A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga063.JPG

Firy

Il y a actuellement 13 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Septembre 2010 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Fantaro ny Soratra... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...fa tsy mbola fantany ny soratra masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy Jao 20.9
Ry havana malala,
Raha ny taom-piangonana no resahina dia mankalaza ny Pasaka isika izao.Ny teny 3 no norenesintsika teo dia ny
- Jao 20 manambara ny amin’izay toe-java-niseho tamin’ny amarain’ny andro faha 3 namonoana an’i Jesosy
- Asa 10 : manamba amintsika ny fitantaran’i Petera ny zava-niseho izay mitatra hatramin’ny jentilisa izay asehon’ny tantara amin’ny alalan’i Kornelio fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra fa mamelan-keloka amin’ny firenena rehetra
- I Kor 5 : izay mitantara lehilahy iray, mpijangajanga ka manambady ny vadin-drainy, oharina amin’ny masirasira eo amin’ny mpiara-monina. Ilaina ny manala izany masirasira izany satria hahazo ny vongana rehetra dia ny fiaraha-monina izany. Ny ilaina dia ny fiaraha-monina tsy misy masirasira izay tandindon’ny Paska izany : fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.

 

Pasaka

Ny azo lazaina fa itambaran’ireo teny 3 ireo dia ny pasaka izay fety tsy dia mazava loatra ny niatombohany. Misy milaza fa fety teo amin’ny mpiompy israeliana izy ity. Izay no nahatonga ny resaka ondry teo aminy. Ny antony tsy misy masirasira indray dia nohon’ny fihinanana an’ilay ondry izay natsatsika ka tsy nisy fotoana namapahasirasira azy fa vao maty dia nohanina ireo sakafo maro ary matetika “milingilingy” satria vonona ny handeha no misakafo. Ka io fandehanana/fandalovana io no anaovana azy hoe Paska. Eo amin’ny lohataona no iszehoan’izany. Eny mety hiova toerana koa ireto mpiandry ondry mba hiova toerana misy ahitra vaovao.

Ao amin’ny baiboly indray dia ny Eksodosy 12 no mitantara ny amin’izay atao hoe Paska jiosy izay namonoana zanak’ondry tsy misy kilema toy ny teo aloha. Ny ran’izany zanak’ondry izany indray no natete teo amin’ny tolam-baravarana roa. Koa raha handeha/hamaky hitsara ny tany Egypta Jehovah ny alin’ny andro faha 14 nisana (lohataona), Raha mahita io rà io Jehovah dia handalo fa raha tsy mahita izany kosa izy dia hamono ny lahimatoa amin’izany trano izany. Io fandalovana niaro ny ain’ny lahimatoan’ny ZI io no atao koe Paska tao amin’ny testamenta taloha. Ny loza faha 10 izay nahazo an’i Farao no ahafantarantsika izao tantara izao.
Anisan’ireo fety telo nankalazaina teo amin’ny jiosy ny Paska. Satria nahatsiarovan’izy ireo ny nanavotan’Andrimanitra azy teo amin’ny fangejana nataon’i Farao ary indrindra noho ilay rà ny zanak’ondry natete teo amin’ny tolam-baravarana dia voa avotra ny ain’ny zanak’izy ireo. Hatramin’izao andro anio izao dia mbola mankalaza izany fety izany ny jiosy ary mandritry ny herinandro no ankalazainy izany. Tamin’ity taona ity ohatra dia nanomboka tamin’ny 9 aprily teo izany.
Amin’ny maha jiosy azy Jesosy dia mba nankalaza koa ny fetin’ny Paska tany Jerosalema. Niaraka tamin’ireto mpianany.
Paska an’i Jesosy

Raha ny tantaran’ny paska indray izay samy tantarain’ny Mat, Mar, Lio dia samy mitantara izy ireo fa :
* ny mpianantra no nandray no nanotany an’i Jesosy ny toerana hanaovana izany

* Jesosy naniraka ny mpianany ho any amin’ny olona tsy voalaza anarana fa famantarana ihany no nolazainy : toa olona tena
fantatr’ireto mpianatra ireto ary manaiky an’i Jesosy ho Mpampianatra
* Pasaka nihinan’i Jesosy sy ny mpianany ny mofo izay lasa tenan’i Jesosy ary nisotroany ny divay izay lasa ran’i Jesosy. Tsy misy resaka zanak’ondry izay maha paska ny Paska . Fa lasa aiza ?
Teto amin’ity vanimpotoana ity no namonoana an’ilay Lahimatoan’Andrimanitra, Lahimatoan’i Maria koa. Io lahimatoa io no lazain’i Jaona mpanao batisa hoe : Indro ny Zanak’ondrin’andrimanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1.29). Io ilay zanak’ondry novonoina tamin’ny Paska jiosy. Ny mofo no manambara ny tenany ary ny rany kosa milaza ny rany.

In-telo miantoana Jesosy no nilaza tamin’ireto mpianatra ireto fa hatolotra hovonoia kanefa kosa dia hitsangana amin’ny andro fahatelo.

Raha ny fitantaran’i Jaona momba an’ity fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ity dia somary hafa kely raha miohatra amin’i Matio, Marka, Lioka. Hoy i Jaona raha mitantara momba an’i Marioa magdaelna izy:
* I Maria magadalena irery no nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana (1)
* I Maria magadalena no nilaza tamin’’i Petera sy ilay mpianatr’i tian’i Jesosy indrindra fa nalain’olona teo am-pasana ny Tompo
* I Maria Magadalena no nisehoan’i Jesosy ary nilaza izany tamin’ny mpianatra : efa nahita ny Tompo aho (18).
Ny Paska kristiana dia ny fankalazana an’ilay Zanak’ondry novonoina : Fa voavono Kristy, Paska ho antsika hoy Paoly ao amin’ny I Kor 5. Io ilay mofo tsy misy masirasira ho antsika rehetra. Io Paska io dia ho an’ny olona rehetra araky ny fahitan’i Petera ao amin’ny Asa 10 raha nihaona tamin’i Kornelio izy. Eto amin’ity Asa 10 ity i Petera dia mamintina ny asa izay nataon’i Jesosy izay tsy ho an’ny Jiosy ihany fa ho an’ny olona rehetra koa. Kristry maty ho an’ny olona rehetra.

Hafatra

Voamarika tamin’izao tantara izao fa na dia efa Telo taona no nampianaran’i Jesosy ny mpianany dia mbola tsy azony ny Soratra Masina, na koa tsy ninoany ny tenin’i Jesosy. fa tsy mbola fantany ny soratra masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy.
* Ny Sal 16.10 izay milaza fa “Tsy hamela ny Iray Masinao holatsaka ao amin’ny lavaka/ ho tratry ny lo Hianao” I Davida no nihira izany nbohon’ny fahatokiany ny soa izay noraisiny tamin’Andriamanitra. Izay momba an’i Jessy dia efa voalaza ao amin’ny Soratra daholo
* Jona 2.1 : fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao ankibon’ny hazandranobe dia toy izany koa koa no hitoeran’ny zanak’olona ao anaty tany. Teny navalin’i Jesosy an’ireto mpanoradalana sy fariseo izay nihaona taminy raha nitady famantarana avy aminy izy ireo.Mat 12.40
* Jesosy no niteny ny amin’ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty rehefa avy nilaza ny tenany fa izy no Kristy. Nambarany fa any Jerosalema Izy no ho faty ary hampijalian’nynloholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalana dia hovonoina ary hatsangana amin’ny andro fahatelo (1) Mat 16.20, (2) Mat 17.23 (3) Mat.20.17

Na dia eo aza izany dia mbola tsy nino ihany ireto mpianatra ireto. Toy ny hoe nakipy ny masony na nosakanana ny sainy tsy hahatakatra izany. Efa betsaka izay teny nolazaina taminao izay. Ahoana ny finoanao azy ?

Raha nandrandra ny Tompo mba tsy hilazalaza izay nataony na ny aminy amin’ny olona, Manomboka eto indray izy dia mananfatra ny hilazana ny aminy sy izay nataony. Marihina eto ny
* fizakazahan’i Maria Magdalena hilaza ny vaovao amin’i Petera sy ny mpianatra
* fiarahan’i Petera sy ilay mpianatra nihazakazaka hankany amin’ny fasan’i Jesosy
Ho an’izay efa nandray ka nino fa nandray ilay vaovao mahafaly dia ny fanovan’i Jesosy ny fiainanay dia mihazakazaka izy ny milaza ny vaovao amin’ny olona. Lazain’i Petera ao amin’i Asa 10 izay norenesintsika teo fa vavolombelon’izany izy. Izy izay niara-nihinana sy nisotro taminy. Ny vaovao dia ny filazana fa arakin’ny fanambaran’ny mpaminany dia amin’ny anaran’i Jesosy no ahazoan’izay rehetra mino Azy ny famelan-keloka ahazoanao ny fiadanampo. Io Fiandanampo io no ilaitsika amin’izao krizy mahazo ny firenena rehetra izao. Izany no tokony hihazakazahantsika. Manana adidy sy andraikitra amin’izany isika eto Dijon. Koa mahereza sy mahatanjaha satria Jesosy no mandidy antsika hitory amin’ny olona. Tsarovy anefa fa isika dia fiasana fotsiny ihany fa Izy no tena miasa. Koa maneke ho fiasan’i Jesosy manomboka amin’izao andro Paska izao.
Amen

FPMA Dijon
12 aprily, Paska 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack