|
Hianao no Kristy. Mk 8: 29b
Faly miarahaba antsika indray amin’izao alahady voalohany ahazoantsika miara-midera an’Andrimanitra izao. Alahady voalohany amin’ny taom-pianarana 2009-2010.
Raha tsy diso ny fitadidiko tamin’ny alahady farany 28 jona 2009 lasa teo dia ilay teny ao amin’ny Mk 5.41 : Mitsangàna izay teny nataon’i Jesosy tamin’ity vehivavy, lazaina fa zanakavavin’i Jaioro izay mpanapakan’ny synagoga no hafatra azontsika. Ny Tompo izay tsy voafetran’ny fahafatesana fa afaka miasa ankoatr’izany. Eny afaka miasa tamintsika tokoa Izy nandritr’iny fakan-drivotra iny ary dia izao isika tafangona eto izao indray.
Fanazavana ankapobeny.
Anio kosa dia mbola ao amin’ny Mk ihany ny perikopantsika, dia ny Mk 8 izay novakiana teo. Jesosy sy ny mpianany miroso mankany Kaisaria Filopo. Raha jerena fohy dia azo lazaina fa mizara roa lehibe izao teny novakiantsika androany izao :
* 8.27-33 : Jesosy miresaka amin’ny mpianany ka ao anatin’izany ny resaka nataony tamin’ny mpianany ny momba azy : izay lazain’ny olona ny amiony aloha ary ny faharoa izay lazain’ireto mpianatra ireto ny momba azy. Ahitantsika ny fanekem-pinoan’i Petera izay tsy mpitantara (1.1), na feo avy any an-danitra (1.11) na fanahy maloto (1.24; 3.12) izay manambara ampahibemaso fa Izy no Kristy (8.29). Izany maha Kristy an’i Jesosy izany anefa dia mbola tazonina ho tsiambaratelo(8.30)
* 8.34- 9.1 kosa dia andranesana an’i Jesosy miteny amin’ireo vahoaka nantsoina
Ao antin’izao teny norenentsintsika androany izany izao ny teny hoe Hianao no Kristy. Ny teny hoe Kristy dia teny entina manamba an’i Jesosy fa olona voatokana izy. Kristy amin’ny teny grika dia adika hoe Mesia amin’ny teny hebreo. Ny hoe Mesia teo amin’ny hebreo dia ireo olona izay nahazo fanosorana toy ny menaka ohatra; hita izany tamin’ny fanosorana mpanjaka, fanokanana mpisorona. Olona izay nahazo antso mazava ka atokana ampahabemaso mba ho hitan’ny olona ary ho ekeny fa hatramin’izay fotoana anosorana menaka azy izao dia eken’ny tsirairay avy fa nahazo izay ilainy rehetra ilay olona amin’ny fanatanterahany ny asa izay nanokanana azy. Ekena koa izy fa manam-pahefana amin’izany andraikitra izay nanokanana azy izany. Koa ny teny hoe Kristy sy ny Mesia dia teny iray ihany fa ny teny no samihafa. Ary satria grika no nanoratana ny filazantsara dia Mesia no lazaina eto. Azo raisina ohatra amin’izany i Saoly mpanjakan’Isiraely, i Davida mpanjaka sns..
Mitondra antsika koa izao tantara izao ahazoantsika mahita fa ny Tompo alohan’ny hirosoany amin’ny dingana manaraka ohatra dia somary manao jerikina ny amin’izay natao . Amin’ny alalan’ny fanontaniana no nanaovany an’izany izay azo adika toy izao : hatramin’izay niarahanareo tamiko izay ka nahitananreo na ny asa na ny teny ary ny fiainako dia ahoana ny AKO avy any amin’ny olona izay renareo. Ary hianareo koa mba manao Ahy hoe Iza ? Tsara ny mba manao jerikina toy izany alohan’ny handrosoana amin’ny dingana manaraka.
Azontsika ampiharina tsara izany amin’ny lafimpiainantsika rehetra : asa amn-draharaha, fianakaviana, fanompoana sns.. Miala avy amin’izany ny manaraka tahaka izay hitantsika eto.
Izao tantara izao dia hita ao amin’ny filazantsara efatra. Koa amin’ity anio ity dia izay lazain’i Petera no andeha hojerentsika akaiky : Hianao no Kristy
Hianao no Kristy
Valiteny nomen’i Petera an’i Jesosy izao teny izao raha nanotany azy ireo ny Tompo hoe : Fa hianareo manao ahy ho Iza ? (8.29). dia hoy Petera Hianao no Kristy. Fanekena izay hita amin’ny filazantsara efatra izany. Tsarovy fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Marka an’izao filazantsara izao dia teo ambany vahohon’ny romana ny zanak’Isiraely. ZI izay niandry olona iray izay heveriny fa afaka hanafaka azy tamin’izany fanjanahan-tany izany. Olona manana fanomezam-pahasoavana (charismatique) toy ny mpanjaka vaovao na ny mesia izany. Ary dia tsy lavitr’izany nn nandraisan’ny olona an’i Jesosy ho Mesia.
Eo am-pahalalana izany ao am-pon’ny olona izany Jesosy no manambara izay fandraisany sy ny antondiany ety amin’izao tontolo izao dia Izy Zanak’olona izay nanambara ny amin’izay tsy maintsy hiaretany izany hoe :
* Hijaly mafy
* Holavin’ny loholona, ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna dia hovonoiny
* Hitsangana amin’ny maty afaka hatelona.
Izany no Kristy amin’i Jesosy. Mpanompon’andrimanitra izay tsy hafa akory fa izay vao norenesintsika teo tamin’ny famakiana ny bokin’Isaia momba an’ilay mpanompon’i Jehovah. Mpanompon’i Jerhovah lazain’i Jekoba ao amin’ny taratsy nosoratany koa fa olona tsy maintsy mino izay nanirahana azy koa.
Izao tantaran’i Kasaria Filipo izao dia niteraka tsy fifankazahoana betsaka satria sarotra ny mandray sy manaiky fa i Petera izay vao avy nanaiky fa Jesosy no Kristy dia lazaina fa izy koa ny Satana izay tokony ho ao ivohon’i Jesosy satria tsy tsy misaina an’izay an’Andrimanitra fa an’iny olona fotsiny.
I Marka ohatra dia manambara mazava fa ny devoly koa anie dia mba manaiky fa misy Kristy (1.24.34; 3.12; 5.19). Izany dia mifototra amin’ny aratsaina (fahalalana savoir) , ny voninahitra ary koa ny fampiasana hery ara-nofo. Ary ny fisandraisan’i Petera tamin’i Jesosy dia tsy lavitr’izany tamin’ity fotoana ity. Fifandraisana mifototra amin’izay hitany sy ny fantany. Ary izany moa dia hitansika fa nitohy hatramin’ny fandavany Azy.
Tsy I Petera akory no Satana fa ny fomba fandraisan’i Petera an’i Jesosy tamin’izay niarahany taminy izay no misy fifandraisana betsaka amin’izay fomba ataon’i Satana. Tsy noroahin’i Jesosy i Petera fa nasainy nanaraka azy avy ao aoriana mandritry ny fiankarany ho any Jreosalema.
Mety ho betsaka koa no mino an’i Jesosy na mandray Azy ho toy ny Mesia tahaka an’i Petera saria fantany nohon’ny fahazarany miangona ohatra, na koa ,fantatra satria nandalo sekoly Alahady. Eto koa ny ahitantsika an’i Jesosy mampianatra ny mpianany ny amin’izay laàna handalovan’izay hanaraka Azy tahaka an’i Petera.
Fampianaran’i Jesosy
Milaza mazava ny Tompo ny amin’izay toetry ny olona izay ta-hanaraka Azy. Fampianarana iarahan’ny vahoana sy ny mpiantr’i Jesosy izany. Eto koa isika dia mahita toetra hafa indray dia ny teny hoe Ary nantsoiny hanatona azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany.(8.34). Olona namaly ny antson’ny Tompo izao hitantsika izao. Zava-dehibe io antso ataon’i Jesosy amin’ny olona io. Ireo olona ireo no ilazan’i Jesosy ny amin’izay tokony hataony :
* Handa ny tenany : mitovy izany ho an’izay te-hanraka ny Tompo. Tsy manitsy manda ny tenany. Izany hoe Ilay arahinao no manampahefana amin’ny fiainanao. Tsy miankina amin’ny fiahaviana izany. Toy inona moa izany hoe mandà ? Jereo tsara hoe tahaka ny inona no nandavan’i Petera in-telo an’i Jesosy. Izany no atao hoe mandà.
* sy hitondra ny hazo fijaliany : tamin’izany andro izany ny hazo fijaliana dia mariky ny famonoana maherivaika no sady mahamenatra. Efa miova ny toetr’andro ka tsy hotovy amin’izany intsony ny hazo fijaliantsika amin’izao fotoana izao. Tsarovy fa samy manana ny azy ny rehetra fa tsy mitovy akory.
* Hanaraka Ahy : ny hoe manaraka an’i Jesosy dia tena fiovam-penitra mahery vaika. Miova fenitra fa tsy tahaka ny teo aloha. Ny fanarahana an’i Jesosy dia ny fanarahana azy. Ho tsapan’ny olona fa niova tokoa ianao satria hafa no arahinao. Tsy ny hiala amin’izao tontolo izao anefa fa kosa ny hijoro vavolombelon’i Tompo
Tonga amin’ny fidirana isika izao : mbola tadidinao ve fa Jesosy no kristy ?
Tena mila mandalo fiovam-po tokoa isika raha te-hahalala fa Jesosy no Kristy, Izy ilay Mesia, izay tsarovantsika isaky ny Kris(ty)masy, hanavotra anao . Raiso ny fampianaran'i Jesosy momba azy fa izany no hanampy ka ho lasa fiainanao mandrit'ity taompianarana ity. Raha afaka niteny tamin'ny olona iray ianao fa Jesosy no Kristy dia izay vao azo lazaina fa azonao fa Jesosy no Kristy.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
FPMA DIJON
Alahady 13 septambra 2009 |