|
Hoy Jesosy :” Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay mino Ahy (Jesosy), ny asa ataoko no hataony koa..” Jao 14.12
Miditra amin’ny vanim-potoam-piangonana hafa indray isika izao dia ny fotoana aorian’ny fankalazana an’Andriamanitra , Ray, Zanaka ary Fanahy. Misy ny milaza izany hoe vanimpotoanan’ny asa misiona : fotoana iasana, ampiharana izay efa re ary nianarana, na koa fotoana malalaka tsy dia misy fankalazana manokana.
Mifanindry koa amin’ny fotoam-pialatsasatra ilay vanimpotoana. Betsaka amintsika no manararaotra ny mba handehanana hamangiana an’ireo toerana tsy dia faleha toy ny ranomasina, ny tendrombohitra, ireo toerana amanan-tatara na fivavahana izany na ny tantaram-pirenena. Na aiza na aiza no misy anao dia aza hadinoina fa iraka ianao.
Voairakin’ny Tompo ianao mba hijoro vavolombelona ho azy. Mety malalaka ny fitenenana an’izany kanefa izany dia mampahatsiaro anao izay tokony hataonao manoloana an’ireo toe-javatra samihafa izay hifanenanao any ampakan-drivotra. Hanao asa toy izay nataon’ny Tompo no anirahana antsika. Eny hanao be lavitra noho izay nataony aza. Aza be fanontanina ny amin’izay hatao fa hoy Izy : indro izaho homba anareo mandrakariva sady koa efa nadefa mpampiantra, mpanoro-hevitra ho antsika Izy dia ny Fanahy Masina izany. Io Fanahy izay ao antintsika,io no avelao hitarika antsika amin’izay hataontsika manoloana ireo toe-javatra miseho.
Ny fanaovana ny asan’ny Tompo dia mariky ny fitomboantsika ara-panahy koa. Tsy azo apetraka amin’ny zaza izany asa izany. Marikin’ny fahamatorana izany. Nalain’ny FPMA ho fanevan’ny faha 50 taonany ny hoe mba ho lehibe hahatratra ny fahafenoan’i Kristy. Ny fanohizana ny asan’ny Tompo dia miteraka fahavelomana koa . Marina fa raha tsy miasa isika dia miha osa. Io fahavelomana io dia mahazo an’izay manao ny asa no sady mahazo an’izay hanaovana ny asa rahateo koa. Izany hoe miteraka fahavelomana hoan’ny olona roa samihafa. Kanefa ny tsy fananaovana izany dia miteraka fahafatesana ho an’ny olona roa samihafa.
Ao antin’ny asa izay atao ny mahatsiaro amim-bavaka ny vahoaka, ny mpitondra ny firenena malagasy izay mandalo fitsapana mafy amin’izao fotoana izao. Ny mba hiainan’ny vahoaka amin’ny fandriampahalemana sy ny fahasoavana no irina. Ka ho tany sambatra i Madagasikara.
Raha ny eto amin’ny FPMA Dijon, dia aza hadinoina fa tsy misy ny fanompiavavahana eto amin’ny Tafo ary aza hadinoina ny Lasy izay ataon’ny Sampana Fofohazana any Besançon, Lycée Granvelle, Dannemarie/Crête ny 7 ka hatramin’ny 14 jolay 2009 izao. Ny fanompoam-pivavahana indray dia hanomboka ny 13 septambra 2009 raha sitrapon’Andriamanitra.
Ny ny FPMA Dijon dia mirary fialantsasatra sambatra ho antsika rehetra. Aza hadinoina ny mamaky ny tenin’andrimanitra ary ny mivavaka. Betsaka ireo fiangonana kristiana azonao hatonina.
Raha mandalo eto Dijon ianao dia aza misalasala ny mivily sy mamangy.
Aza mandalo tanàna misy havana e ! |