A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga025.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Amorompatana
Amorompatana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, dia azo lazaina fa sarotra ny mahita an’io toerana io. Toerana izay misy ary ampitaina ny fahendrena malagasy. Ny sekolin’ireo razana nifandimby teto Madagasikara : nahenoana ireo tantara toy ny angano ka nampitaina ny fahendrena, toerana nianarana nanisa tamin’ny fomba maro ary koa nanaovana an’ireo hakingan-tsaina tamin’izany fotoana izany. Tsy toeram-pianarana ihany koa fa teo amorom-patana no nandaminan-javatra maro teo amin’ny fiainan-tokantrano aloha tamin’ny alaln’ireo raiaman-dreny. Izay vao nentina teo amin’ireo raimaman-dreny eo an-tanana raha ilaina izany. Toerana nahazoana sakafo indrindra toy ny vary , ny tono-ketsaka sns ary koa nahazoana hafanana indrindra amin’izao andro ririnina izao. Tamin’ny teny Malagasy ary nampitanina tamin’ny fomba Malagasy ireo fahendrena Malagasy ireo. Izany no nahatonga izao firenena izao mbola mijoro hatramin’izao ka itenenana ny teny Malagasy sy ny fehendrena Malagasy.

Manoloana ny toe-java misy ankehitriny anefa dia mampalahelo fa toa tsy hita intsony io toerana io. Tsy ny raimamandreny intsony no iresahana na natao hampihavana raha toa ka misy ny tsy fitovian-kevitra fa vahiny izay tsy mahalala akory izay fahendrena nitaizana anao hany ka any amin’ny toerana izay tys mahazatra antsika ary indrindra fa amin’ny fiteny sy ny fomba izay tsy nitaizana anao no nentin’izy ireo hamahana ny olana. Vokatr’izany dia ny fahatsairovan’izy ireo fa tena hafa tokoa ireto Malagasy ireto satria tsy mitovy fisainana sy fahendrena aminy.

Ny inon-kodona na inon-kiantra dia aza manary ny maha Malagasy anao. Raha misy ny olana dia miajtsoa ireo raimamandreny izay na dia heverina fa tsy dia nianatra aza dia aza hadino fa ao tokoa ny fahendrena izay noraisin’izy ireo tamin’ireo razana teo aloha ka nahatoy izao antsika.

Mana-tombo isika eto Madagasikara satria : fiteny tokana no ifampiresahantsika na dia ao aza ny halaviran-tany avaratra sy atsimo, fahendrena tokana no mbola iainantsika.

Tsy hoe rehefa nianatra isika dia hevela ny fahendrena Malagasy sy ny teny Malagasy. Ny fandrosoana akory tsy midika hoe fanariana ny teny n any fahendrena. Anisan’izay natahoran’ny vazaha teto amintsika tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany ny famakian’ireo malagaxy izay anisan’ny voalohany nahay namakiteny an’ilay boky hoe “japana sy ny japanezy”. Mitantara ny nataon’ireo japanezy manoloana ny fanjanahana natao tamin’izy ireo. Fahendrena sy fitenenana japanezy no nataon’izy ireo hivoahan’ny fireneny. Raha mahita azy ireo ianao dia tsy manary ny fomba fiankajony izy ireo toy ny “kimono” fa isika kosa dia vitsy no mbola miankanjo malabary indrindra fa isika izzay nahita fianarana fa mihazakazaaka amin’ny fehi-tenda sy ny kiraro maro isan-karazany. Ny loza aza dia ny “fanariana lamba”. Ny mahavelom-bolo dia ny tsy fiovan’ireo tantsaha amin’izany fa mbola mitafy lamba n any vehivavy na ny lehilahy.

Koa aza hadiano re fa misy ny atao hoe

* “AMOROMPATANA” izay ahazoantsika mifampidinika sy mifanakalo hevitra. Manan a izay toerana maro azo ifampidinihana isika eto Madagasikara.

* RAIMANDRENY maro, isam-paritra, azo antsoina isan-tokony avy iza afaka mitarika atsika amin’ny dinika hatao itondrana ity tanidrazantsika ity ka hiainan’ireo Malagasy amin’ny filaminana sy ny fifankatiavana. Raha sery vitan’ny anamalaho, inona moa no itadiavantsika olon-kafa hanao izany fampihavanana amin’ny isika samy Malagasy ? Manana izay ilaina ny amin’izany isika

* FAHENDRENA sy FOMBA ary TENY MALAGASY. Manakarena isika, toy ireo firenena hafa, eto Madagasikara. Betsaka ny tany izay isaky ny miova vohitra na lohasaha dia miova ny fiteny ary tsy mifankahazo akory aza. Isika kosa dia tsy toy izany. Tsarovy fa “ny tainomby mivadika” aza dia tsy nisy naka teo aloha. Manana izay fomba fisainana izay maha Malagasy ny Malagasy isika toy ny hoe “isika dia misaina fa ao antin’ny zava-boahary” hany ka rehefa tonga amin’ny toerana iray isika dia ny “masoandro” ny jerena voalohany ahafantarana ny antsinana. Tsy mba toy izany ny tandrefana, ohatra, fa ny tenany no jereny aloha ahitany ny ankavia , ankavanana, aloha ary aoriana. Azo lazaina izany fa tena tsy mitovy ny fomba fisainana izay mitondra koa amin’ny fahendrena. Tsy izay mety any amin’ny hafa dia mety koa amintsika eto Madagasikara. Ilaina fanamboarana daholo ny zavatra avy any ivelany mba hifanaraka amin’izany toetsaina izany. Batsaka amin’ireo avaram-pianarana no tsy dia mahafehy intsony ny tenin-drazana hany ka rehefa mandray fitenanana : ny androan-tokon’ny lazainy dia amin’ny teny frantsay na anglisy. Tsy te-hisahirana amin’ny teny Malagasy intsony hany ka tsy ajon’ny mpiahainy ny ventin’ny hevitra izay lainy satria tsy vitan’ny hoe teny “teknika” fa mbola amin’ny teny vahiny koa

Koa ny faniriana dia ny hiveranantsika amin’ireo fahendrena Malagasy izay nolovaintsika tamin’ireo raiamandrenintsika. Manana amby ampy isika eto amin’izay ilaina ny amin’ny fandaminana izao toe-draharaha izao. Ao ny mpampihavana dia ireo raiamandreny izay eken-teny izany (tsy voatery ho olona nianatra akory fa kosa izay maharesy lahatra na eken' ny maro). Ao fiteny ilaina amin’izany dia ny teny Malagasy ary indrindra fa ny amorompatana izay Ambohimpihaonana.

Dia samy ho tahin’ny Zanahary isika rehetra idrindra fa min'izao fetin'ny Antsaramanitra izao.
D.ANDRIANARIVO

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack