|
F A N A S A NA J O B I L Y FAHA 50 T A O NA
T A F O AIX - MARSEILLE
Teny Faneva : « FIANGONANA MIJORO, MAHARITRA AO AMIN’ I KRISTY , MITORY NY FAHAZAVANY »
1Kor.15 : 58 « Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo »
Ry havana malala ,
Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ny Tompontsika.
Feno 50 taona izao ny niorenan’ny tafo FPMA Aix-Marseille. Misaotra an’Andriamanitra lehibe izahay noho izany fahatrarana ny faha-50 taona izany
Ny fankalazana izany dia efa nanomboka tamin’ny volana Oktobra 2007 izay nampisehoana ny tantaran’ny RASALAMA , maritiora Malagasy voalohany. Ny fotoam-pivavahana fanokafana dia tamin’ny KRISMASY 2007 lasa teo.Maro ireo fihetsiketsehana nanamarihana izany fankalazana izany toy
ny fanaovana « Banderolle mirakitra ny teny faneva
– Logo –Hira faneva – Conférence débat – Garden Party –
-Conférence sy Portes ouvertes : sary sy tantaran’ny FPMAAM - Activités hiharahana amin’ny artistes avy any an-tanindrazana,
-ary ny Fotoam-pivavahana famaranana (volana Oktobra 2008) ho avy izao.
Noho ny fahatrarana izany faha 50 taona izany dia fifaliana ho anay Tafo FPMA Aix-Marseille, no manasa antsika rehetra tafo FPMA eto Frantsa ,sy isika ZANAKA AM-PIELEZANA izay efa nandalo teto amin’ny Tafo Aix-Marseille, mba ho tonga amin’ny Conférence sy Portes ouvertes (volana Septambra 2008 ), sy ny Activités miaraka amin’ny Artistes ny Asabotsy 25 Oktobra 2008 , ary ny fanompoam-pivavahana famaranana ny 26 Oktobra 2008 .Ny andindininy dia mbola ho lazaina antsika aoriana, fa dia efa fandrio sahady ireo daty voalaza ireo.
Izay ary ry havana, fa mametraka ny veloma finaritra ho antsika rehetra amin’ny anaran’Ilay tia antsika ny tenanay.Ary maneho ny fisaorana antsika rehetra sahady
Amin’ny anaran’ny Komitin’ny Tafo sy ny Komitin’ny Jobily faha 50 taona
Ny Filoha : Charles RAKOTONIAINA
http://fpmaam.free.fr
|