|
pasitera
|
Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy na ny FPMA, io no anarana nentin'io vondrompoangonana protestanta malagasy teto Frantsa io nanomboka tamin'ny taona 1959. Anarana izay efa nofidian'ireo Komity iraisan'ireo misionera (CI) tany Madagasikara ho an'ireo fiangonana izay miorina izany. Raha ny tena izy dia efa talohan'izany no niorina ny fiaraha-mivavaka tany Strasbourg, Paris, Montpellier ohatra. Tsy mba fiangonana natsangan'ny mpitory filazantsara izy ity fa ny efa voatory ny filazantsara no nivondrona ka niara-nidera sy nankalaza an'ilay Andriamaniny.
Noho izany dia fijoroana vavolombelona nataon'izao zoky raimandreny
izany no niatonbohany. Hita izany fa tao Paris , ohatra, dia matetika
izy ireo no nakany amin'ny foyer anakiray, 36 rue de l'Avre, ny alahady
hariva tany amin'ny taona 1930 tany ho any. Tamin'ny taona 1916,ny 10
desambra no ningona voalohany tao amin'ny Société
de Mission Evangélique de Paris, 102 bld Arago ny malagasy
teto Paris.Azo zaraina ho 4 miantoana ny fepotoanan'ny FPMA dia ny ady
lehibe 2, ny hatreo amin'ny 1959,hatramin'ny taona 1996 ary ny teo
anelanelan'ny 1945 - 1959 izany.
Fotoan'ny miaramila
Betsaka ireo tovolahy malagasy no niady teo anilan'ny mpanjanatany dia
ny frantsay izany. Na tamin'ny ady voalohany (1914-1918) izany na
tamin'ny ady lehibe faharoa (1939-1945). Misy milaza fa ny ady lehibe
voalohany dia nisy hatramin'ny dimy alina latsaka kely. Nisy ny
mpitandrina frantsay nikarakara azy ireo dia i ny mpitandrina
Elisée ESCANDE, izay misionera frantsay niasa tany
Madagasikara ka niverina manokana tany Frantsa mba hiandraikitra
an'ireto mialamila ireo. Nisy koa mpitandrina malagasy maro izay
niara-miasa taminy. Tany Strasbourg no foiben-toerana fitaizana sy
fanohanana an'ireto miaramila ireto. Efa nisy koa ireo malagasy maro
tonga nianatra tany Frantsa tamin'izany. Koa dia niara-niangona, nidera
an'Andriamanitra tamin'izany izy ireo. Saiky nisy malagasy daholo iny
faritra atsimon'ny Frantsa iny tamin'izany ary betska ireto
vondrom-bavaka no nandefa vaovao ho an'ny mpitaiza fanahy ho an'ny
Tafika.
Ny ady lehibe faharoa indray dia i Jean François VERNIER
indray no niandraikitra ny fitaizam-panahy ho an'ireto miaramila
malagasy izay niisa teo amin'ny dimy arivo sy iray alina teo ho eo.
Betsaka koa reo mpitandrina malagasy izay niara-niasa taminy. Marihina
moa fa i VERNIER dia nipetraka indray tany atsimo atsinanan'i Frantsa.
Niparitaka ny miaramila malagasy fa nisy hatrany Afrika avaratra,
Alemaina, Belzika sns..Samy nanome vaovao an'ingahy VERNIER moa izy
ireo. Rehefa vita ny ady dia nody tany madagasikara amin'izay ny
miaramila ka ny mpianatra sy ireo mpiasa no sisa tafajanona tany
Frantsa. Betsaka tamin'ireo miaramila no lasa babo ary nisy koa ireo
izay niandry ireo fahavalo azo babo izay nifampizarandry zareo ny
rehetra eny hatramin'ny sakafo.Tamin'izany no nisian'ny
fiaraha-mivavaka ho an'ireo izay azo Babo tamin'ny ady.
Taona 1946-1959
Azo lazaina fa tanàna 3 no nisy fanompoam-pivavahana tsy
tapaka dia i Strasbourg, Montpellier ary Paris. Raha ny Paris manokana
dia tao amin'ny Maison de la Mission, 102 boulevard Arago izy ireo no
niangona isaky ny alahady voalohany amin'ny volana ary indrindra fa ny
fankalazana ny krismasy. Lazaina fa tamin'ny 1946 ohatra no
nitsanganan'ny FPMA Montpellier. Raha ny Fiangonana Protestanta
Malagasy Paris , indray dia efa talohan'izany satria tamin'ny 1933 tany
ho any dia efa nandefa vaovao tsy tapaka tamin'ny mpitaiza fanahy
miaramila izy ireo ary dia efa nanana kaonty tany amin'ny paositra..
Nitsangana talohan'ny fikambanana AEOM izay nitsangana tamin'ny taona
1936 tany ho any izy ireo. Tany amin'ireo tanàna nisy
fianarana teolojia izay neken'ny Mission Protestante
Française (MPF) izay lasa ao anatin'ny FJKM taty aoriana. Ka
ireo mpitandrina nanohy fianarana tany Frantsa no niandraikitra ny
fampandraisana sy ny asa pastoraly rehetra tamin'izany. Eny fa na dia
samy mpianatra aza dia samy nandray ny andraikiny tokoa izy ireo. Tsapa
tokoa ny fifankatiavana sy ny firahalahiana nisy tamin'izany andro
izany. Ireo fiangonana telo dia Strasbourg, Paris ary Montpellier no
nifanaiky fa hangataka mpitandrina "aumônier" malagasy avy
any Madagasikara tamin'ny alalan'ny ny Comité
intermissionnaire (CI), izay lasa FFPM taty aoriana, no nangatahin'izy
ireo mba handefa azy any Frantsa ary hiantoka ny fivelomany. Nandritry
ny taona maro ny fifampiresahana. Anisan'ny mpanetsiketsika tamin'izany
ny mpitandrina RABEMANAHAKA Jean sy RANDRIANARIVELO Lucien Em izay samy
nipetraka tany Paris izay niangona idroa isambolana tany amin'ny Eglise
Réformé de France, 58 rue Madame Paris.
Nifanaraka ny roa tonta dia ny tany amin'ny CI fa hifampizarana ny
fiveloman'ny mpitandrina hiandraikitra an'ireo mpianatra any Frantsa ka
handray anjara amin'izany ny fiangonana telo tany amin'ireo
tanàna voalaza teo. Nitombo tokoa moa ny fiangonana
nitsangana toa an'i Toulouse ohatra. Nohon'ny fisian'ny fifanarahan'ny
roa tonta indriandra fany fanomezan'ny Paris antoka fa izy dia vonona
ny hanome an'io fivelomana io dia tonga ny mpitandrina malagasy
nalefan'ny CI hiandraikitra ny mpianatra.
Talohan'izany moa ny Fédération Protestante de
France dia efa nanendry an'i VERNIER J.F hiandraikitra ny
fitaizam-panahi'ireo mpianatra avy any amin'ny nosy maro ka
anisan'izany ny malagasy tonga tany Frantsa. Hita tokoa fa tena nitety
an'ireo tanàna nisy mpianatra malagasy i VERNIER tamin'izany
fotoana izany.
FPMA 1959-1996 : mpianatra
Nivory tany Villimétrie tamin'ny 1959 ary ny
fiaraha-mivavaka avy amin'ny tanàna 6 tany France ary dia
nanapa-kevitra izy ireo tamin'izany fa hiaraka ao anatin'ny Fiangonana Protestana Malagasy
iray mitondra ny anarana hoe Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy
afohezina amin'ny hoe FPMA.
Tsy nisy fijerena ny hoe loterana sy ny sisa fa izay Protestanta
malagasy dia afaka miditra ao. Ny mpitandrina Daniel RALIBERA no
voatendry fa hiasa ao amin'ny FPMA. Ao moa ny efa mihevitra fa tena
fiangonana no ajoro fa tsy aumonerie toy ny an'ny mialramila teo aloha.
Nikambana ny malagasy protestanta rehefa tsy ao ny teolojia fa ny
fampiasana baiboly sy ny hira malagasy kristiana no nanandanja. Samy
zanaky ny CI daholo moa ireo tamin'izany.Tany amin'ny taona 1962 tany
ho any dia namoaka litorjia ho azy ny FPMA. Nisy ny fotoana izay ctsy
nisian'ny filoha sinaodaly teto amin'ny FPMA ka ny laika ny nitondra
tamin'izany toa an'i Dr RASIDIMANANA Benoule izany. Nisy koa fotoana
izay nahazoany "autonomie financière" avy tamin'ny FFPM. Teo
koa no niverenany hiaraka akaiky tamin'ny FFPM ka nahazoany mpitandrina
sinaodaly vaovao dia i ANDRIAMAHENINA Mamy, pastora izany.
FPMA 1996-2008 : mpiasa
Nanomboka nahaleo tena ara-bola amin'izay ny FPMA. Tamin'ny taona 1996,
nandritry kongresy izay natao tany FPMA Cergy, no nanapahan'ny FPMA ny
fahaleovantenany ary vokatr'izany dia afaka manamasina/manokana
mpitandrina ho azy izy izany. Lasa Fiangoanana protestanta Malagasy aty
Andafy tokoa ny FPMA. Nojerana ry ireo asa, andraikitra maro izay
tokony hatao mba ahazoan'ny FPMA mitombo amin'ny maha Fiangonana azy.
Fiangonana miaraka amin'ny FPF eto Frantsa ary koa mifandray amin'ny
Fiangoana protestanta any Madagasikara. noezahin'nby FPMA koa ny
hiditra any amin'ny Foiben'ny fiangonana Loterana any Geneve
(Féderation luthérienne mondiale na FLM) , ny
Fiombonan'ny fiangonana Réformé eran-tany
(Alliance Réformée mondiale na ARM) ary ny
Fédération Protestante de France FPF. Ny FPMA dia
fiangonana frantsay miteny malagasy. Manaraka ny rafitra congrégationaliste
synodal izy satria ny ankatokin'ny mpandray
(congrégation) no manapaka farany ao aminy toy ny FJKM any
Mazdagasikara. Nanomboka nandray an-tanana ny fiveloman'ireo
mpitandrina maro ao aminy FPMA ka misy amin'izao fotoana izao
mpitandrina 6 no miasa ao amin'ny FPMA. Eo an-dalàna
fananganana fomba iray ahazoana mandray mpitandrina 5 farafahakeliny
amin'ny alalan'ny hoe Vaomiera Misahana ny Mpitandrina na VMMM na V3M
eto amin'ny FPMA. Koa dia mampirisika anareo mba handray anjara
amin'izany. Anontanio ao amin'ny foibe FPMA ny andinidiny rehetra.
Marihina fa mankalaza amin'ity taona ity izao ny faha 50 taona ny FPMA.
Isaorana ny Tompo momba izany. Tsy ny FPMA no 50 taona fa ny synaoda
izay natao tany Villemétrie tamin'ny taona 1959 no
ankalazaina amin'izany.
Tsara ho marihina ireto daty ireto :
- 1956 no
tonga teto Frantsa i Pr Daniel Ralibera nohon'ny fangatahana nataon'i
Pr Jean Rabemanahaka tany amin'ny Comité Intermissionnaire.
Nanomboka teo dia niala tamin'ny Aumonerie des Etudiants izay teo
ambany fiahian'ny Féderation Protestante de France ny
mpianatra malagasy
- 1962 vao
tena lasa ara-dalàna ho Fikambanana na "Association
cultuelle " ny FPMA.
- 1964 no
nivoahan'ny Litorjia FPMA voalohany.
Raha jerena dia hita fa nifandray tamin'ny tantaran'i Madagasikara ny
an'ny FPMA, raha misy hetsika any dia misy koa aaty amin'ny FPMA toy ny
fahaleovantena, ny taona 1972, ny taona 1991 sns.. Ireo FPMA ka lasa
nody any Madagasikara moa dia mivondrona ao antin'ny fikambanana atao
hoe Sakaizan'ny FPMA any Madagasikara. Ary ny FPMA dia miezaka ny
hanampy na fiangonana na ny fikambanana hafa any Madagasikara. Mijoro
ho vavolombelona izy ireo. Ny FPMA dia mifandray amin'ny Fiombonan'ny
Fiangonana Protestanta Malagasy na ny FFPM ny FPMA.
Raha misy amintsika manana sary na lahatsoratra momba an'izao dia aza
misalasala ny manoratra an'i
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
Mpitandrina FPMA Dijon
|