|
...mba hamoazanareo be ka ho tonga
mpianatro hianareo Jao 15.8
Mitohy hatrany ny fihainoantsika ny teny
izay voalaza ao amin’ny Asa, ny I Jao ary ny Jaona. Izany moa
dia mikasika indrindra ny fotoana taorian’ny
nitsanganan’i Jesosy Tompo tamin’ny maty. Alahady faha
5 taorian’ny Pasaka isika izao. Fotoana izay nametrahany
hafatra farany ho an’ireto mpianany na dia izany aza dia
niteny izy tenany mihitsy fa tsy hilaza zavatra maro aminareo
intsony aho Jao 14.30a.
Ny hafatra izay horaisintsika
amin’ity anio ity dia ny hoe hamaozanareo be ka ho tonga
mpianatro hianareo (izany hoe ny mpianatra izany).
Ny hoe vokatra ! Tsy hianareo eto Dijon no
hampianarina ny amin’ny voaloboka sy ny sampany. Fantatra fa
ny zavamaniory, rehefa avy nandalo ny ririninna dia manomboka
velombolo ka mamololona. Miakatra ny tsiron-kazo ka mamelona ny
tsirin-kazo mitondra azy hamelana ka hitondra voa. Tamin’ny
hariny ho an’izay naheno tamin’ny radio na ny
television dia naheno ny amin’ny mpiandry tsara. Izany moa
dia manamafy amitsika ny maha mpamboly sy mpiompy ny
zanak’Isiraely tamin’ny andron’i Jesosy. Mazava
rahateo moa fa tsy mbola nisy ireo teknolojia maro samihafa toy ny
electronika, ny hery amam-baratra sy ny sns tamin’izany andro
izany. Ny fambolena sy ny fiompiana no nahavantana ny
taranak’i Abrahama.
Eto ary isika , indrindra fa ny
filazzantsara dia milaza ny amin’ny voaloboka sy ny mpaboly
azy Jesosy. Ny voaloboka dia Izy tenany : “Izaho no tena
voaloboka’ ary ny mpamboly sy mpikarakara izany voaloboka
izany dia ny Rainy : “ny raiko no mpamboatra”.
Fanamarihana voalohany dia ny teny hoe “tena”
(véritable na vrai) voaloboka. Nahoana ny mpamboatra no tsy
misy an’io teny hoe “tena” io. Satria tsy misy
mpamboly hafa fa ny vokatra kosa no mety ho samihafa. Ao izany ny
voaloboka ary misy ny tena voaloboka.
Ny firafitry ny teny eto dia manambara
amintsika an’izany : ny misarika ny saina eto dia ny
fitantaran’i Jaona ny amin’ny tsy famoazanan’ny
sampana. Nahoana ny sampana no tsy mamoa satria misy antony ao. Ny
tsy famoazan’ny voaloboka no resahina sy tsindrina eto.
Andrimanitra anefa tia ny vahoakany. Ny bokin’ Isaia 5 dia
manohatra ny fifandraisan’Israely sy Jehovah toy ny
tanimboaloboka sy ny mpikarakara azy. Lazainy amin’izany ny
fahasahiranana aterak’izany fikarakarana tanimboaloboka izany
:
* ny fiasana izany, ny fanesorana ny vato (5.2),
* ny fambolena karazam-bolaloboka tsara (5.3)
* ny fananganana tilikambo eo afovoan’ny saha
* ny fandavahana famiazam-boaloboka
Ny tanjona dia ny fanantenana voa tsara
kanjo namoa voalobo-dratsy .
Mbola azontsika tohizana ny famakiana ny
bokin’Isaia faha 5. Teny izay fantatr’ireto mpianatra
ireto izany bokin’Isaia izany. Ny fifandraisana eo
amin’i Jehovah sy ny vahoakany dia iharina amin’izany
tanimboaloboka sy ny mpamboatra azy izany. Eto dia Jesosy no
mampihantra izany amin’Izy sy ny Rainy. Ary satria ny
fifandraisana mivantana amin’i Jehovah sy ny olony tsy
namokatra dia manolotra lalam-pifandraisana hafa Jesosy dia ny
fandalovana aminy na ny ny firaisana aminy (Jao 15.4). Izany
firaisana amin’i Jesosy izany indrindra fa ny fitoerana
amin’izany fifandraisana izany no hahatonga an’ireto
mpianatra ireto hamoa voa tsara.
Inona ary no tsiron’io voa io ? Ny
teny izay novakiantsika tao amin’ny epistilyI Jao dia milaza
amintsika ny amin’izay tokony ho fiainantsika:
* tsy ho tia amin’ny ny teny sy ny lela (I Jao 3.18a)
* fa tia amin’ny asa sy ny marina (I Jao 3.18b)
Betsaka tokoa no miteny fa tia kanefa hafa
no asehony amin’ny fiainany. Eto i Jaona, apostoly izay
lazaina koa fa mpianatra tian’i Jesosy indrindra dia
mampianatra ny amin’izay tokony hifankatiavan’ireto
mpianatra. Jesosy dia nampihantra izany teo amin’ny fiainany.
