A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga052.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Madagascar
Madagascar Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Arahabaina isika tratry ny Fetim-pirenena na ny Asaramanitra. Tsy dia tena fantatra mazava tsara no ilazana azy . Ny asaramanitra dia ilazana ny taom-baovao teo amin’ny fety Malagasy dia manomboka amin’ny fisaorana an’ilay Zanahary ka ao ny fomba maro izay entina manao izany toy ny fidiovana amin’ny alanan’ny fandroana ohatra sns… Asa aloha na misy ifandraisany ny Zanahary sy ny asaraMANITRA, ilay Manitra izay ampiasaina koa amin’n’ilay AndriaMANITRA. Ny hanitra entin’izany fankalazana izany Andriana izany.

Fomba fiteny ihany moa izany ahazoana miverina amin’ny zava-nisy teto amin’ny tanindrazantsika. Kanefa na dia izany aza dia sarotiny be ny Malagasy ny amin’ny fifampiarahabana atao eo amin’ny vanim-potoana iray. Samy hafa ohatra ny fifampiarahabana raha toa ka misy voina na koa misy fifaliana. Eo amin’ny karazam-pety koa dia torak’izany koa. Efa betsaka ny manadino izany koatsara ny mamoha azy.Fa ny tiana ho resahina dia ny momba ny fety 26 jona 2008. Raha ny tany Paris manokana no lazaina dia, isaorana manokana “S.E. Monsieur l'Ambassadeur de la République de Madagascar en France et Madame NARISOA, ary S.E. Madame Irène RABENORO, Ambassadeur,Délégué Permanent de la République de Madagascar auprès de l'UNESCO Représentant Personnel du Président de la République de Madagascar auprès de la Francophonie” izay maso ivohon’ny firenena Malagasy eto Frantsa izany ary ny any amin’ny Unesco , tamin’ny famoriana an’ireo Malagasy maro, tonga hankalaza an’izany fety izany. Nifamotoana tokoa ny tia sy ny manina narahin’ny tsodrano niseho tamin’ny alalan’ny masoandro nihiratra fa tsy tamin’ny fahalatsahan’ny orana. Betsaka ireo Malagasy ny tia an’I Madagasikara no tonga tao amin’ny 1, Boulevard Suchet,75016 Paris, izay trano fonenan’ny Ambasadera Malagasy niara-nifaly. Tamin’ireo fanamiana nataony no nahitana fa nisy miaramila , masera betsaka no tonga tamin’izany. Tao koa ireo mpitondra fivavahana maro toy ny mpitandrina FJKM Max Randriamora, ny pastora FLM Edmond Raharijaonarivelo sy ireo mpitondra fivavahana mpitandrina ary laika hafa, Ny fotoana rahateo koa moa dia natomboka tamin’ny vavaka nataon’ny mpitandrina ao amin’ny FPMA Jean Ravalitera . Na dia efa mafana aza ny andro, ny fety kosa dia nohafana’ny mpanankanto maro ka an’insan’izany ny ambasadera Malagasy eto Frantsa.. Tao ireo izay monina ary koa ireo izay tonga mandalo. Tao ireo izay nifampiresaka, tao koa ireo izay nandihy,…Tsy lany ny sakafo izay nahitana vary sy laoka indrindra fa ny ravin-kajaha sy ny hena-kisoa. Malagasy manao fety tokoa ka sady hanina ny nofony no iosorana (itavonana) ny jaborany (mihosi-menaka izany.)

Fany farany tiana hampitaina dia ny hoe “fetin’ny fahaleovantena”. Betsaka tokoa ireo vazaha nifanerasera tamin’ny Malagasy, tao ny arabo izay nifandray tamin’ny alalan’ny varotra, tao ny vazaha maro (portugais, anglisy, norveziana, amrikana,sns) izay nitondra ny filazantsara ary tao koa ny mpanjanatany dia ny frantsay izany. Samy manana ny fomba fitantarany momba an’izany fanjanahantany izany ireo mpahay tantara indrndra moa fa ny daty niatombohan’ny fanjanahantany. Ny fantatra mazava aloha dia Ranavalona III no mpanjaka farany tao Madagasikara.
Ny tiana hampahatsiarovina eto dia firenena mahaleotena I Madagasika talohan’ny nahatongavan’ireo vahiny tonga tany Madagasikara. Noho izany dia tsy ny 26 jona 1960 no fetin’ny fahaleovantena ho an’ny Madagasikara fa ny 26 jona dia vanim-potoana niveran’ny fahaleovantenn’ny Madagasikara. Noho izany ny fiveran’ny Fahaleovantena no ankalazaina fa tsy ny fahaleovantena. Marina fa samihafa ny rafitra niainana fa raha taloha dia “Mpanjaka” no nitondra ,taty aorian’ny fanjanahantany kosa dia ny “Filoha” no manjaka. Tsy afaka ao amin’ny fisainan-dramalagasy ny hoe “mpitondra fanjakana” na dia efa tsy misy “mpanjaka” intsony aza eo amin’ny fitondrana
Koa amin’izao fankalazzana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’I Madagasikara izao dia mirary koa isika ny mba hiainan’ny vahoaka Malagasy ao antin’ny rariny sy ny hitsiny ka tsy ho totoi-bato hita na latsaka an-kady hita maso fa kosa mba tsy ho toy ny tompony mangataka ny atiny.
Mbola mamerina etoana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, mpiasan’ny ambasady roa tonta izay tena nahandro nahamasaka izao fihaonana izao . Raha misy moa tiana ho fantatra momba ny ambasady Malagasy eto Frantsa dia dia jerao ny
http://www.ambassade-madagascar.fr/
Sambatra ny firenena manana an’I Jehovah ho Andriamaniny.

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack