A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga058.JPG

Firy

Il y a actuellement 22 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Bianquis, Ravelojaona ary ny FPMA ? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

 

Pr. Bianquis
Izao tantara izao dia ampisehoana amintsika an'ireo olona anisan'izay niara-niasa tamin'ny fikarakarana ny protestanta malagasy taty an-dafy tamin'ny fotoana izay heverina fa nanombohan'ny fiangonana protestanta malagasy taty Andafy. Ny iray misionera frantsay dia Pr Bianquis ary ny faharoa kosa dia malagasy fantatry ny maro dia i Ravelojaona, mpitandrina.
Nandritry ny taona niasany tany Madagasikara (1901-1094) no niara-niasa i M.Bianquis izay misioneran’ny MPF (Mission Protestante Française) ary Ravelojaona (izay lasa mpitandrina taty aoriana), izay niandraikitra ny UCJG na ny Union chrétienne de jeunes gens de Tananarive.

Tian’i M.Bianquis mba havaozina ny fomba fitaizana ny tanora malagasy. Izany no nahatonga azy nandefa an’i Ravelojaona tany Eoropa tamin’ny taona 1904 mba hahita izay fomba fitaizana any ary indrindra zizay mety ahazoana mampihatra izany tany Madagasikara. I Ravelojaona koa moa olona tena maranitsaina satria nahazo ny maripahaizana CAE na Certificat d’aptitude à l’Enseignement izay maripahaizana vao nivoaka tany Madagasikara.Nohararaotin’i Ravelojaona hanarahana ny fampianaran’ireo mpampianatra kalazalahy tao amin’ny Sorbonne sns.. ny fandalovany tany Frantsa mba hanitarany ny fahalalany sy ny fahaizany. Naharitra 2 taona izany dian’i Ravelojaona tany Eoropa izany ka ny taona 1906 izy no nody teto antanindrazzana. Marihina fa tsy azokazon’ny mpananjanatany toa an’ny governora Augagneur (1904) izany fanavaozana ny fitaizana ny tanora malagasy izany satria ny hampiasa azy ireo ny kendren’izy ireo fa tsy ny hitaiza azy ho olombanona. Nofoanan’ny fanjakana io fikambanana UCJG io ny taona 1906 izany hoe fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Ravelojaona.

Tamin’ny taona 1904 i M Bianquis no nody tany France ary dia nikarakara ny Société de Mission Evangelique de Paris na ny SMEP . Marihina fa i M Bianquis dia notokanana mpitandrina tany Rouen ny 7 Novembre 1876 .Tao amin’ny Eglise Réformée de France na ny ERF izy no mpitandrina.Vao tanora izy dia efa naharay antso momba ny fitoriana ny filazantsara indrindra fony izy nianatra tany amin’ny faculté tany Montauban tamin’ny taona 1872.. Tamin’ny taona 1907 izy dia nanoratra boky momba ny “oeuvre missionnaire à Madagascar”. Lasa Tonian’ny Société de Mission izy tamin’ny taona 1912.

Ravelojaona
Tany Madagasikara koa tamin’ny taona 1908 dia natsoin’ny fiangonana tany Ambohitantely ho mpitandrina ho azy Ravelojaona. Ary notokanana tamin’ny 14 novambra 1908. Pasitera na Pr Ravelojaona dia nampiseho ny fitiavany ny tanindrazany ary indrindra ny fampiraisana ny samy kristiana. Ka lahateny maro ihany koa no nataony nandritra ilay hetsika ho fampiraisana ny Fiangonana Protestanta Malagasy (FPM) tamin’ny taona 1913. Tahaka an-dRABARY Mpitandrina, dia sahiny ny nifanandrina tamin’ireo Misionera iraky ny foibeny avy (LMS, FFMA, MPF, Loterana) izay toa nitondra fisaratsarahan-kevitra teo amin’ny vahoaka kristiana. Hoy izy : “Avelao izahay hidinika ny momba anay.” Fangatahana fahaleovantenan’ny Fiangonana protestanta malagasy koa moa no nokendrena tamin’izany.

Nandalo fotoan-tsarotra Ravelojaona, mpitandrina, teto tany Antananarivo nohon’ny nanoratany an’ilay lahatsoratra momba ny “Japan sy ny Japoney” nivoaka tao amin’ny Mpanolo-tsaina (Avril 1913-Oct 1913). Nampidirin’ny mpanjanatany amponja aza izy. Nohon’ny fanelanelanana nataon’ireo misionera ary taoanatin’izany aza i M Bianquis izay tany Frantsa dia navoakan’ny fitsarana Ravelojaona.Nalefan’ireo misionera ho any Frantsa indray Ravelojaona, mpitandrina ka tonga tany Paris ny 26 juin 1916. Naiditra ho “ infirmier » izy tamin’izany fotoana izany satria moa adilehibe voalohany tamin’izany. Nohon’ny fangatahan’ M.Bianquis, dia nanomboka nanoratra an’ilay bokikely atao hoe le « pain quotidien » na « vatsimpanahy » izay natao ho an’ireo malagasy lasa miaramila ka nanampy ny frantsay tamin’ny ady . Ny Fikambanana mampiely baiboly tany Londres indray no nanome ny Testamenta vaovao.

Fa ny 11 desambra 1916 kosa dia malagasy 11 kosa no noraisin’i M.Bianquis, izay tonian’ny SMEP, tao amin’ny boulevard Arago, Paris 14è arrondissement. Ny 17 désambra 1916 dia nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny teny malagasy tao amin’ny chapelle ny SMEP (ny DEFAP ankehitriny) ny malagasy tany Paris ka ny Pr Fred Vernier, izay misionera tany Madagasikara ihany koa no nitondra ny fotoana. 25 teo izy ireo no nankalaza ny .

Ny 29 avril 1918, Pr PARISOT dia voatendry ho « aumônier militaire malgache ». niaraka teny foana ny fiangonana malagasy tao amin’ny SMEP sy ny Aumonerie militaire tany Paris.

Tany Antsimo indray, ny 29 marsa 1917 no tonga tany Marseille i Pr. Escande. Tonga izy dia namangy , tany St Raphael, an’ireo miaramila Malagasy izay miisa 7350 ka ny 3500 amin’izany dia protestanta. Izahy koa moa no nahatongavany tany Frantsa.

Ny 2 jolay 1017 indray dia nisy fanompoampivavahana nokarakarain’ny mpitandrina Ravelojaona ho an’ireo Malagasy nipetraka tao Marseille tao amin’ny fiangonana Rue Grignant. Nanomboka teo dia nanomboka nisahana an’ity fiangonana Malagasy izy Pastera Ravelojaona.

Nikarakara indrindra an’ireo vao tonga moa izy tamin’izany ka notolorany taratasy fiarahabana ary Vatsimpanahy iray avy izy ireo. Anisan’ireo izay nanomana ny famoahana an’ilay gazety Malagasy voalohany “La correspondance fraternelle” I Ravelojaona . Ny Pr. Escande no tonia ary Rasolofo no mpandraharaha. Nampian’ny LMS ara-bola izy ireo tamin’izany. Naparitaka eran’ny tanàna izay nisy Malagasy mpianatra, miaramila izany gazety izany. Ny taona 1920 Ravelojaona, mpitandrina no nody any Madagasikara. Tany Strasbourg indray no nitoeran’ireo “aumoniers miltaires “ ho an’ny Malagasy taty aorian’ny ady lehibe voalohany.

Paris, tamin’ny taona 1922, rehefa vita ny ady, dia nitohy ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny chapelle ny SMEP . Tao ireo izay natao batisa ary nisy koa ny noraina ho mpandray ny fanasan’ny TOmpo. Marihina fa tena nanana ny “bokim-piangonany” izy ireo tamin’izany ary I Pr. Bianquis no niaraka tamin’izy ireo. Mifindrafindra ny toerana ivavahana isaky ny lohavolana na fandraisana izany : Paris (SMEP) na Charenton (ERF izay efa tsy eo intsony) tamin’izany. Mpianatra dokoteran’ny nify (dentiste) Ratsimba Rajaonary no nandrindra izany ary dia nodimbiasan’I Raharijaona dokotera raha efa avy eo. Tany amin’yn taona 1931 tany ho any, rehefa lasa nisotra ronono I Pr. Bianquiq dia ny mpitandrina tao amin’ny Mission populaire (rue de l’Avre) indray no nikarakara ny malagasy. Na dia izany aza dia mbola tao amin’ny chapelle ny SMEP ny fihaonana.

Izay raha zohina fohy ny fiaraha-miasan’I M. Bianquis ary Pr. Ravelojaona tamin’izy ireo nisahana ny Protestanta Malagasy tany Andafy. Marihina fa tsy nisy fifampikasohana tamin’ireo fiangonana toy ny Eglise Réformée de France na ERF na ny Eglise Evangelique Luthérienne de France na EELF fa tena ny SMEP no nandray azy an-tanana sady izy koa no raiamandren’ny protestanta malagasy taty Andafy.” Communauté des indigenes” no anarana niantsoan’ny SMEP aza tamin’izany.

D. Andrianarivo
4 fevrier 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack