A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga037.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Frera Rafiringa
Frera Rafiringa Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Frera Rafiringa Raphaël
 
Hasandratra ho olon-tsambatra

        Hosantarina amin’ny fivahinianana masina eny Soavimbahoaka ny fankalazana ny fanandratana ny frera Rafiringa Raphaël ho olon-tsambatra. Ireo mpianatra lasalianina maintimolaly no hisahana ny fikarakarana rehetra mikasika izany.
Hanomboka ny asabotsy 30 mey ny vavaka mandritra ny sivy andro. Fotoana hanamarika manokana ny fanandratana an’ity olomasina ity ny fitokanana ny tsangambatony eo Mahamasina sy eny amin’ny foibe ara-kolontsaina Rafiringa, Antsahavola. Harahana alim-bavaka ao Andohalo, Mahamasina, Antanimena ary Soavimbahoaka ny fotoana.
Hambaran’ny solontenan’ny Papa Benoît XVI amin’ny fomba ofisialy ao anatin’ny lamesa lehibe eny Antsonjombe ny maha olon-tsambatra an’ny frera Rafiringa Raphaël, ny alahady 7 jona 2009.  Hitohy amin’ny antsam-panahy eny amin’ny Ekar Mahamasina ny hetsika ny alahady 24 mey ho avy izao.
Haorina eny Soavimbahoaka ny fiangonana vaovao hisy ny taolambalony ny alatsinainy 8 jona 2009, izay ialohavan’ny lamesa fametrahana vatofototra.
 
Vonjy

nalaina tao amin'ny http://www.taratramada.com   nivoaka ny 24/04/2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack