|
Zaikabe sy Synaoda teto Dijon |
|
|
|
|
Administrator
|
|
Tanteraka soa aman-tsara ny Zaikabe sy Synaoda Faritany Avaratra Atsinanana natao teto Dijon tamin'ny Asabotsy 28 Febroary sy Alahady 1 Mars teo.
Ny Asabotsy tamin'ny 16 ora no nanomboka ny fotoana. Nisy fotoam-pivavahana notarihin'ny Pasitera Desiré Andrianarivo izay narahin'ny fampianarana nataon'ny Pasitera Pascaline Andrianaly. Rehefa avy nisakafo hariva dia nitohy tamin'ny "takariva amorom-patana" ny fotoana izay nandraisan'ny Tafo tsirairay anjara.(jereo ny sary tamin'izany)
Ny Alahady maraina, tamin'ny 8 ora no nanomboka ny fivorian'ny Synaoda . Ny filohan'ny Faritany vaovao dia Ramatoa Rakotonirina Felana, ary hisaorana be dia be Ramatoa Rakotoarisoa Jackie izay nitantana ny Faritany teo aloha ary nampiroborobo azy.
Nanomboka tamin'ny 10h30 ny fotoam-pivavahana notarihin'ny Pasitera Synodaly Ravalitera Jean.
Mbola nitohy ny fotoana taorian'ny fiara-misakafo tamin'ny fametrahana ny Biraon'ny Faritany vaovao.
Ireto ny sary nandritra izany fotoana izany.
|