Raha tena mitoetra marina ao amin’i Jesosy Kristy isika dia
miaina toa Azy koa. Ary raha miaina toa Azy dia manao izay nataony
koa eny hatramin’ny fanolorana ny tena hamonjy ny hafa aza.
Tsy misy fitiavana lehibe toy izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy
ny sakaizany.. Io fitiavana io sy ny finoana an’i Jesosy
Kristy no lazain’i Jaona apostoly eto fa
didin’Andriamanitra.
Misy zavatra roa izay tsy azo sarahina eto
dia
* ny finoana an’i Jesosy Kristy : io ilay lalana izay
nolazaitsika teo fa tsy maintsy andalovana satria tsy mahavita tena
isika
* sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpianatra tahaka izay
nandidiany antsika : fifandraisana eo amin’ny samy olombelona
voavonjy. Io fifankatiavana io dia vokatry ny Fanahy Izay
nomen’i Jesosy ny mpianatra taloha ary taorian’ny
nandehanany.
Io fifankatiavana io no tsiron’ny
voa izay asehon’ireto mpianatra ireto ka hitaona ireo olona
hino fa Jesosy Kristy tokoa ny mpamonjy. Io fifankatiavana io dia
tsy hafa akory fa endriky ny fifandraisan’i Jesosy sy ny
rainy ihany. Eto no ahatsapan’ny olona fa Andrimanitra dia
lehibe lavitra nohon’ny fony. Didiy izay tsy hafa akory fa
manamafy an’ilay voalaza hoe tiava an’i Jehovah
Andriamanitrao ary koa ny fitiavana ny namana. Ka
arakarakin’ny fiainanao no ahafantaran’ny olona fa
mpianatry ny Tompo ianao na tsia. Betsaka no afaka miteny hoe tia
fa vitsy kosa no mampiseho izany amin’ny fiainany. Izany no
tsiron’ny voaloboka izay entinao.
Fa teo amin’ny mpianatra , mba
ahoana no fisehon’izany ? Ny teny voalohany tao amin’ny
asan’ny apostoly dia mampiseho amintsika an’ity
mpanenjika ny fivavahana kristiana ity ka lasa nitondra vokatra
mitovy amin’ny mpianatra. Vokatry ny fifankatiavana dia lasa
niray tamin’ny mpianatra tany Damaskosy ity lehilahy ity dia
i Saoly izany. Saoly mpanenjika lasa mitory fa Jesosy dia
Zanak’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany dia nisy tokoa
ny tahotra na tany Damaskosy izany na tany Jerosalema koa satria
fanta-daza ny nataon’ity lehilahy ity. Kanefa dia nisy izay
mpianatra nalefan’Andriamanitra ho mpanelanelana/mpandray
(accueil) :
* tany Damaskosy dia i Ananiasy no nirahin’ny Tompo handray
an’i Saoly ka hitondra azy eo amin’ny
fifankatiavan’ny mpianatra.
* Tany Jerosalema indray dia i Barnabasy
(izay azo adika hoe zanaky ny fananarana) izay nantsoina koa hoe
Josefa. Lehilahy avy tamin’ny taranak’i Levy ary teraka
tany Kyprosy (Asa 4.36) izay nitondra ny fananany rehetra teo
an-tongotry ny apostoly .
Izany lehilahy Barnabasy izany no
nitondra an’i Saoly teo amin’ny Apostoly ka nijoro
vavolombelona fa tena nandray ny famonjena tokoa i Saoly ka sahy
nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.
Miditra amin’ny fotoana vaovao
indray izao ny finoana kristiana. Teo aloha dia i Petera sy Jaona
no hita matetika mitory ny anaran’i Jesosy Kristy. Izao
indray dia i Saoly no mitory izany ary niady hevitra tamin’ny
helenista (jiosy miteny grika). Saoly izay tsy
an’isan’ny Apostoly indray ity no mitory ny
filazantsara. Ary dia izany no iainantsika amin’izao fotoana
izao. Isika rehetra dia samy nihaona tamin’i Jesosy tahaka
an’ity Saoly ity. Nisy koa olona izay nandray antsika
tsirairay avy teto amin’ny Fiangonana izay nisy antsika tany.
Ary dia izany no vokatra entintsika tsirairay avy ary dia mbola
miaina ny fifankatiavana isika indrindra fa ny firaisana ary ny
fitoerana eo amin’i Jesosy.
Ry havana, vokatr’izany rehetra
izany teo amin’ny fiangonana dia,
* ny fiadanana, ny fandrosoana
* ny fandehanana amin’ny fahatahorana ny Tompo
* ny famporisihan’ny Fanahy
Nihamaro tokoa ny Fiangonana ka betsaka no
nanatona ny Apostoly sy ny mpianatra. Anisan’ny fomba
amam-panaon’ireto mpianatra ireto ny fiarahana misaka ka
ihinana ny mofo ary ny fisotroana ny divay tahaka izao ataontsika
androany izao. Ny Tompo no manasa anao hihaona aminy aloha ary
hiaraka latabatra aminy rahefa avy eo.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay. Amen
FPMA Dijon,
10 may 2009
|