|
Ary Jesosy dia tia azy ka
nanao taminy hoe : Diso zavatra iray loha hianao : mandehana amidio
izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo dia hanana rakitra any
an-danitra hianao; ary avia hanaraka ahy . Mk 10: 21
Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika
sy Jesosy Kristy Tompontsika.
Tamin’ny farany teo isika dia hahita
an’i Petera nilaza fa Jesosy no Kristy .
Ny Tantara
Eny an-dalàna mankany Jerosalema
Jesosy no mihaona amin’ity olona anankiray, izay tsy fantatra
anarana. I Lioka ao amin’ny Lio 18.18 dia milaza fa Mpanapaka
(izany hoe olona mana-kaja) ity lehilahy ity. Ny fantatra ny aminy
dia :
* mihazakazaka Izy nanatona an’i
Jesosy
* nandohalika teo antrehany
* nanotany Azy :ahoana no ahazoana mandova
ny fiainana mandrakizay ?
* mpitandrina ny didy ary ny lalàna
: raha ny fivavahana jiosy dia tena tanteraka tokoa ity olona
ity.
Kanefa, na dia olona azo heverina fa :
> efa mpanaraka ny lalan’i Mosesy
aza izy dia mbola tsy resy lahatra fa handova ny fiainana
mandrakizay. Ny fivavahana jiosy tokoa mantsy tamin’izany
fotoana izany dia manambara fa Andriamanitra dia manomana toerana
akaiky Azy ho an’izay marina.
> Mahalala tsara an’i Jesosy
satria fantany fa afaka manome valiteny Azy Jesosy na dia antsoiny
hoe Mpampianatra tsara aza.
> Manakarena ilay olona ary tena lasa
tany ny fony rehetra ka tsy azony laozana izany.
Nihaona tamin’i Jesosy ity olona
ity. Jesosy izay maka ny endriky ny olona ka milaza fa :
* Tokana ny tsara dia Andriamanitra
* Mahafantatra ny didy sy ny lalàna
indrindra fa izay mikasika ny olombelona samy olombelona
* Mahafantatra ny fahadisoan’ity
olona ity ka sahy manoro azy izay tokony hataony.
* Tsapan’i Jesosy ny
fahatsorampon’ity olona ity tamin’ny valiteny izay
nomeny. Hany ka nijery azy tsara Izy dia Tia azy
Izany fitiavan’i Jesosy an’ity
olona ity izany no nahatonga Azy nanoro izay tokony hataony.
Tsapan’i Jesosy fa mpandova izay nataon’ireo
raiamandreniny izy. Mila zavatra hafa ambonin’izany ity olona
ity mba ahazoany koa mandova ny fiainana mandrakizay.
Hoy Jesosy taminy : Diso zavatra iray loha
hianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo
dia hanana rakitra any an-danitra hianao, ary avia hanaraka Ahy
Vokatr’izany teo amin’ity
olona ity
Nomen’i Jesosy ny teniny ity olona
ity nohon’ny fitiavany Azy. Teny izay velona sy mahery tokoa
ary tsy misy na inonna izay tsy miseho eo anatrehany (Heb 4.12-13).
Lazain’i Jesosy fa iray loha ny fahadisoan’ity olona
ity satria fantany fa manakarena ity olona ity . Jesosy miteny
amin’ity lehilahy hihoatra nohon’izay
nampianarin’ireo raimandreniny azy. Teny mafy ho an’ity
olona ity satria tena mampisarakaKa nitondra fahazarana ho azy koa
izany. Tsy maintsy ihoarana izay azo tamin’ireo raiamandreny
ireo fa ny fanarahana ny Tompo no zava-dehibe. Niditra
tamin’izay lalina indrindra tamin’ity olona ity izany
tenin’i Jesosy izany ka nahatonga azy nanjomboka ary niala
teo amin’i Jesosy tamin’ny alahelo.
Lasa nisakana ny fandovana an’ilay
fiainana mandrakizay ny fifikirana amin’ ny harena. Nanantena
ilay olona fa tanteraka izy amin’ny lalan’i Mosesy
kanjo Jesosy nitondra azy tamin’izay tsy noheveriny dia ny
fifikirana amin’ny herena hafa dia ny fiarahana amin’i
Jesosy. Tokny tsy hifikitra amin’ny haren’izao tontolo
izao izay mora simba sy mora ny fontsika fa hijery lavitra dia ny
fanarahana an’i Jesosy izany.
Mipetraka amintsika koa izao fanotaniana
izao . Sao dia fahazarana tokoa tahaka an’ity olona ity no
ahatongavantsika eto am-piangonana. Ka hiteny isika hoe “ efa
nanaraka sekoly alahady , vita batisa ary noraisina mpandray
sns..” kanjo tsy narahin’ny fanarahana an’i
Jesosy izay fiainantsikaizany fa nijanona ho fahazana ihany. Mila
manao dingana hafa isika dia ny fanarahana an’i Jesosy ho
Tompo sy Mpamonjy anao.
Teo amin’ny fiangonana voalohany
ohatra, ny fizarana ny fananana ho an’ny mahantra (Asa 2.44,
4,32-35) dia isan’ireo marika ny amin’ny fiovam-po ho
an’i Jesosy ary koa ny fandraisana anjara amin’ny
fiaraha-monina.
Jesosy sy ny harena
Toa te-hilaza ny Tompo fa tsy afa-miaraka
ny harena sy ny famonjena. Raha mitondra mankany amin’ny
fanandevozana ny harena ary lasa ivon’ny fiainanano. Lasa
manankatona ny fonao amin’ny hafa izy ary koa mampisaraka
anao amin’Andriamanitra. Lasa antompisiana ilay harena hany
ka lasa manandevo anao fa tsy ny harena no ampiasainao.
Fantatr’i Jesosy izany ka izany no mahatonga azy miteny
amin’ity olona ity hoe : esory eo aminao aloha ny harenao dia
zarao amin’ny mahantra ny vola izay vao tongava hanaraka Azy
(Andriamanitra). Tsy azo vidina amin’ny fanaovana asa
soatokoa mantsy ny fiainana mandrakizay. Fa ny
fanjakan’andrimanitra dia tsy miankina amin’ny
harentsika na ny fahazotoantsika miangona ohatra. Raisina izy io
toy ny fanomezana omenan’Andriamanitra anao. Fanomezana izay
tsy antononna anao raha ny fahadisoanao no resahina kanefa kosa dia
omena anao maimaimpoana.
Tsy miapanga ny harena ny Tompo fa
manambara kosa izy ny amin’ny tokony tsy hitokisantsika
amin’izany. Mba tsy hanompo herena isika fa ny harena kosa no
hanompo antsika ka ho lasa fitaovana amin’ny fijoroana
vavolombelona.
Sambatra ny olona izay mahita fahendrena
sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara
nohon’ny fandrantoana volafotsy (Oha 3.13-14).
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
FPMA Dijon
Alahady 11 oktobra 2009
|