A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga011.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow V3M !!!
V3M !!! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Alahady 25 oktobra 2009

Alahadin'ny Asa Misiona

Ry Havana,
Ampitomboina amintsika hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin'’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

Manana Mpitandrina  voahosotra miisa 20 ny Fpma ary 5 amin’izy ireo ihany no matihanina . Na eo aza ny finiavan’ny Mpitandrina hafa hanokana ny fotoana amin’izany asa fitandremana ny fiangonana izany, dia  eo koa ny fandaminana sy ny fitadiavana amin’ny fiainana andavanandro ka  nahatonga ny ankamaroan’izy ireo tsy maintsy mitady asa mba ahazoana ny enti-manana eo amin’ny andavanandro sy ny fianakaviana.

Tsy afaka hanatanteraka ny asany amin’ny tokony ho izy ny fiangonana raha tsy misy  Mpitandrina manokana ny fotoanany rehetra amin’ny asa fitandremana, satria tsy afaka hivelatra sy hitory ny filazantsara ny fiangonana raha tsy voakolokolo  sy mitombo  ny finoan’ ny Mpiangona ao aminy, amin’ny alalan’ny  fianarana  sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra.

Isika vahoakan’ny Fpma no voakasika amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, ary fomba iray ahazoantsika manome ny anjara birikintsika amin’ny asa fitoriana ny filazantsara  ny fanaovana ny “souscription”.

Efa ho herintaona izao no natomboka ny “souscription” izay natao teo anivon’ny FPMA, tafo dimy no efa nandray anjara , ary vokatr’izany dia nitombo iray indray ny isan’ny Mpitandrina matihanina eo anivon’ny FPMA.

Tafo telo kosa no hikasa hiroso amin’ny fametrahana Mpitandrina matihanina dia : Lyon, Lille ary Grenoble.

 Nisy ny ezaka vita , na dia  mbola lavitra amin’ny tanjona ho tratarina aza izany,  mbola hitohy ny fanentanana hataon’ireo solontenan’ny Vaomiera  isam-piangonana sy isam-paritra.

Ny  alahady 25 oktobra  izao no  hatokana ho “alahadin’ny  asa misiona ” izay hitondrana am-bavaka izany tetik’asa izany satria raha tsy “Jehovah no manao ny trano miasa foana ny Mpanao azy” , ary hanolorantsika eny amin’ny alitara ny  taratasy mikasika ny “souscription” izay efa nozaraina tamin’ny alahady farany teo.

Ny Tompo izay efa niantso antsika rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana ny filazantsara  no handresy lahatra antsika, ka  mba ho fitaovana eo am-pelantanany amin’ny fametrahana Mpitandrina Matihanina amin’ny tafo rehetra eo anivon’ny FPMA.

Dia ho an’Andriamanitra Irery ihany ny Voninahitra amin’izay rehetra tanteraka sy mbola ho hataontsika ho fampandrosoana ny Fanjakany.

VMMM -FPMA

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack