|
Nahiratra niaraka tamin'izay.... |
|
|
|
|
pasitera
|
Dia nahiratra niaraka
tamin’izay ny masony, ka ,nanaraka an’i Jesosy teny
an-dalana . Mk 10: 52
Ny andro anio 25 oktobra 2009 moa dia :
- Alahadin’ny Reformasiona anio ho an’ny
Protestanta
- Alahadin’ny Asa Misiona ho an’ny FPMA
Samy manana ny toerany mazava ireo eto amin’ny
fiangonantsika. Ny voalohany dia ny fiverenana amin’ny
Tenin’Andriamanitra ary ny faharoa dia ny fanohanana ny
fitaizana arak’izany Tenin’Andrimanitra izany ho
an’ny rehetra eto amin’ny FPMA.
Miroso mankany Jerosalema Jesosy ary nihaona tamin’ilay
tovolahy mpanakarena izy . Izany no teny azontsika tamin’ny
farany teo. Hoy Jésosy tamin’ity tovolahy ity :
mandeha, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana
rakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy. Ny tohiny : Dia
nanjombona tery ny tarehiny tamin’izany teny izany, ka niala
tamin’ny alahelo izy, satria nanana harena be .Anio isika dia
hijery indray ny tantaran’ity lehilahy jamba iray ity dia
Bartimeo izany
Ny Tantaran’i
Bartimeo
Eny an-dalàna mankany Jerosalema Jesosy no mihaona
amin’ity olona lehilahy iray izay lazaina hoe jamba
mpangataka. Bartimeo
no anarany, anankiray, ary mbola ampian’ny hoe
zanak’i Timeo (46). Ny dikan’ny hoe Bartimeo dia ny
hoe zanak’i Timeo, ary ny hoe Timeo indray dia manakaja (honorable)
no dikany raha teo amin’ny grika izay nolovana
tamin’ny teny hebreo izany. Taranak’olona manakaja
izay tratry ny fahajambana
- ka lasa mpangataka
, mipetraka eny antsisin-dalana mba hitady fiantra ilay olomanan-kaja.
Nisy fiantraikany tamin’ny fiainany ny fahavoazany.
- Ny hany sisa taminy dia ny sofina : ary nony
reny fa injay i Jesosy avy any Nazareta (47)
- Ary koa ny feo
: dia niantso izy ka nanao hoe : Ry Jesosy, zanak’i Davida
ô, mamindra fo amiko (47)
Arakarak’izay nampanginana azy no vao maika koa niantsoiny
mafy an’i Jesosy izay nampiantso azy. Ren’i Jesosy
ny antson’ity jamba ity. Nantsoin’i Jesosy izy fa
tsy mba nentina tahaka ireo marary hafa toy ilay mararin’ny
paralisisa na ilay jamba ao amin’ny 8.22-26). Midika izany fa
tsy resin’ny fahalainana na voafatotry ny hajambana
akory ity Bartimeo ity fa mbola
afaka mihetsika ary koa mamindra. Ka ilay nisaka teo dia
ny vahoaka izany no lasa nanome toro-lalàna hoe “Matokia”.
Nanary ny lambany i Bartimeo izany hoe nanary izay
maha-Bartimeo azy izy teo amin’ny fiaraha-monina izany toy ny
haja , voninahitra sns..(50) fa tena nihanjahanja, miboridana ohatra
teo anoloanan’i Jesosy izay nohatoniny ny momba azy rehetra..
Manolotra ny tenany : izay maha olona azy rehetra eo amin’i
Jesosy i Bartolomeo.
Nanotany azy izay tiany hataon’i Jesosy aminy ny
Tompo . Namaly Bartimeo hoe ny hampahiratra ny masony.
Bartimeo :Olona manan-pinoana an’i Jesosy, izay
lazainy hoe “Rabony” na mpampianatra tsara
indrindra no hotantsika eto. Kanefa rehefa nataon’i Jesosy
hoe “Mandeha
hianao” ; dia taiza no nandehanany ? nanaraka
an’i Jesosy.
Izany no tantaran’i Bartolomeo, jamba izy nefa nahiratra.
Betsaka koa ny karazan’ny hajambana izay mahazo antsika. Tsy
ny jamba ara-nofo fa eo koa ny hajambana aram-panahy. Izany no
iantefan’izao teny izao aminao amin’ity anio ity.
Tantara faharoa mikasika ny fahagaga fanasitranana ataon’i
Jesosy ity. Ny tantaran’ny fahagagana voalohany
nataon’i Jesosy tao “BETSAIDA” dia ny ao
amin’ny Mar 8.22-26.
- Anaran’olona tsyy nolazaina ny anarany
- Tsy mahazaka tena fa olona no mitondra izy
- Mpitsabo no ahitana an’i Jesosy miaraka
amin’ity lehilahy ity
- Nalefan’i Jesosy nody izy ity rehefa sitrana.
Manome anao alalana mazava ny Tompo na hanaraka Azy ianao na tsia
aorian’izay efa nataony taminao.
Eo anelanelan’izao tantara momba ny fanasitranana jamba
anankiroa izao no ilazan’i Jesosy fa hiaritra intelo izy.
Ny olona manakaja lazaina eto dia tahaka ny Mpisorona be izay
tantarain’i Hebreo 5. Ny maha manakaja anao dia tsy
ianao no mitonon-tena fa izay Antsoin’Andriamanitra momba
izany. Eto isika dia mahita ny fiveran’ny
hajan’ilay tovolahy.
Reformasiona sy Asa
Misiona
Ny Reformasion dia ilay fiovam-penitra maherivaika nataon’i
Lotera tany Alemegne, Calvin tany Soisa ohatra. Nohon’ny
fiverenan’ny fahitan’ny masom-panahiny dia niverena
amin’ny tenin’Andriamanitra irery ihany izy.
Lazainy tamin’izany fa ny Tenin’Andriamanitra io
faratampony amin’ny fahefana eo amin’ny fiangonana.
Vokatr’izany dia nanoratra izy ireo
“thèses maro ka tao ny 95 tao ny 97 manoloana ny
fiainan’ny fiangonana tamin’ny taona 1517.
Reformasion izay te-hamerina ny ny olona amin’ny maha
mana-kaja azy amin’ny alalan’ny toeran’ny
Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainany.
Nanaiky izany fihetsik’i Lotera izany koa ity Frantsay,
nipetraka tany Soisa ity ka nanao sonia ny taratasy nataon’ny
mpiara-miasa amin’ny Lotera dia Melanchton izany
tamin’ny taona 1546. Taratsy manazava momba ny hoe : tsy ny
toeran’i Kristy ao amin’ny fandraisana (sakafo)
ohatra no mavesa-danja eo amin’ny famonjena ny olona fa ny
fanamarinana amin’ny finoany ihany. Resaka
nandeha tamin’izany fotoana izany moa izao lazaina izao. Koa
ny fiangonana izay nanaraka izany hevitr’i Lotera izany dia
natao hoe Réformé na Protestant. Calvin, dia
olon’ny lalàna na dia mpitandrina koa aza. Ny
protestant moa tsy dia milaza an’io loatra. Ny tena tsaroany
dia ny fanavaozana lalina na teo amin’ n fomba ama-panao
izany na koa teo amin’ny finoana. Amin’ny maha
mpanao lalàna azy dia niasa mafy tokoa i Calvin ny
amin’ny rafitra ao amin’ny fiangonana tany
Genève ohatra.
Hitantsika eto amin’ny tantaran’i Bartimeo
izany : ny finoanao no efa nahavonjy anao (52). Tsy mba nisy fihetsika
hafa nataon’i Jesosy tahaka ny amin’ilay jamba tao
amin’ny toko faha 8 izay hitantsika teo.
Mazava ny tenin’i Tompo raha raisika izao andininy faha 52
izao : ny fanirahan’i Jesosy mba handeha. Ny
amin’i Bartimeo manokana dia hitantsika fa nandeha
niaraka tamin’i Jesosy izy. Lalana izay noraisiko,
noraisinao, iarahantsika rehetra. Izany no atao hoe Asa Misiona : olona
mandeha, olona voairaka.
Nahatsapa fa voairaka ny FPMA ka izany no antony anaovana ny akahady
anio koa hoe Alahadin’ny Misiona FPMA. Ny fitaizana ny
ain’ny Fiangonana no resahina amin’izao. Ireo izay
nantsoina tahaka an’i Bartolomeo dia manaraka
“Raby”. Io Raby io eto amin’ny tantara
dia Jesosy Kristy. Mariho tsara ny teny milaza an’i Jesosy
nataon’i Bartolomeo :
- Jesosy avy any Nazareta tamin’ny
fiandohan’ny Tantara (47) rahefa niandry azy
Bartolomeo
- Jesosy zanak’i Davida kosa no nantsoiny hamindra
fo aminy (47, 48)
- Rabony ô , niaiky i Batolomeo fa mpampianatra
tokoa i Jesosy (51) ary ny tantara milaza fa nanaraka azy Izy.
Rehefa lasa Jesosy dia tsy nijanona teo akory ny asa fa nisy ireo
nantsoin’Andrimanitra hanohy izany dia isika rehetra izao.
Nefa zarazaraina ho samihafa moa nyadidy ka ao ny mpiangona tsotra, ao
ny diakona ao ny mpiandraikitra maro samihafa ary ao koa ny
Mpitandrina. Ireo mpitandrina ireo no eken’ny FPMA fa
mpampianatra ao aminy. Ka mila tohanana. Izany no antony iantsoana
antsika rehetra mba hanohana izany asa masina izany.
Asain’i Jesosy handeha ny olona izay nandray ny fahitana ka
nampiverina ny maha izy azy an’ilay olona. Tahaka
an’i Bartolome, izay manankaja (honorable) ohatra,
nohon’”ny tsy fahitany/fahajambany dia lasa
mipetraka teny amorondalana mba hangataka. Very ny zo aman-kaja
nohon’ny aretina. Izany no antony ahatongavan’i
Jesosy. Ny hamerina ny zo ananao ary ny toro-lalana arosoanao dia ny
hanarahanao azy koa.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy
Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
Toriteny FPMA DIJON
Alahady 25 oktobra 2009
|