A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga032.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Jesosy tia azy....
Jesosy tia azy.... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ary Jesosy dia tia azy ka nanao taminy hoe : Diso zavatra iray loha hianao : mandehana amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka ahy . Mk 10: 21

Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika.

Tamin’ny farany teo isika dia hahita an’i Petera nilaza fa Jesosy no Kristy .

Ny Tantara

Eny an-dalàna mankany Jerosalema Jesosy no mihaona amin’ity olona anankiray, izay tsy fantatra anarana. I Lioka ao amin’ny Lio 18.18 dia milaza fa Mpanapaka (izany hoe olona mana-kaja) ity lehilahy ity. Ny fantatra ny aminy dia :

* mihazakazaka Izy nanatona an’i Jesosy

* nandohalika teo antrehany

* nanotany Azy :ahoana no ahazoana mandova ny fiainana mandrakizay ?

* mpitandrina ny didy ary ny lalàna : raha ny fivavahana jiosy dia tena tanteraka tokoa ity olona ity.

Kanefa, na dia olona azo heverina fa :

> efa mpanaraka ny lalan’i Mosesy aza izy dia mbola tsy resy lahatra fa handova ny fiainana mandrakizay. Ny fivavahana jiosy tokoa mantsy tamin’izany fotoana izany dia manambara fa Andriamanitra dia manomana toerana akaiky Azy ho an’izay marina.

> Mahalala tsara an’i Jesosy satria fantany fa afaka manome valiteny Azy Jesosy na dia antsoiny hoe Mpampianatra tsara aza.

> Manakarena ilay olona ary tena lasa tany ny fony rehetra ka tsy azony laozana izany.

Nihaona tamin’i Jesosy ity olona ity. Jesosy izay maka ny endriky ny olona ka milaza fa :

* Tokana ny tsara dia Andriamanitra

* Mahafantatra ny didy sy ny lalàna indrindra fa izay mikasika ny olombelona samy olombelona

* Mahafantatra ny fahadisoan’ity olona ity ka sahy manoro azy izay tokony hataony.

* Tsapan’i Jesosy ny fahatsorampon’ity olona ity tamin’ny valiteny izay nomeny. Hany ka nijery azy tsara Izy dia Tia azy

Izany fitiavan’i Jesosy an’ity olona ity izany no nahatonga Azy nanoro izay tokony hataony. Tsapan’i Jesosy fa mpandova izay nataon’ireo raiamandreniny izy. Mila zavatra hafa ambonin’izany ity olona ity mba ahazoany koa mandova ny fiainana mandrakizay.

Hoy Jesosy taminy : Diso zavatra iray loha hianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo dia hanana rakitra any an-danitra hianao, ary avia hanaraka Ahy

Vokatr’izany teo amin’ity olona ity

Nomen’i Jesosy ny teniny ity olona ity nohon’ny fitiavany Azy. Teny izay velona sy mahery tokoa ary tsy misy na inonna izay tsy miseho eo anatrehany (Heb 4.12-13). Lazain’i Jesosy fa iray loha ny fahadisoan’ity olona ity satria fantany fa manakarena ity olona ity . Jesosy miteny amin’ity lehilahy hihoatra nohon’izay nampianarin’ireo raimandreniny azy. Teny mafy ho an’ity olona ity satria tena mampisarakaKa nitondra fahazarana ho azy koa izany. Tsy maintsy ihoarana izay azo tamin’ireo raiamandreny ireo fa ny fanarahana ny Tompo no zava-dehibe. Niditra tamin’izay lalina indrindra tamin’ity olona ity izany tenin’i Jesosy izany ka nahatonga azy nanjomboka ary niala teo amin’i Jesosy tamin’ny alahelo.

Lasa nisakana ny fandovana an’ilay fiainana mandrakizay ny fifikirana amin’ ny harena. Nanantena ilay olona fa tanteraka izy amin’ny lalan’i Mosesy kanjo Jesosy nitondra azy tamin’izay tsy noheveriny dia ny fifikirana amin’ny herena hafa dia ny fiarahana amin’i Jesosy. Tokny tsy hifikitra amin’ny haren’izao tontolo izao izay mora simba sy mora ny fontsika fa hijery lavitra dia ny fanarahana an’i Jesosy izany.

Mipetraka amintsika koa izao fanotaniana izao . Sao dia fahazarana tokoa tahaka an’ity olona ity no ahatongavantsika eto am-piangonana. Ka hiteny isika hoe “ efa nanaraka sekoly alahady , vita batisa ary noraisina mpandray sns..” kanjo tsy narahin’ny fanarahana an’i Jesosy izay fiainantsikaizany fa nijanona ho fahazana ihany. Mila manao dingana hafa isika dia ny fanarahana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao.

Teo amin’ny fiangonana voalohany ohatra, ny fizarana ny fananana ho an’ny mahantra (Asa 2.44, 4,32-35) dia isan’ireo marika ny amin’ny fiovam-po ho an’i Jesosy ary koa ny fandraisana anjara amin’ny fiaraha-monina.

Jesosy sy ny harena

Toa te-hilaza ny Tompo fa tsy afa-miaraka ny harena sy ny famonjena. Raha mitondra mankany amin’ny fanandevozana ny harena ary lasa ivon’ny fiainanano. Lasa manankatona ny fonao amin’ny hafa izy ary koa mampisaraka anao amin’Andriamanitra. Lasa antompisiana ilay harena hany ka lasa manandevo anao fa tsy ny harena no ampiasainao. Fantatr’i Jesosy izany ka izany no mahatonga azy miteny amin’ity olona ity hoe : esory eo aminao aloha ny harenao dia zarao amin’ny mahantra ny vola izay vao tongava hanaraka Azy (Andriamanitra). Tsy azo vidina amin’ny fanaovana asa soatokoa mantsy ny fiainana mandrakizay. Fa ny fanjakan’andrimanitra dia tsy miankina amin’ny harentsika na ny fahazotoantsika miangona ohatra. Raisina izy io toy ny fanomezana omenan’Andriamanitra anao. Fanomezana izay tsy antononna anao raha ny fahadisoanao no resahina kanefa kosa dia omena anao maimaimpoana.

Tsy miapanga ny harena ny Tompo fa manambara kosa izy ny amin’ny tokony tsy hitokisantsika amin’izany. Mba tsy hanompo herena isika fa ny harena kosa no hanompo antsika ka ho lasa fitaovana amin’ny fijoroana vavolombelona.

Sambatra ny olona izay mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara nohon’ny fandrantoana volafotsy (Oha 3.13-14).

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Amen

FPMA Dijon

Alahady 11 oktobra 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack