerosalema Jesosy ary nihaona tamin’ilay tovolahy mpanakarena izy . Izany no teny azontsika tamin’ny farany teo. Hoy Jésosy tamin’ity tovolahy ity : mandeha, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy. Ny tohiny : Dia nanjombona tery ny tarehiny tamin’izany teny izany, ka niala tamin’ny alahelo izy, satria nanana harena be .Anio isika dia hijery indray ny tantaran’ity lehilahy jamba iray ity dia Bartimeo izany
Ny Tantaran’i Bartimeo
Eny an-dalàna mankany Jerosalema Jesosy no mihaona amin’ity olona lehilahy iray izay lazaina hoe jamba mpangataka. Bartimeo no anarany, anankiray, ary mbola ampian’ny hoe zanak’i Timeo (46). Ny dikan’ny hoe Bartimeo dia ny hoe zanak’i Timeo, ary ny hoe Timeo indray dia manakaja (honorable) no dikany raha teo amin’ny grika izay nolovana tamin’ny teny hebreo izany. Taranak’olona manakaja izay tratry ny fahajambana
- ka lasa mpangataka , mipetraka eny antsisin-dalana mba hitady fiantra ilay olomanan-kaja. Nisy fiantraikany tamin’ny fiainany ny fahavoazany.
- Ny hany sisa taminy dia ny sofina : ary nony reny fa injay i Jesosy avy any Nazareta (47)
- Ary koa ny feo : dia niantso izy ka nanao hoe : Ry Jesosy, zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko (47)
Arakarak’izay nampanginana azy no vao maika koa niantsoiny mafy an’i Jesosy izay nampiantso azy. Ren’i Jesosy ny antson’ity jamba ity. Nantsoin’i Jesosy izy fa tsy mba nentina tahaka ireo marary hafa toy ilay mararin’ny paralisisa na ilay jamba ao amin’ny 8.22-26). Midika izany fa tsy resin’ny fahalainana na voafatotry ny hajambana akory ity Bartimeo ity fa mbola afaka mihetsika ary koa mamindra. Ka ilay nisaka teo dia ny vahoaka izany no lasa nanome toro-lalàna hoe “Matokia”.
Nanary ny lambany i Bartimeo izany hoe nanary izay maha-Bartimeo azy izy teo amin’ny fiaraha-monina izany toy ny haja , voninahitra sns..(50) fa tena nihanjahanja, miboridana ohatra teo anoloanan’i Jesosy izay nohatoniny ny momba azy rehetra.. Manolotra ny tenany : izay maha olona azy rehetra eo amin’i Jesosy i Bartolomeo.
Nanotany azy izay tiany hataon’i Jesosy aminy ny Tompo . Namaly Bartimeo hoe ny hampahiratra ny masony.
Bartimeo :Olona manan-pinoana an’i Jesosy, izay lazainy hoe “Rabony” na mpampianatra tsara indrindra no hotantsika eto. Kanefa rehefa nataon’i Jesosy hoe “Mandeha hianao” ; dia taiza no nandehanany ? nanaraka an’i Jesosy.
Izany no tantaran’i Bartolomeo, jamba izy nefa nahiratra. Betsaka koa ny karazan’ny hajambana izay mahazo antsika. Tsy ny jamba ara-nofo fa eo koa ny hajambana aram-panahy. Izany no iantefan’izao teny izao aminao amin’ity anio ity.
Tantara faharoa mikasika ny fahagaga fanasitranana ataon’i Jesosy ity. Ny tantaran’ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy tao “BETSAIDA” dia ny ao amin’ny Mar 8.22-26.
- Anaran’olona tsyy nolazaina ny anarany
- Tsy mahazaka tena fa olona no mitondra izy
- Mpitsabo no ahitana an’i Jesosy miaraka amin’ity lehilahy ity
- Nalefan’i Jesosy nody izy ity rehefa sitrana.
Manome anao alalana mazava ny Tompo na hanaraka Azy ianao na tsia aorian’izay efa nataony taminao.
Eo anelanelan’izao tantara momba ny fanasitranana jamba anankiroa izao no ilazan’i Jesosy fa hiaritra intelo izy.
Ny olona manakaja lazaina eto dia tahaka ny Mpisorona be izay tantarain’i Hebreo 5. Ny maha manakaja anao dia tsy ianao no mitonon-tena fa izay Antsoin’Andriamanitra momba izany. Eto isika dia mahita ny fiveran’ny hajan’ilay tovolahy.
Reformasiona sy Asa Misiona
Ny Reformasion dia ilay fiovam-penitra maherivaika nataon’i Lotera tany Alemegne, Calvin tany Soisa ohatra. Nohon’ny fiverenan’ny fahitan’ny masom-panahiny dia niverena amin’ny tenin’Andriamanitra irery ihany izy. Lazainy tamin’izany fa ny Tenin’Andriamanitra io faratampony amin’ny fahefana eo amin’ny fiangonana. Vokatr’izany dia nanoratra izy ireo “thèses maro ka tao ny 95 tao ny 97 manoloana ny fiainan’ny fiangonana tamin’ny taona 1517. Reformasion izay te-hamerina ny ny olona amin’ny maha mana-kaja azy amin’ny alalan’ny toeran’ny Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainany.
Nanaiky izany fihetsik’i Lotera izany koa ity Frantsay, nipetraka tany Soisa ity ka nanao sonia ny taratasy nataon’ny mpiara-miasa amin’ny Lotera dia Melanchton izany tamin’ny taona 1546. Taratsy manazava momba ny hoe : tsy ny toeran’i Kristy ao amin’ny fandraisana (sakafo) ohatra no mavesa-danja eo amin’ny famonjena ny olona fa ny fanamarinana amin’ny finoany ihany. Resaka nandeha tamin’izany fotoana izany moa izao lazaina izao. Koa ny fiangonana izay nanaraka izany hevitr’i Lotera izany dia natao hoe Réformé na Protestant. Calvin, dia olon’ny lalàna na dia mpitandrina koa aza. Ny protestant moa tsy dia milaza an’io loatra. Ny tena tsaroany dia ny fanavaozana lalina na teo amin’ n fomba ama-panao izany na koa teo amin’ny finoana. Amin’ny maha mpanao lalàna azy dia niasa mafy tokoa i Calvin ny amin’ny rafitra ao amin’ny fiangonana tany Genève ohatra.
Hitantsika eto amin’ny tantaran’i Bartimeo izany : ny finoanao no efa nahavonjy anao (52). Tsy mba nisy fihetsika hafa nataon’i Jesosy tahaka ny amin’ilay jamba tao amin’ny toko faha 8 izay hitantsika teo.
Mazava ny tenin’i Tompo raha raisika izao andininy faha 52 izao : ny fanirahan’i Jesosy mba handeha. Ny amin’i Bartimeo manokana dia hitantsika fa nandeha niaraka tamin’i Jesosy izy. Lalana izay noraisiko, noraisinao, iarahantsika rehetra. Izany no atao hoe Asa Misiona : olona mandeha, olona voairaka.
Nahatsapa fa voairaka ny FPMA ka izany no antony anaovana ny akahady anio koa hoe Alahadin’ny Misiona FPMA. Ny fitaizana ny ain’ny Fiangonana no resahina amin’izao. Ireo izay nantsoina tahaka an’i Bartolomeo dia manaraka “Raby”. Io Raby io eto amin’ny tantara dia Jesosy Kristy. Mariho tsara ny teny milaza an’i Jesosy nataon’i Bartolomeo :
- Jesosy avy any Nazareta tamin’ny fiandohan’ny Tantara (47) rahefa niandry azy Bartolomeo
- Jesosy zanak’i Davida kosa no nantsoiny hamindra fo aminy (47, 48)
- Rabony ô , niaiky i Batolomeo fa mpampianatra tokoa i Jesosy (51) ary ny tantara milaza fa nanaraka azy Izy.
Rehefa lasa Jesosy dia tsy nijanona teo akory ny asa fa nisy ireo nantsoin’Andrimanitra hanohy izany dia isika rehetra izao. Nefa zarazaraina ho samihafa moa nyadidy ka ao ny mpiangona tsotra, ao ny diakona ao ny mpiandraikitra maro samihafa ary ao koa ny Mpitandrina. Ireo mpitandrina ireo no eken’ny FPMA fa mpampianatra ao aminy. Ka mila tohanana. Izany no antony iantsoana antsika rehetra mba hanohana izany asa masina izany.
Asain’i Jesosy handeha ny olona izay nandray ny fahitana ka nampiverina ny maha izy azy an’ilay olona. Tahaka an’i Bartolome, izay manankaja (honorable) ohatra, nohon’”ny tsy fahitany/fahajambany dia lasa mipetraka teny amorondalana mba hangataka. Very ny zo aman-kaja nohon’ny aretina. Izany no antony ahatongavan’i Jesosy. Ny hamerina ny zo ananao ary ny toro-lalana arosoanao dia ny hanarahanao azy koa.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
Toriteny FPMA DIJON
Alahady 25 oktobra 2009
|