A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga039.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Firy taona...
Firy taona... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Firy taona izy teo
kanefa ange jereo
fa mihamikororoso
na zara fa mandroso
'zato firenena
efa mivena ?

Firy taona izy teo
ka ahoana no tsy leo
fa tsisy fiovana
na fahagagana,
n'aiza n'aiza
ange, sakaiza ?

Firy taona izy teo
fa tsy nahenoana feo,
na kely akory
ny tsy hatory
ho an'ny osa
toa miavosa ?

Firy taona izy teo,
nisy niantso hoe : vonjeo
kanefa dia tsy hita
rehefa mba tafita
na hoe voafidy
fa toa nandidy ?

Firy taona izy teo
no nibaiko hoe : poteho
ka tsy mahavariana
raha ny fijaliana
no mandresy
sy misesy ?

Fredy JAOFERA
http://www.haisoratra.org

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack