|
Tonga soa Jolay - Aogositra 2008 |
|
|
|
|
pasitera
|
|
Mankanesa aty amiko ianareo izay niasa fatratra Mat.11.28.
Isaorana an’Andriamanitra izay azo antao tamin’ity taom-pianarana 2007-2008 ity. Betsaka nn noraisna tamin’izany na ny tany amin’ny toeram-piasana, fianarana ary teo anivon’ny fiangonana. Maro koa anefa ireo fahasarotana nolalovana na nodiavina . Tsapa tokoa ny tana-maherin’Andriamanitra niady ho antsika tamin’ny lafiny maro. Tonga ity ny andro izay azo lazaina fa ialantsasatra.
Raha nahatsiaro isika fa niasa fatratra dia miantso anao ny Tompo fa vonona Izy hanome anao fitsaharana. Io fitsaharana io no maro mpitady amin’izao androntsika izao. Samy manana ny fomba itadiavany azy nefa tsy mahita. Ity misy lalana iray, izay angamba mbola tsy nandramanao na tsy nampoizianao dia ny fanatonana an’I Jesoa Kristy izany . Eny na dia any am-pialaltsasatra aza ianao. Koa andramo ka izahao fa tsara Jehovah, fa sambatra izay olona mialoka aminy.Dia mirary fialantsasatra sambatra ho anao izahay.
Ny Fanompoam-pivavahantsika amin’ny manaraka eto amin’ny FPMA Dijon dia amin’ny 14 septambra 2008 amin’ny 3 ora tolakandro.
Eny fa na dia any am-pakan-drivotra aza ianao dia aza manadino ny firahantsika miangona.
Raha mandalo eto Dijon ianao dia aza misalasala ny mamangy.
Dia miandry anao izahay izany ………. |