|
pasitera
|
|
Teny Faneva: " Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy......... mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo........ ho amin'ny fahazavany mahagaga." (I Petera 2 : 9)
Isaorana ny Tompo nohon’ny fitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany dia Jesosy Kristy hanavotra antsika tamin’ny ota izay nangeja antsika. Isaorana koa Izy nohon’ny nanirahany ny mpanompony diany raiamandrenintsika Dr Péri sy Ernestine RASOLONDRAIBE izay niasa 45 taona teo amin’ny sahany.
Raha ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy manokana dia nahazo anjara tamin’izany 45 taona izany. Tsy nahalavi-tany tokoa ny fitiavana fa na dia tany Madagasikara (fony izy ireo Filohan’ny FFPM) na koa tany Genève (Soisa izany) dia tonga nampianatra ary nampahery ny vahoaka protestanta malagasy taty Frantsa izy mivady.
Mitondra ny anarany tokoa izy mivady : RASOLONDRAIBE izay taranaka voafidy tamin’ireo taranaky ny fianakaviambeny. SOLONDRAIBE izy ireo tamin’ny fitazoanany ny harena sy ny vakoka malagasy izay mivady amin’ny finoana kristiana. Io maha olona io dia ny Fanahy no nojereny fa tsy ny endrika ivelany fotsiny. Tao amin’ny tokoa ny hoe ny fanahy no maha olona. Nijery ny olona amin’ny fahafenoany tanteraka izy. Izany no nivoahan’ny fampianarana hoe “holistika” izay iainan’izy ireo. µeny fan a dia nobeazina tamin’ny fampianarana loterana aza izy ireo, ny fipetrahany tany Genève izay azo lazaina fa renivohitry ny “calvinista” dia anisan’ny manamarina izany. Mijery , mandinika ary mapihatra izay fampianarana antonona ny Malagasy avy tamin’ireo mpanitsy fivavahana.
Nahazo ny anjarany avy tamin’ireto mpanompon’Andriamanitra ireto tokoa ny FPMA koa izany no iderany sy ankalazany an’Andriamanitra ary ankasitrahany azy mivady. Nitondra ary nametraka ny foto-pinoan’ny FPMA amin’ny maha protestanta feno azy izy ireo tamin’izany. Natao boky izay mitondra ny lohateny hoe Ny maha Izy azy ny FPMA (18 septambra 1999) ho fanamarihana ny faha 40 taonan’ny Fpma. Hita ary tsapa tokoa ny fijery protestanta tamin’izany ary ny naharihary sy natao avo indrindra dia ny hoe ny finoana dia fanomezana maimaiponana avy amin’Andriamanitra n any Fanamarinana amin’ny fahasoavana nohon’ny finoana an’I Kristy. Koa raha mitory ny filazantsara isika dia ny olona feno no jerena fa tsy ny fanahiny ihany. Izany fampianarana izany moa dia nofarany tamin’ny fampaherezana hoe : Fiangonana aty Andafy ny FPMA: aty no iantsoana antsika ho amin’ny
• Kerygma na ny fitoriana ny Teny ,
• Koinonia na ny Fiombonana
• Diakonia (Fanaovantsoa) koa mandehana amin’izao heriano izao ry FPMA .
Nampiasain’ny Tompo koa izy mivady ho varavarana hifandraisana amin’nireo vondrompiangonana toy ny
• Alliance Réformée Mondiale izay ivondronan’ireo fiangonana lazaina fa mpanaraka ny fampianaran’I Calvin (marihina fa ankalazaina izao ny faha 500 taona ny fhaterahany) ary ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara dia anisan’izany.
• Fédération luthérienne Mondiale izay iombonan’ireo fiangonana loterana maro eran-tany ary ao anatin’izany ny Fiangonana Loterana Malagasy izay anompoan’izy mivady amin’izao fotoana izao
Mitondra ny anarany tokoa izy mivady fa tena tsapa tokoa ny fampitan’izy ireo ny lovantsofina Malagasy izay fantsona izoran’ny famonjen’Andriamanitra. Tsapa ary azo lazaina tokoa fa fanaka voafidy momba izany izy ireo. Tena fanaka tokoa satria ilay mpaniraka azy ireo no manantanteraka ny sitrapony sy ny famonjeny ho an’ireo izay anirahany azy mivady. Vokatr’izany ny zava-mahagaga izay miseho taorian’ny fandalovany. Anisan’izany ny fandalovany teto amin’ny FPMA, fa tonga teo amin’ny fotoana izay nilain’ny FPMA olona mba hitondra fampianarana ary koa hametraka ny firehana teolojikany : Fiombonana manao asa misiona ho fanasitranana izao tontolo izao sy ho fizarana ny fiainana be dia be no nihaonan’ny FPMA tamin’ireto Solondraibentsika ireto. Tsy mora tokoa ny fihaonana tamin’ny voalohany fa raha nafarana avy tany Antananarivo ho aty Paris izy mivady tamin’ny taona 1994 tany hoany dia tany Lille izy ireo no napetraky ny fiaramanidina nitondra azy ireo.
Koa ny tenin’ny FPMA, Tafo Dijon, dia ny fankasitraha azy mivady tamin’ny anjara biriky nentiny teto amin’ny FPMA ka nahazoan’ny Tafo Dijon ny anjarany koa.
Raha te-hahafantatra ny andinidiny momba izao Jobily izao ianao dia jereo ity
Ny Dera sy ny Laza anie ho an’Andriamanitra irery ihany.
|