A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga003.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Madagasikara : Velona ve sa maty ?
Madagasikara : Velona ve sa maty ? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Andro natokantsika anio mba hitondrantsika ambavaka an’i Madagasikara nohon’ny fety nankalazana ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena 26 jona. Koa dia arahabaina isika rehetra tratr’izany Antsaramanitra izany. Ny teny anio dia efa voavaky teo fa ny hojerentsika manokana dia izay voalazan’i Marka 5:21-34. Fa inona no lazaina, Inona no azontsika alain-tahaka.
Fa inona no zava-mitranga
?
Raha izao fitantaran’i Marka eto izao dia any amin’ny faritra misy an’i Galilia ny Tompo.

Mitantara aretin’ny zavavy 2 ka :

* Ny voalohany izay 12 taona dia zanaky ny mpanapakiny synagoga Jairo no anarany. Lavitra an’i Jesosy no misy azy.

* ny faharoa dia vehivavy, narary 12 taona izay, efa lany haika satria mpanao fanafody maro no nohatoniny sady koa efa nandany fananana tamin’izany fitsaboana izany. Nefa tsy mbola sitrana. Teo akaikin’i Jesosy indray ity vehivavy ity.

Mifampiditra ny tantara roa hany ka mandrampahatongan’i Jesosy tany amin’ilay trano nisy an’ilay zazavavy dia efa maty izy. Fa ity faharoa kosa sitrana. Hany ka na dia ny vehivavy mpitomany aza dia efa tonga. Hoy Jesosy hoe : tsy maty izy fa matory. Ka dia noraisiny ny tanany dia nofohazin’i Jesosy. Nasainy nomena hanina izy

Inona no lazaina eto ?

Eto amin’ity tantara ity no ahitantsika fa na

* na lavitra aza ilay olona toy ity zazavavy ity izay niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, na koa akaiky an’i Jesosy toy ity vehivavy ity izay nikasika indray ny akanjon’i Jesosy izay nanome fanasitranana izany.

* Nisy ny fifampikasohana mivantana tamin’i Jesosy : ilay zazavavy dia nangatahan’ilay rainy mba hametrahan’i Jesosy tanana (mba hitondra fanasitranana hoazy) kanjo moa maty izy ary dia noraisin’i Jesosy ny tananany ka nolazainy hoe “mitsangana”. Fa ny an’ity vehivavy ity indray dia nikasika ny akanjon’i Jesosy izy. Nahatsiaro Jesosy fa nisy nikasika ny akanjony satria nisy very tao aminy. Eny fa na dia maro aza ny olona dia notadiaviny ilay vehivavy ary dia niankohoka teo anatrehany ka nilaza ny marina

* Ny finoana no fototr’izao rehetra voalaza eto izao : niangaviany Jesosy mba hametra-tanana tamin’ny zanany mba hitondra fanasitranana ho azy. Hany rehefa maty ilay zazavavy dia hoy Jesosy tamin’ny rainy : Aza matahotra, minoa fotsiny ihany (36). Ary ity vehivay ity dia nino fa na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko dia ho sitrana aho (28). Hoy Jesosy taminy : ny finoanao no nahasitrana anao (34).

Fampiharana mivantana

Rehefa jerana akaiky dia samy nisy fanantretena teo amin’ilay lehiben’ny synagoga na teo amin’ity vehivavy narary ity : nasehon’izy ireo tamin’ny fiankohofana teo anatrehan’i Jesosy izany. Mampiseho izany fa manaiky an’i Jesosy ho Tompo iza ireto. Ity farany ity moa dia nilaza ny marina tamin’i Jesosy izany hoe manao kofesy hoy isika. Nanala izay zavatra nanery azy ilay ramatoa izany ho tsy ny aretiny ihany fa nisy zavatra hafa koa izay tsy maintsy nentina teo amin’i Jesosy izay mba hanamaivana azy.

Hita eto koa ireto iraka avy tany amin’ny tranon’i Jairo manambara fa efa maty ilay zazavavy koa dia tsy misy tokony mbola hanahiranana an’i Jesosy. Mihevitra izy ireto fa ny velona marary ihany no sitranin’i Jesosy. Eto dia hitantsika fa manakery amin’i maty koa Jesosy. Hitantsika eto fa nisy vavolombelona nanatrika izay asa mahagaga izany dia

* ny mpianatr’i Jesosy : Petera, Jakoba ary Jaona

* miampy ny raiamandren’ilay zazavavy.

Izao zava-miseho amin’ity zazavavy ity dia mampiseho amitsika tokoa fa ny fahafatesana dia dingana iray izay tsy maintsy hodiavintsika fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty toa an’i Jesosy koa isika. Marihina fa ireto mpiantra 3 lahy ireto ihany koa no nahita an’i Jesosy niova tarehy teo antendrombohitra ka nilazany ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

Raha ho tsorina dia Jesosy dia Tompon’ny maty sy ny velona. Ka ny velona izay marary dia sitraniny ary ny maty kosa dia atsangany.

Mariho tsara fa rehefa natsangan’i Jesosy ilay zazavavy dia nasainy “nomena hanina”. Izany dia marika hita maso fa velona tokoa ilay olona. Asan’ny Kristiana rehetra ny manome sakfo na ara-nofo izany na aram-panahy. Izany no antony ianarantsika ny Tenin’Andrimanitra mba ho sakafo ho antsika ahazoantsika mizara izany ho an’ny hafa. Tsy navelan'i Jesosy nolazaina tamin'olona izao zavatra nataony izao (dia ny fananganana amin'ny maty izany) satria mbola teo am-panombohany ny asany Izy.Betsaka ny asa miandry azy satria mbola ao ireo faritra hafa izay hiasany toy ny any Samaria sy Jodia izany.

Madagasikara

Amin’izao vanimpotoana andalovan’ny firenentsika izao dia asa izay mety ahazoantsika milaza ny firenentsika : marary ve ? sa maty ? lavitra ve ? sa akaiky ?.

Hitantsika teo fa samy manana vaha olana ny amin’izany ny Tompo. Inona no anjarantsika :

* ny miankohoka eo anatrehan’ny Tompo ka milaza ny marina ho an’ny firenentsika tahaka izay nataon’ity vehivavy ity. Mifona ho an’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka. Matoa marary ny firenentsika dia mbola ao ny fanasitranana ataon’i Jesosy azy. Ny ataon’ny malagasy dia ny manantona an’io Jesosy tahaka izay nataon’ity vehivavy ity. Tsy ny fifampitsikarana intsony izao no atao fa ny fiaiken-kelona eo anatrahan’i Jesosy

* raha hitantsika kosa fa to efa maty ny firenentsika dia hoy ny Tompo amintsika : aza matahotra, minoa fotsiny ihany (38). Afaka managana ny firenentsika/tanindrazantsika ny Tompo raha toa ka miankohoka eo aminy tahaka an’ity Jairo, izay mpanapaka ny synagoga isika. Izany mpanapaka ny synagoga izany teo amin’ny jiosy dia olona manakaja sy be voninahitra. Kanefa dia nariany izany fa ny ain’ny Zanany no lehibe indrindra aminy. Oty izany koa isika. Aza mijery lavitra fa miankohofa eo amin’i Jesosy : mivavaka aminy ary indrindra ny mangataka azy mba ho tonga any Madagasikara miaraka amintsika izay mangataka ny fananganana ny firenentsika amin’ny maty. Mila mandray andraikitra naefa isika aorian’izany dia ny fanomezana hanina ny firenentsika izany hoe raha adiaka ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ ny lafiny maro. Fa araka izay itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny na amin’ny fahalalana...koa dia aoka ho toy izany koa no hitomboanareo amin’ny fahasoavana Iikor 8.7. Koa ny tanjona dia ny hisian’ny fifampizarana hisian’ny fitoviana teo amin’ny mpianatra Izany no anton’ny famoriambola ho an’ny kristiana malahelo tany JodiaMiantso anao ny Tompo anio ny mba hiaraka latabatra aminy. Izy no manasa fa tsy ny mpitandrina na ny diakona. Ny hananantsika harena ao amin’i Kristy toa an’ireto mpianatra tany Filipia ireto. Miankina betsaka aminao izany satria betsaka no nantsoina fa vitsy no voafidy sattria tsy mitondra an’ilay akanjo fitondra amin’ny fanambadiana.Miankina aminao no hahavoafidy anao fa ny Tompo dia efa nampamory fa anjaranao ny mitondra an’ilay akanjo.
Ry Madagasikara, raha marary ianao : dia sitràna . Fa raha maty kosa ianao dia mitsangàna .

Fehiny

Handeha haka rivotra isika izao, aza manadino ny fiarahantsika mivavaka. Betsaka izay teny norenesintsika teto izay. Efa lehilahy sy vehivavy lehibe afaka mamahan-tena amin’ny Soratra masina isika. Koa raha manana aretina dia ento eo amin’ny Tompo. Tsarony fa ny firaisana aminy no mitondra fanasitranana/fananganana ho antsika.

Aza hadinoina ny mifampitrotro amimbavaka ary koa ny firenentsika. Fa ny mampanakarena antsika dia ny fahantran’i Kristy. Fa Izy izay nanana ny endrik’Andriamanitra aza dia nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo mba hahazoantsika ny fanomezampahasoavana sy ny harem-pahasoavana omeny antsika. Koa aza misalasala ny manatona azy. Manome ny tanany amintsika Izy mba hitsanganantsika . Hoy Izy aminao anio : Mitsangana.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’nytaloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen

Dijon 28/06/2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack