A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga043.JPG

Firy

Il y a actuellement 6 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Iraka... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jao 3.17
Ry havana malala Alahady faha 4 amin’ny karemy anio. Sady andro natokantsika koa ho an’ny sampana Vehivavy eto amin’ny Fiangonantsika. Karemy izay anomanantsika ny fo amam-panahintsika hiatrika ilay andro Paska nanoloran’i Jesosy ny tenany hamonjy ahy sy ianao. Koa amin’ity andro anio ity dia mahita isika ireo olona maro nirahin’andrimanitra ho an’ny olona. Ka ao ny nanavotra azy, ao kosa ny nampanandevo azy. Ny atao hoe iraka ao amin’ny baiboly dia ireo izay solon'ireo andriana izay asaina mandeha hitondra ny tenin’ireo andriana ireo. Ao anatin’izany ny:
-fifampiraharahana amin’ny mpanjakan’ireo firenen-kafa
-fiarahabana ho an’ireo izay vao nasondrotra ho mpanjaka
-mpanelanelana raha toa ka misy tsy fifanarahana
-sns..
Ny iraka dia tsy miraharaha ny ho azy fa manatontosa izay nandefasana azy ary dia miverina avy hatrany raha vao mahazo valiny. Ny mpitory ny filazantsara, izay mitondra ny irak’i Kristy, dia ampitahaina amin’ireny iraka ireny.

Toe-javatra misy testamenta taloha
Miverina matetika tamin’ny teny voalohany izay novakintsika teo ny hoe : ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa anao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny jentilisa ka nandoto ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema izay nohamasininy (IITan 36.14). Eto dia ny lehiben’ny mpisorona sy ny vahoaka no voalaza. Fa amin’ny and 1 – 13 kosa dia ireo mpanjaka maro izay nifandimby (Joahaza, Joiakima, Joiakima ary Zadekia) no lazaian fa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamaniny izy ireo tamin’izany. Eto amin’ity bokin’ny tantara ity dia mahita isika iraka 2 samihafa :
1. iraka avy tamin’ireo mpanjakan’ireo firenana mahery manodidina an’ireo Zanak’Israely dia ny mpankajan’i Agypta izany (36.3) izay nanaisotra ny mpanjakan’Israely teo amin’ny toerany sady nampandoa sazy azy. Ary mbola io mpanjakan’i Egypta io ihany koa no nametraka ny rahalahin’ilay mpanjaka nesoriny hanjaka amin’ny tanin’i Joda sy Jerosalema. Raha mbola nanohy nanao izay ratsy ity fazrany ity dia mpanjaka hafa indray dia Nebokadnezara izany no namely azy ka nitondra azy ho any Babylona. Ary ny fanaka tao amin’ny tempoly tao Jerosalema dia nataony tamin’ny tempoliny tany Babylona (36.6)
2. iraka faharoa indray dia izay avy amin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Lazaina eto fa mifoha maraina, izany ho tsy tafandry mandry izy mahita izao toe-javatra izao. Ny an’i Jehovah indray dia mamapahatsiahy fa raha naniraka mpaminany izay nanambara ny famindram-po . Ny olona kosa nihomehy an’ireny iraka ireny. Koa dia nelfany ny mpanjakan’ny kaldeana hamely ny Joda sy Jerosalema. Nodorana ny Tempolin’Andriamanitra ary rava Jerosalema ka lasa babon’ny persiana izay sisa tsy matin’ny sabatra.Izao zava-mitranga izao dia efa nolazain’i Jeremia mpaminany ihany hoe : “fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona” (36.21).
Toe-javatra misy Testamenta Vaovao
Raha izay no niseho tao amin’ny testamenta taloha, ny filazantsara indray dia naniraka an’i Jesosy Andriamanitra. Eto amin’ny filazantsara dia miresaka amin’i Nikodemosy, izay lazaina fa Fariseo iray teo amin’ny Jiosy. Raha nifoha maraina Jehovah naniraka ny irany, ity Feriseo ity indray niandry ny alina mba hanatonany an’i Jesosy. Izany hoe Jehovah miasa vao miatomboka ny andro fa ity Fariseo ity kosa miandry ny alina vao hanatona an’i Jesosy (misy fahamenarana sy tahotra ny vahoaka ao). Ny resaka ataon’i Jesosy amin’i Nikodemosy dia ny fiovampiainana maherivaika (fiainana feno finoana an’i Jesosy Kristy). Mbola averin’i Jesosy eto ny hoe : raha ny zavatra ety an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza zavatra any an-danitra aho ? Ahona ny hoe averin’i Jesosy ? Mitovy amin’ny hoe fihomezana ny iraka izay nolazaina tao amin’ny IITan 36.16 : Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andrimanitra ireny sady nanazimba ny teniny,.. tsy nino ny tenin’ireto mpaminany ny olona. Izany tsy finoana na toetry ny olona izany no resahin’i Jesosy eto. Ary dia toetra mbola hitantsika hatramin’izao. Izany hoe mbola mandova an’ilay fahotana izay miteraka tsy fitokisana ny iraka izay mitondra na milaza ny fanafahana azy ny olona. Izay mandray an’io fanafahana io no lazain’i Paoly ao amin’ny taratsy izay nosoratany ho an’ireto efesiana hoe fahasoavana. Izay tsy hafa akory fa fanomezana avy amin’Andriamanitra.
Fampianaran’i Jesosy
Nandray ohatra izay tena fantatr’i Nikodemosy Jesosy eto : ny nanafahan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely avy tany Egypta ho any amin’ny tany Kanana. Tamin’izany dia izay notarihin’i Mosesy izany no nanandratany an’ilay menarana tany an’efitra. Tahak’izany no tsy maintsy handratana ny Zanak’olona. Telo loha no tiana holazaina eto :
1. ny fanafahana ny olona amin’ny fanagejana azy. Nangataka tamin’i Jehovah ireto Zanak’Isiraely ireto mba hanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozana nataon’i Farao azy ireo tany Egypta. Dia nandefa an’i Mosesy Jehovah hanavotra azy ireo tamin’izany. Izany fanavotana izany ihany koa no ataon’i Jesosy Kristy ho an’ny olona rehetra. Jesosy Kristy no Mosesy vaovao eto. Fa zanaka natsangan’ny zanaka vavin’i Mpanjaka Farao Mosesy, Jesosy kosa tena Zanak’Andrimanitra.
2. Tany an’Efitra no lazaina fa nanandratana an’izany menarana izany. Ny efitra dia tany hay izay misy ireo biby dia (Job 24.5), tany foana be nampierona (solitude affreuse) (Deo 32.10), tany mahatahotra (Isa.21.1). Izany tany izany no nitondran’i Jehovah an’ireto ZI ireto tamin’ny alan’i Mosesy ka nahatafavoahany tao. Iza tokoa moa no hahatohitra antsika raha Jehovah no momba antsika. Izany efitra izany koa no mbola iainantsika amin’izao fotoana izao. Tsy niova ny toetrany : feno biby dia, mampierona ary mampitahotra. Betsaka no rendrika tratry ny dépression. Kanefa dia Jesosy efa naharesy izany efitra izany no miady ho anao koa.
3. Fanandratana : mila abaribary mba hohitan’ny olona ny famonjena azy. Tahaka ny masoandro eny amin’ny lanitra. Izay mijery azy ihany no mandray izay soa avy aminy. Toy izany koa ilay Jesosy nasandratra tamin’ny hazo fijaliana. Tsy tonga izy hanameloka anao toy ny lalàna fa kosa hitondra fanavotana. Tahaka ilay nanandratana ny menarana izay nitondra fanasitranana, dia ho toy izany koa Jesosy izay nasandratra teo amin’ny hazo fijaliana, hitondra fanavotana, fanavotana antsika. Io Jesosy io no Irak’Andriamanitra ho famonjana ahy sy anao.
Fotoanan’ny Sampana Vehivavy Kristiana anio (SVK), SVK, endrika iray izay entina manandratra ny famonjen’Andriamanitra ny olona indrindra fa ny vehivavy koa dia asandratra ho Irak’Andriamanitra. Nomen’Andrimanitra fanomezam-pahasoavana manokana ianareo mba hitory amin’ny fianakavianareo, amin’ny vehivavy toa anareo. Nomen’ny Tompo maimaimpoana ianareo dia tokony hizara izany maimaimpoana.
Ary amin’izao fiaraha-mivavaka ataontsika eto Dijon ho an’ny firenentsika izao dia isaorantsika Andriamanitra nandefa IRAKA dia ireo raiamandrenim-piangonana mba hanelanelana nandritr’iny raharaha nafana iny. Tsy mora ny asan’ny IRAKA fa tamin’izy ireo dia nisy :
1. Ny nanda ny teniny/tenany : nisy ny niala kanefa dia niverina indray ary dia nanatontosa ny andraikiny hatramin’ny farany. Tsy mora izany hoe raimandreny to-teny no miverina amin’ny fanampaha-keviny kanefa moa ny adidy tsy an’olondratsy. Tao ireo izay nanao teny somary henjana hoe “izany ve no mba....”. Kanefa dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelona.
2. Ny nitondra mangidy tamin’ny tenany ka voasambotra ary dia nentina ankeriny. Mampahatsiaro koa ny nahazo an’ireo apostoly izay voasambotra tamin’ny fiatombohan’ny fitoriana ny filazantsara izany. Izany dia milaza amintsika fa tsy mora ny manatontosa IRAKA noho izany dia mila ny fanohanantsika amim-bavaka.
Ry havana, efa betsaka izay iraka teto amintsika FPMA Dijon izay. Asa na mba firy tamin’izy ireo no mba nohenointsika. Sa dia izay tiantsika ho henoina ihany no noraisintsika. Tsarovy fa ny famonjena anao dia avy amin’ny fanandratana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana. Izay iraka milaza an’izany iahny no henoy satria izany no tsy manameloka anao fa mamonjy anao. Koa ny iraka dia tsy mitady izay hahasoa azy fa ny hahasoa ny hafa.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen
D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
22 marsa 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack