A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga050.JPG

Firy

Il y a actuellement 22 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Mai 2012 > »
L M M J V S D
30 1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31 1 2 3

Radio Fpma

Tonga Soa
Soratra sy Teny.... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Amin’ity anio ity dia somary miala kely amin’ny filazantsaran’i Matio isika fa lasa any amin’ny filazantsaran’i Jaona. Tantara izay efa fantantsika loatra . Milaza ny amin’ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema. Raha ny filazantsara hafa no jerena dia any amin’ny farany no ahitana an’izao tantara izao. Eto kosa isika dia mahita azy aorian’ny nampodian’i Jesosy ny rano ho divay tao Kana.

Ny famantarana

Eto isika dia mahita an’i Jesosy miakatra any Jerosalema hamonjy ny Pasky ny Jiosy. Ary dia tao ankianjan’ny tempoly izy no nahita an’ireto olona nivarotra omby, ondry sy ny voroamailala ary ny mpanakalo vola. Dia nanao kotopia (karavasy) izy ka

* nandroaka ny olona hiala teo an-kianjan’ny tempoly,
* ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatra
* noteniny :Ento mivoaka ireto zavatra ireto hoy Izy tamin’ny mpivarotra voromailalafa aza atao fivarotana ny tranon’ny Raiko.

Marihina fa efa fomba amam-panao hatry ny ela be tany Jodia izay misy an’i Jerosalema iorenan’ny tempoly. Tonga anefa ity Galiliana ity dia mitsikera na tena mandrava izany fomba izany. Atokon’olona roa no manatrika izao dia ny Jiosy izay azo lazaina fa ireo mpanohitra raha ny filazantsaran’i Jaona manokana no jerena ary ireto mpianatra izay nandray ny fampianaran’i Kristy

Manoloana izao fisehoan-javatra izao dia :

* rariny sy hitsiny raha toa ka mangataka fanazavana ireto Jiosy ireto ka nanao hoe : Inona no famantarana asehonao aminay ka manao izao zavatra izao ianao ? (18).

* Ny mpianatra indray dia nahatsiaro izay voalaza ao amin’ny fihirana dia ny salamo izany : ny firehetako ny amin’ny tanonao no haharitra aina Ahy Sal 69.9. Toy ny efa milaza sahady fa ho faty ny Tompo.

Ilay tempoly

* Milaza eto Jesosy fa ilay tempoly izay tokony ho fihaonana amin’Andrimanitra izay lazainy fa Rainy dia lasa fivarotana ka anovana “affaires” . Ary eto dia mitarika antsika koa izany hieritreritra lalina ny amin’ny vokatra izay ataontsika.

Resaka tsy mifankahazo nohitantsika eto eo amin’i Jesosy sy ny Jiosy. Ny tempoly tokoa mantsy no nentin’i Jesosy namaliana ny fanontaniana momba ny famantarana izay nangatahany. Inona no ifandraisan’izany. Ho antsika izay miaina aorian’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia tsy dia sarotra ny mndray azy satria ananantsika ny “données” rehetra. Fa ho an’ireto jiosy izay nihevitra fa 46 taona no nananganana izany ? Sarotra amin’izy ireo.

Ho an’ireto mpianatra indray dia manongilatsofina satria efa maro no nahitan’izy ireo an’i Jesosy niasa ary nanao fahagagana toy ny fanovan’i Jesosy ny rano ho tonga divay tany Kana sns..Na dia izany aza dia taorian’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty izy ireo vao tena nino izay nolazain’i Jesosy.

* Jesosy milaza fa ny tenany no tempoly izay lazainy. Io trano izay lazainy fa tranon’ny Rainy io. Ahitantsika izany ny fifandraisan’i Jesosy sy ny Rainy. Ny Rainy ao aminy ary Izy ao amin’ny Rainy. Lazaina eto fa mahafantatra azy rehetra ny Tompo ary dia mahafantatra antsika izay tonga eto koa anio. Mahalala izay ao amponao Izy.

Betsaka ny teny izay efa norenesinao izay. Betsaka tamin’ireny koa no miverina ato antsiantsika isaky ny misy fisehoan-javatra eo amin’ny fiainantsika. Teny mitarika, misarika koa ny fo , saina ary fanahy. Ny fahatongavan’izany amin’ireo fotoana izay tsy ampoizintsika amin’ny fiainantsika ireny no manambara amintsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Ny Tenin’Andrimanitra tsy maintsy ho tanteraka. Izany no nahatonga an’ireto mpianatra nino satria nahita izany izy ireo.

Tempoly loharanon’aina arak’izay nohenoitsika avy tamin’ny bokin’i Ezekiela mpaminany. Tantarainy tokoa mantsy ny fisian’ity rano mivoaka avy tao amin’ity trano ity izay tsy hafa fa ny tempoly no andraisana azy. Rano avy eo amin’ny alitara mitondra aina ho an’ny tany hay, izay rehetra andalovany dia ho velona izay rehetra hidiran’nity ony ity, sitrana, hisy hazandrano ny ranomasina. Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy ho sitranina fa avela ho sira. Fa eny amorony roa kosa no hanirian’ny hazo izay hamoa isam-bolana satria mivoaka avy amin’ny fitoerana masina ny ranony, ka ho fihinana ny voany ary ho fanafody ny raviny.

Izany no tempoly izay idirantsika. Tsy any Jerosalema intsony fa ao anatinao ao satria efa anmpiditra an’izany Jesosy ho tompon’ny fiainanao ianao. Avy amin’io Jesosy izay Tempoly io no ivoahan’ity rano na ony mitondra voa ho an’ny ho fihinana ary fanafody ho fanasitranana. Tena famonjena lehibe ho antsika izany ary ho an’ny hafa koa. Izany no anirahan’ny Tompo ho antsika dia ho toy ity ranovelona mikoriana ity. Ny toerana haleha dia izay heverintsika fa tany efitra na izao tontolo izao. Isika dia fitaovana ihany fa ny aina entina dia miankina amin’ny fifandraisantsika amin’ilay Loharano nipoirany dia ilay Tempoly izay tsy aiza fa ao anatinao ihany. Io tempoly io

Miantso anao ny Tompo anio ny mba hiaraka latabatra aminy. Izy no manasa fa tsy ny mpitandrina na ny diakona. Ny hananantsika harena ao amin’i Kristy toa an’ireto mpianatra tany Filipia ireto. Miankina betsaka aminao izany satria betsaka no nantsoina fa vitsy no voafidy sattria tsy mitondra an’ilay akanjo fitondra amin’ny fanambadiana.Miankina aminao no hahavoafidy anao fa ny Tompo dia efa nampamory fa anjaranao ny mitondra an’ilay akanjo. Ny tenin'Andriamanitra voasoratra ihany no andrenesanao ka manoro anao ny lalana izoranao ho amin'ny famonjena anao.

Amen

FPMA Dijon 9 nov 08

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack