A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga030.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Ilay Filoha...
Ilay Filoha... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ry mpiray fatotra ao amin’i Kristy
Nankalaza tamin’ny fomba manetriketrika tokoa ny faha 50 taonany ny fianakaviamben’ ny FPMA tamin’ny 31 janoary ary 1 febroary 2009 lasa teo . Isaorana anie ny Tompo, fiarovana avo dia ilay Andriamanitra fatra-pitia antsika.Nisy kristiana nangataka anay mba hanao izao lahatsoratra izao; ary tamin’ny fanetretena sy fitiavana no nanekenay an’izany.
Resy lahatra ny amin’ny fitiavan’ny Tompo izahay ary nentanin’ny fitiavan’ny mpirai-tanindrazana sy ny tanindrazana, koa miasa tsy ankijanona hampandroso ny Finoana ny Filazantsara tany Madagasikara ary, indrindra, nandritr’izay efapolo taona nipetrahanay taty ampita izay.

Tsy mihambo ho mpiasa mahefa be tao an-tanimbolin’ny Tompo ,dia ny FPMA ,izahay fa izay vita dia ny Tompo no nihevitra . Izy no nanantanteraka, Izy no nanafy hery sy fandeferana teo amin’ny fiainanay : “Jehovah hiady ho anareo fa hianareo kosa hangina” Ek.14.14.

Tsy hainay ny tsy hisaotra ny Mpahary fa tanteraka tokoa teo amin’ny fiainanay ilay teniny hoe “Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany" Fit 3.22-23

Famintinana tsotra ihany no hatao satria tsy ho voatanisa eto avokoa. “Aza izahay, ry Tompo ô! Asa izahay fa Ianao ihany no omem-boninahitra noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky” Sal 115.1 (Diem). Nitondra ny fiangonana FPMA Arago tao Paris izahay , nandritry ny 4 taona (1978-1982) dia nanana andraikitra nasionaly : Atoa Benoule Rasidimanana no filoha nasionalin’ny FPMA ary telopolo taona no niasanay teto amin’ny FPMA Amiens. Tamin’izany 4 taona (1978-1982) izany no :

- Nikajiana ny fitondrana teteza-mita tamin’izany fotoana izany

- Nanetsiketsahana nyt Fiangonana 6 hafa efa nisy

- Nanorenana tafo FPMA folo : “ nitombo ny isan’ny fiangonana ka 16 izy ireo, ary dia tafatsangana ho tena fiangonana mahaleotena ny FPMA nefa manana fampiraharahana manokana tamin’ny FFPM..” Pr Daniel Ratefy, mpitandrina Tonian’ny FFPM (1968-1980)

- nandraisana ny FPMA ho mpikambana mpiara-miasa amin’ny Fédération Proitestante de France FPF (membre associé 1978)

- nametrahana ny mpitandrina Victor Rakotoarimanana ho mpitandrina sinaodaly voalohany

- vita tao amin’ny rafitra ny fisian’ny Filoham-boninahitra

- niatomboka ny sampana vehivavy voalohan-dalana tamin’izany ny FPMA Paris, Marseille..

- nandraisana voalohany ny sampana Fifohazana tao amin’ny FPMA ary nanaovana azy ho sampana isan’ny sahan’asa fitoriana ny filazantsara eo amin’ny ny fiangonana – Fitokanana voalohany tao Arago ny ho mpiandry dia tomokolahy Louis Raharolahy sy Estera vadiny.

Tsy lavina ny fotoana sarotra nolalovana. Nibaribary teo amin’ny Tompo ny kihon-dalana : toa volotara folaka izahay, toa lahan-jiro mitrebona nefa noho ny fitiavany sy ny famindrampony dia notoneny ny tebiteby, notsoahiny avy tao an-katerena, tsy notapahany na novonoiny fa nomeny “fanahy mahery sy fitiavana” hanohy ny asany.

“Ny Tompo no harambato fierena azo antoka ho ahy, Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, Ampinga fiarovana sy mpamonjy mahery ho ahy. Hoderaina anie ny Tompo”. Sal.18.3 (Diem)

Voninahitra anie ho an’Ilay fiarovana avo sady fialofana amin’ny andro sarotra.Ry hava-malala, amin’ny 50 taona manaraka, ny Tompo anie hitoetra ao amin’ny FPMA. “eny hitoetra ao mandrakizay ny Tompo” Sal 68.17, ary tsy hamela azy ho solafa-mamindra intsony.

Ramatoa Rasidimanana Tahina
marsa 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack