|
Izao teny azontsika anio izao dia mbola ao
antin’ny fanombohan’i Jesosy ny asany tany Galilia
izany hoe any amin’ny toerana nitaizana Azy. Hitantsika
amin’izao Marka 1 izany ny :
* Niantsoan’i Jesosy ny mpianany
voalohany dia izy 4 mirahalahy izany : Simona (Petera) sy Andrea
rahalahiny mpanarato . Ary Jakoba sy Jaona izay mpanarato teo
amin’ny ranomasin’i Galilia
* Fampianarana nataony tamin’ny
andro sabata ary ny fanasitranana izay nataony tamin’ity
demoniaka ity izay nahalala Azy satria fahavalony voalohany. Gaga
ny olona tamin’ny fampianarana nataony ary
noheverin’izy ireo aza fa fampianarana vaovao.
Eto isika dia mahita an’i Jesosy
miaraka amin’ny mpianany, miditra ao antranon’i Petera
sy Jaona raha vao nivoaka ny synagoga (ny fiangonana izany) rehefa
nifarana ny fotoana. Ho jerentsika ireo dingana nataon’i
Jesosy rehfa avy nandre fa voan’ny tazo ilay
rafozam-bavin’i Petera. Toerana hafa nohon’ny teo dia
ny tranon’olona izany fa tsy ny synagoga (domaine
privé fa tsy public tahaka ny synagogue)
Nanatona Jesosy
Olona marary no resahina eto. Olona
voan’ny tazo ka mandry. Vao naheno fa marary ilay
rafozambavin’i Petera dia nanatona Jesosy. Ny fanatonana dia
endrika iray ahitantsika ny toietr’i Jesosy. Tsy nijanona
tany an-danitra tokoa mantsy izy fa nidina tety ambonin’ny
tany. Ka nanana tarehy olona ary dia nanatona olona tahaka Azy koa
satria ny hamonjy azy ireny no nahatongavany. Tsy misy fanontaniana
fa fantany fa olona mila fanampian no eo alohany noho izany dia
nanatona Izy mba hitondra izany fanampiana izany.
Nandray ny tanany
In-telo ao amn’ny bokin’ny
Marka no ahitana an’i Jesosy mandray tanan’olona
* Dia ny eto no voalohany
* Ny faharoa dia ny amin’ny
zanakavavin’i Jairo : “dia nandray ny tanan-drazazavavy
Izy” Mk.5.41.Lazain’i Marka fa ity zazavavy ity dia efa
maty
* Ny fahatelo : momba an’ity
zazalahy nampahorian’ny demonia ka nifanitontsitona :
“Fa Jesosy nandray ny tanany ka nanarina azy”. Mk.9.27.
Efa nataon’ny maro hoe efa Maty ity zazalahy ity (26).
Ka asa ity raforambavin’i Petera ity
na efa saiky maty koa fa ny roa hafa dia olona efa maty daholo no
noraisin’i Jesosy tanana. Toy ny hoe “misy contact
physique” ary izany dia amin’ny alalan’ny tanana.
Hita koa izany amin’ny alalan’ny fametrahana tanana :
tena apetraka ny tanana fa tsy ahevaheva fotsiny. Tsy
vitan’ny fanatonana fotsiny ihany fa tena misy
fifampikasohana ara-nofo (contact physique)
Nanarina azy
Ity no tena hafa satria marary izao no
atsanganao. Ny teny hoe atsangana eto dia azo ampiasaina koa
amin’ny fananganana amin’ny maty (ressusciter). Ary
izany moa dia hitantsika tamin’ireo olona roa izay
noraisin’i Jesosy tanana dia ilay zazavavy lazaina fa
zanak’i Jairo ary ilay zazalahy voan’ny fanitona. Samy
maty izy ireo no noraisin’i Jeosy tanana dia natsangany ary
dia velona. Tany amin’ny Testazmenta taloha Is 41.13, 42.6;
45.1 dia ahitana tokoa fa raha Andriamanitra no mitantana (maray
tanana) dia manome hery Izy amin’izany. Hery ahazoanao
mivoaka amin’izay fahasarotana mahazo anao.
Izany moa dia hamafisin’ny
Sal.73.23-24, izay nataon’i Asafa ka milaza fa
“mihazona ny tanako ankavananana ianao. Ny saina omenao no
itondranao ahy. Ary rehefa afaka izany dia ho raisinao
amin’ny voninahitra aho.
Izany no andraisan’i Jesosy ny
tananao dia ny hitondrany anao any amin’ny voninahiny.
Afaka ny Tazony
Io no isehoan’ity
voninahitr’Andriamanitra ity amin’ity
rafozambavin’i Petera. Afaka ny tazony. Io nampijaly azy ka
nampatory azy, tsy nahafahany nakany amin’ny synagoga hidera
an’ Andriamanitra indrindra fa hihaino ny fampianarana.
Zava-mahagaga nataon’i Jesosy izany. Eny fa na dia any
amin’ny “domaine privé” toy izao, izay tsy
misy vqavolombelona firy afa-tsy ireto mpiantra ireto dia manao
fahagagana Jesosy;
Tsy msy izay tsy afak’i Jesosy na ny
demoniaka izany, na ny tazo ary aorian’izao teny izao dia ny
and.40 dia ny boka indray no nodiovina. Izany hoe ireo olona izay
efa nolavin’ny mpiara-belona no averin’ny Jesosy
amin’ny mpiara-monina aminy.
Ka dia nanompo Azy izy
Io no “reconnaissance”
ataon’ity rafozambavin’i Petera an’i Jesosy.
Ny fanompoana Azy. Ny fanompoantsika izay mahatsiaro fa
notantan’i Jesosy dia tahaka izay nanompoan’i Jesosy ny
Rainy. Tsy mifidy toerana anompoana
* na any amin’ny synagoga
(fiangoanana) izay andrenesana/izarana ny
tenin’Andriamanitra,
* na any an-tranon’olona fantatra
izany (domaine privé) izany itondrana koa ny vaovao
mahafaly
* Toerana “public” toy ity
tanana iray vohitra (32) izay tafangona teo anolon’ny
varavaran’i Petera. Mety ho tonga amintsika koa izany hoe
hitondra ny vaovao mahafaly amin’ny mpiray tanana amiko.
* Amin’ny toeran-kafa izay lazainy
fa synagogan’ny olona eran’ny Galilia (39).
Ny asan’ny Kristian rehetra dia ny
fanompoana/fijoroana vavolombelona an’i Jesosy.
Ny farany dia ny tsy maintsy
isian’ny fihaonana mandrakariva amin’ny mpaniraka. Eto
moa dia lazainy fa lasa any an-tany foana Izy mba hivavaka. Tsy ny
teniko na ny teninao no toriana fa ny tenin’Izay naniraka
anao dia Jesosy Kristy izany. Tsy maintsy manana fiainam-bavaka ny
mpanompon’Andriamanitra satria izany no hery entina manompo
Azy. Ary Tsy mantsy mandeha mitory ny vaovao eran’izao
rehetra izao fa tsy amin’ny toeran-tokana ihany.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
Dijon
8 febroary 2009
|